Check out the new design

Traducción de los significados del Sagrado Corán - Traducción al malgache - Centro de Rowad At-Taryama * - Índice de traducciones


Traducción de significados Capítulo: Al-Fajr   Versículo:

Al-fajr

وَٱلۡفَجۡرِ
Mianiana aho ny amin'ny maraina vao mangiran-dratsy.
Las Exégesis Árabes:
وَلَيَالٍ عَشۡرٖ
Ny amin'ny alina folo (alin'ny volana Zol-Hijjah).
Las Exégesis Árabes:
وَٱلشَّفۡعِ وَٱلۡوَتۡرِ
Ny amin'ny ankasa sy tsy ankasa.
Las Exégesis Árabes:
وَٱلَّيۡلِ إِذَا يَسۡرِ
ny amin'ny alina rehefa mandalo.
Las Exégesis Árabes:
هَلۡ فِي ذَٰلِكَ قَسَمٞ لِّذِي حِجۡرٍ
moa va izany tsy fianianana ho an'ireo manan-tsaina ?
Las Exégesis Árabes:
أَلَمۡ تَرَ كَيۡفَ فَعَلَ رَبُّكَ بِعَادٍ
Moa va tsy nodinihinao ny nanaovan'I Allah ireo vahoaka'i A'ad ?
Las Exégesis Árabes:
إِرَمَ ذَاتِ ٱلۡعِمَادِ
Ary i Iramah izay nanana andry niankinana ?
Las Exégesis Árabes:
ٱلَّتِي لَمۡ يُخۡلَقۡ مِثۡلُهَا فِي ٱلۡبِلَٰدِ
Izay tsy nisy namboarina toa azy amin'ireo firenen-drehetra !
Las Exégesis Árabes:
وَثَمُودَ ٱلَّذِينَ جَابُواْ ٱلصَّخۡرَ بِٱلۡوَادِ
Niaraka tamin'ny Samodo izay nanao lava-bato teny an-dohasaha.
Las Exégesis Árabes:
وَفِرۡعَوۡنَ ذِي ٱلۡأَوۡتَادِ
Ary i Farao nanana miaramila maro aman-defona.
Las Exégesis Árabes:
ٱلَّذِينَ طَغَوۡاْ فِي ٱلۡبِلَٰدِ
Izay nihoa-pefy tao amin'ny firenen'izy ireo.
Las Exégesis Árabes:
فَأَكۡثَرُواْ فِيهَا ٱلۡفَسَادَ
Ary nampiely faharatsiana maro tao.
Las Exégesis Árabes:
فَصَبَّ عَلَيۡهِمۡ رَبُّكَ سَوۡطَ عَذَابٍ
Noho izany dia nandefasan'ny Tomponao kapoka mavaivay izy ireo.
Las Exégesis Árabes:
إِنَّ رَبَّكَ لَبِٱلۡمِرۡصَادِ
Tena marina ! Ny tomponao dia manara-maso fatratra.
Las Exégesis Árabes:
فَأَمَّا ٱلۡإِنسَٰنُ إِذَا مَا ٱبۡتَلَىٰهُ رَبُّهُۥ فَأَكۡرَمَهُۥ وَنَعَّمَهُۥ فَيَقُولُ رَبِّيٓ أَكۡرَمَنِ
Ny olombelona rehefa notsapàn'ny Tompony ka notahiny sy nomeny fahasoavana, dia hiteny izy ireo hoe : "Nitahy ahy ny Tompoko".
Las Exégesis Árabes:
وَأَمَّآ إِذَا مَا ٱبۡتَلَىٰهُ فَقَدَرَ عَلَيۡهِ رِزۡقَهُۥ فَيَقُولُ رَبِّيٓ أَهَٰنَنِ
Ary rehefa notsapàny koa izy ireo ka nampianjadiany fahasahiranana ; dia hiteny izy ireo hoe : "tsy norarahin'ny Tompoko aho".
Las Exégesis Árabes:
كَلَّاۖ بَل لَّا تُكۡرِمُونَ ٱلۡيَتِيمَ
Tsia ! indrisy anefa fa manao tsinotsinona ny kamboty ianareo.
Las Exégesis Árabes:
وَلَا تَحَٰٓضُّونَ عَلَىٰ طَعَامِ ٱلۡمِسۡكِينِ
Ary tsy mifamporisika amin'ny fanomezana sakafo ireo mahantra ianareo.
Las Exégesis Árabes:
وَتَأۡكُلُونَ ٱلتُّرَاثَ أَكۡلٗا لَّمّٗا
Fa manao ampihi-mamba ny lovan'ireo kamboty.
Las Exégesis Árabes:
وَتُحِبُّونَ ٱلۡمَالَ حُبّٗا جَمّٗا
Tena tia harena diso tafahoatra ianareo !
Las Exégesis Árabes:
كَلَّآۖ إِذَا دُكَّتِ ٱلۡأَرۡضُ دَكّٗا دَكّٗا
Tsia ! Rehefa montsana ka hihorohoro araka izay tsy izy ny tany.
Las Exégesis Árabes:
وَجَآءَ رَبُّكَ وَٱلۡمَلَكُ صَفّٗا صَفّٗا
ary ho tonga ny Tomponao sy ireo anjely hitandahatra,
Las Exégesis Árabes:
 
Traducción de significados Capítulo: Al-Fajr
Índice de Capítulos Número de página
 
Traducción de los significados del Sagrado Corán - Traducción al malgache - Centro de Rowad At-Taryama - Índice de traducciones

Traducida por el equipo del Centro Rowad At-Taryamah en cooperación con la Asociación de Dawah en Rabwa y la Asociación para el Servicio del Contenido Islámico en Idiomas.

Cerrar