Check out the new design

আল-কোৰআনুল কাৰীমৰ অৰ্থানুবাদ - মালাগাছি অনুবাদ- মৰ্কজ ৰুওৱাদুত তাৰ্জামাহ * - অনুবাদসমূহৰ সূচীপত্ৰ


অৰ্থানুবাদ ছুৰা: ত্বা-হা   আয়াত:
قَالَ عِلۡمُهَا عِندَ رَبِّي فِي كِتَٰبٖۖ لَّا يَضِلُّ رَبِّي وَلَا يَنسَى
Niteny izy (Mosa) hoe : “Ny fahalalana momba azy ireo dia eo anatrehan’ny Tompoko, ao amin’ny Boky. Tsy manao hadisoana, ary tsy manadino ny Tompoko”.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
ٱلَّذِي جَعَلَ لَكُمُ ٱلۡأَرۡضَ مَهۡدٗا وَسَلَكَ لَكُمۡ فِيهَا سُبُلٗا وَأَنزَلَ مِنَ ٱلسَّمَآءِ مَآءٗ فَأَخۡرَجۡنَا بِهِۦٓ أَزۡوَٰجٗا مِّن نَّبَاتٖ شَتَّىٰ
Izy izay nanao ho Anareo ny tany ho toy ny fandriana, ary nanoritra ny làlana teo Aminy ho Anareo; nampidina ny rano avy eny an-danitra Izy. Ka avy amin’izany no namoahanay tsiroaroa ireo karazan-java-maniry maro samihafa.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
كُلُواْ وَٱرۡعَوۡاْ أَنۡعَٰمَكُمۡۚ إِنَّ فِي ذَٰلِكَ لَأٓيَٰتٖ لِّأُوْلِي ٱلنُّهَىٰ
“ Mihinàna àry Ianareo, ary ampihinano koa ireo biby fiompinareo ”. Izany dia porofo famantarana ho an’ireo matsilo saina.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
۞ مِنۡهَا خَلَقۡنَٰكُمۡ وَفِيهَا نُعِيدُكُمۡ وَمِنۡهَا نُخۡرِجُكُمۡ تَارَةً أُخۡرَىٰ
Avy aminy (tany) no naharianay Anareo, ary avy Aminy no hamerenanay Anareo, ary avy aminy ihany koa no hamoahanay Anareo indray.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَلَقَدۡ أَرَيۡنَٰهُ ءَايَٰتِنَا كُلَّهَا فَكَذَّبَ وَأَبَىٰ
Efa nasehonay Azy (Faraona) daholo ireo zava-mahagaga rehetra avy Aminay; saingy nolazainy fa lainga izany, ary nandà Izy.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
قَالَ أَجِئۡتَنَا لِتُخۡرِجَنَا مِنۡ أَرۡضِنَا بِسِحۡرِكَ يَٰمُوسَىٰ
Niteny izy (Faraona) ka nanao hoe : “ Ô ry Mosa ! Moa ve tonga aty Aminay Ianao, mba hamoaka Anay hiala amin’ny taninay amin’ny alalan’ny majikanao ?
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
فَلَنَأۡتِيَنَّكَ بِسِحۡرٖ مِّثۡلِهِۦ فَٱجۡعَلۡ بَيۡنَنَا وَبَيۡنَكَ مَوۡعِدٗا لَّا نُخۡلِفُهُۥ نَحۡنُ وَلَآ أَنتَ مَكَانٗا سُوٗى
Tena hitondrànay majika mitovy amin’izany koa Ianao, ka aoka Ianao hanome fotoana ho Antsika, ka tsy hisy tsy ho tonga amin’izany, na Izahay na Ianao, eny amin’ny toerana malalaka.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
قَالَ مَوۡعِدُكُمۡ يَوۡمُ ٱلزِّينَةِ وَأَن يُحۡشَرَ ٱلنَّاسُ ضُحٗى
Dia niteny Izy (Mosa) ka nanao hoe : “ Ny fotoana hihaonanareo dia amin’ny Andro fety. Ary aoka amin’ny maraina no hamoriana ny Olona ”.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
فَتَوَلَّىٰ فِرۡعَوۡنُ فَجَمَعَ كَيۡدَهُۥ ثُمَّ أَتَىٰ
Nisintaka i Faraona, dia lasa nampivondrona ny hevi-petsiny (ireo mpanao majikany), avy eo dia niverina Izy (teny amin’ny toerana fihaonana).
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
قَالَ لَهُم مُّوسَىٰ وَيۡلَكُمۡ لَا تَفۡتَرُواْ عَلَى ٱللَّهِ كَذِبٗا فَيُسۡحِتَكُم بِعَذَابٖۖ وَقَدۡ خَابَ مَنِ ٱفۡتَرَىٰ
Niteny tamin’izy ireo i Mosa ka nanao hoe : “ Loza ho Anareo ! Aza mamorona lainga mahakasika an’i Allah Ianareo, raha tsy izany, dia haringany avokoa amin’ny alalan’ny famaizana Ianareo. Ho very tokoa izay mamoron-dainga ! ”
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
فَتَنَٰزَعُوٓاْ أَمۡرَهُم بَيۡنَهُمۡ وَأَسَرُّواْ ٱلنَّجۡوَىٰ
Tamin’izany dia niady hevitra mafy izy ireo, nefa nitazona ny tsiambaratelony izy ireo.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
قَالُوٓاْ إِنۡ هَٰذَٰنِ لَسَٰحِرَٰنِ يُرِيدَانِ أَن يُخۡرِجَاكُم مِّنۡ أَرۡضِكُم بِسِحۡرِهِمَا وَيَذۡهَبَا بِطَرِيقَتِكُمُ ٱلۡمُثۡلَىٰ
Niteny izy ireo hoe : “Marina fa ireto olona roalahy ireto dia mpanao majika, mitady hamoaka anareo hiala amin’ny taninareo amin’ny alàlan’ny majikan’izy ireo sy hanafoana ny foto-pinoana mendrika nahazatra anareo”.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
فَأَجۡمِعُواْ كَيۡدَكُمۡ ثُمَّ ٱئۡتُواْ صَفّٗاۚ وَقَدۡ أَفۡلَحَ ٱلۡيَوۡمَ مَنِ ٱسۡتَعۡلَىٰ
Avondrony àry ny hevi-petsinareo rehetra, avy eo dia avia ianareo miara-milahatra, fa tena mahazo fahasambarana izay mandresy androany.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
 
অৰ্থানুবাদ ছুৰা: ত্বা-হা
ছুৰাৰ তালিকা পৃষ্ঠা নং
 
আল-কোৰআনুল কাৰীমৰ অৰ্থানুবাদ - মালাগাছি অনুবাদ- মৰ্কজ ৰুওৱাদুত তাৰ্জামাহ - অনুবাদসমূহৰ সূচীপত্ৰ

অনুবাদ কৰিছে جمعية الدعوة بالربوة আৰু جمعية خدمة المحتوى الإسلامي باللغاتৰ সহযোগত মৰ্কজ ৰুৱাদুত তাৰ্জামাৰ অনুবাদক গোষ্ঠীয়ে।

বন্ধ