Check out the new design

કુરઆન મજીદના શબ્દોનું ભાષાંતર - માલાગાશી ભાષામાં અનુવાદ - રવ્વાદ ભાષાંતર કેન્દ્ર * - ભાષાંતરોની અનુક્રમણિકા


શબ્દોનું ભાષાંતર સૂરહ: ગાફિર   આયત:
قَالُوٓاْ أَوَلَمۡ تَكُ تَأۡتِيكُمۡ رُسُلُكُم بِٱلۡبَيِّنَٰتِۖ قَالُواْ بَلَىٰۚ قَالُواْ فَٱدۡعُواْۗ وَمَا دُعَٰٓؤُاْ ٱلۡكَٰفِرِينَ إِلَّا فِي ضَلَٰلٍ
Hiteny izy ireo hoe : “ Moa tsy efa nitondra porofo mazava taminareo ve ireo Iraka nalefa taminareo ? ”. Dia hamaly izy ireo hoe : “ Eny ! ”. Hiteny ireo mpiambina hoe : “ raha izany áry, dia mangataha ianareo. Fa ny fangatahan’ireo tsy mpino dia ho zava-poana ”.
અરબી તફસીરો:
إِنَّا لَنَنصُرُ رُسُلَنَا وَٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ فِي ٱلۡحَيَوٰةِ ٱلدُّنۡيَا وَيَوۡمَ يَقُومُ ٱلۡأَشۡهَٰدُ
Hamafisina, fa manavotra ireo Irakay sy ireo izay mino Izahay amin’ny fiainana eto an-tany sy amin’ny andro izay hitsanganan’ireo vavolombelona,
અરબી તફસીરો:
يَوۡمَ لَا يَنفَعُ ٱلظَّٰلِمِينَ مَعۡذِرَتُهُمۡۖ وَلَهُمُ ٱللَّعۡنَةُ وَلَهُمۡ سُوٓءُ ٱلدَّارِ
Amin’ny andro izay tsy hahasoa an’ireo mpanao ny tsy rariny ny fialan-tsininy, ka ho azy ireo ny ozona sy ny fonenana ratsy indrindra.
અરબી તફસીરો:
وَلَقَدۡ ءَاتَيۡنَا مُوسَى ٱلۡهُدَىٰ وَأَوۡرَثۡنَا بَنِيٓ إِسۡرَٰٓءِيلَ ٱلۡكِتَٰبَ
Ary efa nomenay an’i Mosesy tokoa ny tari-dalana, ary nampandovainay an’ny zanak’Israely ny boky,
અરબી તફસીરો:
هُدٗى وَذِكۡرَىٰ لِأُوْلِي ٱلۡأَلۡبَٰبِ
Izay ho tari-dalana sy fampahatsiarovana ho an’ireo olona manan-tsaina.
અરબી તફસીરો:
فَٱصۡبِرۡ إِنَّ وَعۡدَ ٱللَّهِ حَقّٞ وَٱسۡتَغۡفِرۡ لِذَنۢبِكَ وَسَبِّحۡ بِحَمۡدِ رَبِّكَ بِٱلۡعَشِيِّ وَٱلۡإِبۡكَٰرِ
Koa mahareta áry, fa ny fampanantenan’I Allah, dia marina, ary mangataha famelan-keloka ho an’ny fahotanao, ary ankalazao ny voninahitry ny Tomponao amin’ny hariva sy maraina.
અરબી તફસીરો:
إِنَّ ٱلَّذِينَ يُجَٰدِلُونَ فِيٓ ءَايَٰتِ ٱللَّهِ بِغَيۡرِ سُلۡطَٰنٍ أَتَىٰهُمۡ إِن فِي صُدُورِهِمۡ إِلَّا كِبۡرٞ مَّا هُم بِبَٰلِغِيهِۚ فَٱسۡتَعِذۡ بِٱللَّهِۖ إِنَّهُۥ هُوَ ٱلسَّمِيعُ ٱلۡبَصِيرُ
Ireo izay miady hevitra momba an’ireo andininy avy amin’I Allah, nefa tsisy porofo tonga tamin’izy ireo akory, dia tsy misy afa-tsy fireharehana ny ao am-pony. Tsy hahatratra ny tanjony izy ireo. Ka mangataha áry fiarovana avy amin’I Allah, satria Izy Ilay mandre sy mahita ny zava-drehetra.
અરબી તફસીરો:
لَخَلۡقُ ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضِ أَكۡبَرُ مِنۡ خَلۡقِ ٱلنَّاسِ وَلَٰكِنَّ أَكۡثَرَ ٱلنَّاسِ لَا يَعۡلَمُونَ
Lehibe kokoa noho ny fahariana ny olombelona ny fahariana ny lanitra sy ny tany. Nefa tsy mahafantatra izany ny ankamaroan’ny olombelona.
અરબી તફસીરો:
وَمَا يَسۡتَوِي ٱلۡأَعۡمَىٰ وَٱلۡبَصِيرُ وَٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ وَعَمِلُواْ ٱلصَّٰلِحَٰتِ وَلَا ٱلۡمُسِيٓءُۚ قَلِيلٗا مَّا تَتَذَكَّرُونَ
Tsy mitovy velively ny jamba sy ny mahiratra, ary tsy afaka hampitahana amin’ny mpanao ratsy ireo izay mino sy manao asa soa. Nefa zara raha misy mahatsiaro ianareo!
અરબી તફસીરો:
 
શબ્દોનું ભાષાંતર સૂરહ: ગાફિર
સૂરહ માટે અનુક્રમણિકા પેજ નંબર
 
કુરઆન મજીદના શબ્દોનું ભાષાંતર - માલાગાશી ભાષામાં અનુવાદ - રવ્વાદ ભાષાંતર કેન્દ્ર - ભાષાંતરોની અનુક્રમણિકા

રુવાદ ભાષાંતર કેન્દ્રની ટીમ દ્વારા અને રબ્વાહ ઇસ્લામિક પ્રચાર કાર્યાલય અને વિવિધ ભાષાઓમાં ઇસ્લામની સામગ્રી પ્રસ્તુત કરતું સંગઠનના સહયોગથી

બંધ કરો