Check out the new design

আল-কোৰআনুল কাৰীমৰ অৰ্থানুবাদ - মালাগাছি অনুবাদ- মৰ্কজ ৰুওৱাদুত তাৰ্জামাহ * - অনুবাদসমূহৰ সূচীপত্ৰ


অৰ্থানুবাদ ছুৰা: ত্বা-হা   আয়াত:
كَذَٰلِكَ نَقُصُّ عَلَيۡكَ مِنۡ أَنۢبَآءِ مَا قَدۡ سَبَقَۚ وَقَدۡ ءَاتَيۡنَٰكَ مِن لَّدُنَّا ذِكۡرٗا
Toy izany no fitantaranay Aminao izay niseho tany aloha. Tena fampahatsiahivana avy Aminay tokoa no nentinay Taminao.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
مَّنۡ أَعۡرَضَ عَنۡهُ فَإِنَّهُۥ يَحۡمِلُ يَوۡمَ ٱلۡقِيَٰمَةِ وِزۡرًا
N'iza n'iza manohitra Azy (Kor’any) dia hitondra enta-mavesatra (fahotana) izy amin’ny Andro Fitsanganana.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
خَٰلِدِينَ فِيهِۖ وَسَآءَ لَهُمۡ يَوۡمَ ٱلۡقِيَٰمَةِ حِمۡلٗا
Hitoetra ao mandrakizay izy ireo, ary tena enta-mavesatra ho azy ireo izany amin’ny Andro Fitsanganana (ny maty).
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
يَوۡمَ يُنفَخُ فِي ٱلصُّورِۚ وَنَحۡشُرُ ٱلۡمُجۡرِمِينَ يَوۡمَئِذٖ زُرۡقٗا
Amin’ny Andro izay hitsofana ny trompetra (anjomara), dia hangoninay amin’izany Andro izany ireo mpanao heloka bevava, ary ho mangana ny endriny (noho ny tahotra).
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
يَتَخَٰفَتُونَ بَيۡنَهُمۡ إِن لَّبِثۡتُمۡ إِلَّا عَشۡرٗا
Hifampibitsika izy ireo ka hanao hoe : “ Tsy nijanona tao Ianareo raha tsy folo (andro ihany) ! ”
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
نَّحۡنُ أَعۡلَمُ بِمَا يَقُولُونَ إِذۡ يَقُولُ أَمۡثَلُهُمۡ طَرِيقَةً إِن لَّبِثۡتُمۡ إِلَّا يَوۡمٗا
Tena mahalala tsara izay holazain’izy ireo Izahay, raha ny iray tamin’izy ireo, izay tsara fitondran-tena hiteny hanao hoe : “ Tsy nijanona afa-tsy iray Andro ihany Ianareo ”.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَيَسۡـَٔلُونَكَ عَنِ ٱلۡجِبَالِ فَقُلۡ يَنسِفُهَا رَبِّي نَسۡفٗا
Ary hanontany Anao izy ireo mahakasika ireo tendrombohitra. Lazao hoe : “ Ny Tompoko no hanaparitaka azy ireo ho tahaka ny vovoka ”.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
فَيَذَرُهَا قَاعٗا صَفۡصَفٗا
Ary hataony ho toy ny tany lemaka sy ngazana izany.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
لَّا تَرَىٰ فِيهَا عِوَجٗا وَلَآ أَمۡتٗا
Izay tsy ahitanao na fiolakolahana na dongon-tany.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
يَوۡمَئِذٖ يَتَّبِعُونَ ٱلدَّاعِيَ لَا عِوَجَ لَهُۥۖ وَخَشَعَتِ ٱلۡأَصۡوَاتُ لِلرَّحۡمَٰنِ فَلَا تَسۡمَعُ إِلَّا هَمۡسٗا
Amin’izany Andro izany dia hanaraka ny Mpiantso tsy misy fiolakolahana (fanarahana feno fankatoavana) izy ireo; dia hihamora ny feo eo anatrehan’Ilay be Fiantrana. Ary tsy handre Ianao afa-tsy feo malefaka ihany.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
يَوۡمَئِذٖ لَّا تَنفَعُ ٱلشَّفَٰعَةُ إِلَّا مَنۡ أَذِنَ لَهُ ٱلرَّحۡمَٰنُ وَرَضِيَ لَهُۥ قَوۡلٗا
Amin’izany Andro Izany, dia tsy hisy ahazo tombontsoa amin’ny fanelanelanana afa-tsy izay nomen’Ilay be Fiantrana alalana,sy nankasitrahany ny teniny.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
يَعۡلَمُ مَا بَيۡنَ أَيۡدِيهِمۡ وَمَا خَلۡفَهُمۡ وَلَا يُحِيطُونَ بِهِۦ عِلۡمٗا
Fantany izay eo alohan’izy ireo sy izay ao aorian’izy ireo, nefa tsy mahafehy Azy amin’ny alalan’ny fahalalana izy ireo.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
۞ وَعَنَتِ ٱلۡوُجُوهُ لِلۡحَيِّ ٱلۡقَيُّومِۖ وَقَدۡ خَابَ مَنۡ حَمَلَ ظُلۡمٗا
Manetry tena eo anatrehan'ilay Velona mandrakizay, ilay tsy miankina na amin’iza na amin’iza ny tarehy rehetra. Ary ho maty antoka izay nanao ny tsy rariny.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَمَن يَعۡمَلۡ مِنَ ٱلصَّٰلِحَٰتِ وَهُوَ مُؤۡمِنٞ فَلَا يَخَافُ ظُلۡمٗا وَلَا هَضۡمٗا
Ary n'iza n'iza nanao asa soa no sady mino, dia tsy hatahotra na ny tsy rariny na ny tsindry hazo lena Izy.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَكَذَٰلِكَ أَنزَلۡنَٰهُ قُرۡءَانًا عَرَبِيّٗا وَصَرَّفۡنَا فِيهِ مِنَ ٱلۡوَعِيدِ لَعَلَّهُمۡ يَتَّقُونَ أَوۡ يُحۡدِثُ لَهُمۡ ذِكۡرٗا
Toy izany no nampidinanay ny Koroany (amin’ny fiteny) arabo, ary nampitomboinay ao anatiny ny fandrahonana,angamba izy ireo hanam-patahorana, na hitondra fampahatsiahivana vaovao ho azy ireo.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
 
অৰ্থানুবাদ ছুৰা: ত্বা-হা
ছুৰাৰ তালিকা পৃষ্ঠা নং
 
আল-কোৰআনুল কাৰীমৰ অৰ্থানুবাদ - মালাগাছি অনুবাদ- মৰ্কজ ৰুওৱাদুত তাৰ্জামাহ - অনুবাদসমূহৰ সূচীপত্ৰ

অনুবাদ কৰিছে جمعية الدعوة بالربوة আৰু جمعية خدمة المحتوى الإسلامي باللغاتৰ সহযোগত মৰ্কজ ৰুৱাদুত তাৰ্জামাৰ অনুবাদক গোষ্ঠীয়ে।

বন্ধ