Check out the new design

કુરઆન મજીદના શબ્દોનું ભાષાંતર - માલાગાશી ભાષામાં અનુવાદ - રવ્વાદ ભાષાંતર કેન્દ્ર * - ભાષાંતરોની અનુક્રમણિકા


શબ્દોનું ભાષાંતર સૂરહ: ગાફિર   આયત:
رَبَّنَا وَأَدۡخِلۡهُمۡ جَنَّٰتِ عَدۡنٍ ٱلَّتِي وَعَدتَّهُمۡ وَمَن صَلَحَ مِنۡ ءَابَآئِهِمۡ وَأَزۡوَٰجِهِمۡ وَذُرِّيَّٰتِهِمۡۚ إِنَّكَ أَنتَ ٱلۡعَزِيزُ ٱلۡحَكِيمُ
“ Tomponay ô ! Ampidiro amin’ny Zaridainan’i Edena izy ireo, izay nampanantenainao azy, toy izany ihany koa ireo izay tsara fitondran-tena tamin’ireo razambeny, ny vadiny sy ny taranak’izy ireo. Marina fa Ianao no Ilay Tsitoha, Ilay be fahendrena ”.
અરબી તફસીરો:
وَقِهِمُ ٱلسَّيِّـَٔاتِۚ وَمَن تَقِ ٱلسَّيِّـَٔاتِ يَوۡمَئِذٖ فَقَدۡ رَحِمۡتَهُۥۚ وَذَٰلِكَ هُوَ ٱلۡفَوۡزُ ٱلۡعَظِيمُ
“ Ary arovy amin’ny asa ratsy izy ireo. Satria izay arovanao amin’ny asa ratsy, dia homenao famindram-po amin’io andro io. Izany no fahombiazana lehibe tokoa ”.
અરબી તફસીરો:
إِنَّ ٱلَّذِينَ كَفَرُواْ يُنَادَوۡنَ لَمَقۡتُ ٱللَّهِ أَكۡبَرُ مِن مَّقۡتِكُمۡ أَنفُسَكُمۡ إِذۡ تُدۡعَوۡنَ إِلَى ٱلۡإِيمَٰنِ فَتَكۡفُرُونَ
Hamafisina, fa toy izao no hambara an’ireo tsy mino : “Lehibe kokoa ny fankahalan’I Allah anareo, noho ny fankahalanareo ny tenanareo, rehefa nantsoina ho any amin’ny finoana ianareo, kanefa nifikitra tamin’ny tsy finoana ihany”.
અરબી તફસીરો:
قَالُواْ رَبَّنَآ أَمَتَّنَا ٱثۡنَتَيۡنِ وَأَحۡيَيۡتَنَا ٱثۡنَتَيۡنِ فَٱعۡتَرَفۡنَا بِذُنُوبِنَا فَهَلۡ إِلَىٰ خُرُوجٖ مِّن سَبِيلٖ
Hiteny izy ireo hoe : “ Tomponay ô ! Nataonao indroa maty izahay, ary novelominao indroa ihany koa, ka miaiky ny fahotanay izahay. Moa misy lalana mety hivoahana amin’izany ve ? ”
અરબી તફસીરો:
ذَٰلِكُم بِأَنَّهُۥٓ إِذَا دُعِيَ ٱللَّهُ وَحۡدَهُۥ كَفَرۡتُمۡ وَإِن يُشۡرَكۡ بِهِۦ تُؤۡمِنُواْۚ فَٱلۡحُكۡمُ لِلَّهِ ٱلۡعَلِيِّ ٱلۡكَبِيرِ
Izany no izy, satria rehefa nantsoina irery I Allah, dia tsy mino ianareo, fa rehefa akambana amin’ny zavatra hafa Izy, dia nino ianareo. An’I Allah ny Fitsarana ! Ilay avo indrindra, ilay lehibe tokoa.
અરબી તફસીરો:
هُوَ ٱلَّذِي يُرِيكُمۡ ءَايَٰتِهِۦ وَيُنَزِّلُ لَكُم مِّنَ ٱلسَّمَآءِ رِزۡقٗاۚ وَمَا يَتَذَكَّرُ إِلَّا مَن يُنِيبُ
Izy no mampiseho aminareo ireo porofo avy Aminy, sy mampidina ny anjaram-pivelomana ho anareo avy any an-danitra. Ary tsy misy mahatsiaro, afa-tsy izay miverina amin’I Allah ihany.
અરબી તફસીરો:
فَٱدۡعُواْ ٱللَّهَ مُخۡلِصِينَ لَهُ ٱلدِّينَ وَلَوۡ كَرِهَ ٱلۡكَٰفِرُونَ
Koa mitalahoa amin’I Allah ianareo, ary atokano ho Azy irery ny fivavahanareo, na dia halan’ireo tsy mpino aza izany.
અરબી તફસીરો:
رَفِيعُ ٱلدَّرَجَٰتِ ذُو ٱلۡعَرۡشِ يُلۡقِي ٱلرُّوحَ مِنۡ أَمۡرِهِۦ عَلَىٰ مَن يَشَآءُ مِنۡ عِبَادِهِۦ لِيُنذِرَ يَوۡمَ ٱلتَّلَاقِ
Izy no Ilay manandratra amin’ny ambaratonga avo indrindra, Tompon’ny Seza fiandrianana. Izy no mibaiko ny Fanahy ho amin’izay sitrany amin’ireo mpanompony, mba hampitandremany ny amin’ilay andro fihaonana,
અરબી તફસીરો:
يَوۡمَ هُم بَٰرِزُونَۖ لَا يَخۡفَىٰ عَلَى ٱللَّهِ مِنۡهُمۡ شَيۡءٞۚ لِّمَنِ ٱلۡمُلۡكُ ٱلۡيَوۡمَۖ لِلَّهِ ٱلۡوَٰحِدِ ٱلۡقَهَّارِ
Amin’ny andro izay hisehoan’izy ireo, ka tsy hisy hiafenan’izay nataon’izy ireo amin’I Allah amin’izany. An’iza ny fanjakana androany? An’I Allah, Ilay Tokana, Ilay Mpifehy faratampony.
અરબી તફસીરો:
 
શબ્દોનું ભાષાંતર સૂરહ: ગાફિર
સૂરહ માટે અનુક્રમણિકા પેજ નંબર
 
કુરઆન મજીદના શબ્દોનું ભાષાંતર - માલાગાશી ભાષામાં અનુવાદ - રવ્વાદ ભાષાંતર કેન્દ્ર - ભાષાંતરોની અનુક્રમણિકા

રુવાદ ભાષાંતર કેન્દ્રની ટીમ દ્વારા અને રબ્વાહ ઇસ્લામિક પ્રચાર કાર્યાલય અને વિવિધ ભાષાઓમાં ઇસ્લામની સામગ્રી પ્રસ્તુત કરતું સંગઠનના સહયોગથી

બંધ કરો