Check out the new design

કુરઆન મજીદના શબ્દોનું ભાષાંતર - માલાગાશી ભાષામાં અનુવાદ - રવ્વાદ ભાષાંતર કેન્દ્ર * - ભાષાંતરોની અનુક્રમણિકા


શબ્દોનું ભાષાંતર સૂરહ: અલ્ અન્આમ   આયત:
وَمَا قَدَرُواْ ٱللَّهَ حَقَّ قَدۡرِهِۦٓ إِذۡ قَالُواْ مَآ أَنزَلَ ٱللَّهُ عَلَىٰ بَشَرٖ مِّن شَيۡءٖۗ قُلۡ مَنۡ أَنزَلَ ٱلۡكِتَٰبَ ٱلَّذِي جَآءَ بِهِۦ مُوسَىٰ نُورٗا وَهُدٗى لِّلنَّاسِۖ تَجۡعَلُونَهُۥ قَرَاطِيسَ تُبۡدُونَهَا وَتُخۡفُونَ كَثِيرٗاۖ وَعُلِّمۡتُم مَّا لَمۡ تَعۡلَمُوٓاْ أَنتُمۡ وَلَآ ءَابَآؤُكُمۡۖ قُلِ ٱللَّهُۖ ثُمَّ ذَرۡهُمۡ فِي خَوۡضِهِمۡ يَلۡعَبُونَ
Tsy nomen’izy ireo lanja Allah araka ny tena maha mendrika Azy rehefa niteny izy ireo nanao hoe : “Tsy nampidina na inona na inona tamin’ny olombelona I Allah”. Teneno hoe : “Iza no nampidina ny boky izay nentin’i Mosesy ho fahazavana sy tari-dàlana ho an’ny olombelona ? Nataonareo an-taratasy fotsiny izany mba hasehonareo, nefa afeninareo ny am-pahany betsaka. Ary ianareo dia nampianarina izay tsy fantatrareo, na ianareo na ny Razambenareo”. Teneno hoe : “Allah”. Ary avelao izy ireo hiala voly amin’ny ady heviny.
અરબી તફસીરો:
وَهَٰذَا كِتَٰبٌ أَنزَلۡنَٰهُ مُبَارَكٞ مُّصَدِّقُ ٱلَّذِي بَيۡنَ يَدَيۡهِ وَلِتُنذِرَ أُمَّ ٱلۡقُرَىٰ وَمَنۡ حَوۡلَهَاۚ وَٱلَّذِينَ يُؤۡمِنُونَ بِٱلۡأٓخِرَةِ يُؤۡمِنُونَ بِهِۦۖ وَهُمۡ عَلَىٰ صَلَاتِهِمۡ يُحَافِظُونَ
Ary ity dia Boky izay nampidininay, feno fahasoavana, manamarina izay efa nisy teo alohany, ary mba hampitandremanao ny Renivohitry ny tanàna (mponin’ny Makkah) sy izay manodidina azy. Ary ireo izay mino ny andro farany dia mino azy (Boky), ary izy ireo dia manatanteraka ny fanompoam-pivavahan'izy ireo (Soalat) an-tsakany sy an-davany.
અરબી તફસીરો:
وَمَنۡ أَظۡلَمُ مِمَّنِ ٱفۡتَرَىٰ عَلَى ٱللَّهِ كَذِبًا أَوۡ قَالَ أُوحِيَ إِلَيَّ وَلَمۡ يُوحَ إِلَيۡهِ شَيۡءٞ وَمَن قَالَ سَأُنزِلُ مِثۡلَ مَآ أَنزَلَ ٱللَّهُۗ وَلَوۡ تَرَىٰٓ إِذِ ٱلظَّٰلِمُونَ فِي غَمَرَٰتِ ٱلۡمَوۡتِ وَٱلۡمَلَٰٓئِكَةُ بَاسِطُوٓاْ أَيۡدِيهِمۡ أَخۡرِجُوٓاْ أَنفُسَكُمُۖ ٱلۡيَوۡمَ تُجۡزَوۡنَ عَذَابَ ٱلۡهُونِ بِمَا كُنتُمۡ تَقُولُونَ عَلَى ٱللَّهِ غَيۡرَ ٱلۡحَقِّ وَكُنتُمۡ عَنۡ ءَايَٰتِهِۦ تَسۡتَكۡبِرُونَ
Ary iza no tena manao ny tsy rariny mihoatra izay mamoron-dainga mahakasik’I Allah, na koa miteny hoe : “Nandefasana fanambarana aho” nefa tsy nandefasana fanambarana akory izy na dia kely aza. Sy izay miteny hoe : “Hampidina mitovy amin’izay nampidinin’I Allah aho”. Raha hitanao ireo mpanao tsy rariny rehefa eo ambavahaonan’ny fahafatesana, ka manolotra ny tànany ireo anjely manao hoe : “Avoahy ny fanahinareo ! Fa androany dia omena anareo ny famaizan’ny fahafaham-baraka nohon'ny tsy marina izay noteneninareo mahakasik’I Allah, ary noho ianareo nanambony tena tamin’ireo famantarany.
અરબી તફસીરો:
وَلَقَدۡ جِئۡتُمُونَا فُرَٰدَىٰ كَمَا خَلَقۡنَٰكُمۡ أَوَّلَ مَرَّةٖ وَتَرَكۡتُم مَّا خَوَّلۡنَٰكُمۡ وَرَآءَ ظُهُورِكُمۡۖ وَمَا نَرَىٰ مَعَكُمۡ شُفَعَآءَكُمُ ٱلَّذِينَ زَعَمۡتُمۡ أَنَّهُمۡ فِيكُمۡ شُرَكَٰٓؤُاْۚ لَقَد تَّقَطَّعَ بَيۡنَكُمۡ وَضَلَّ عَنكُم مَّا كُنتُمۡ تَزۡعُمُونَ
Ary efa tena tonga irery aty Aminay ianareo tahaka ny namoronanay anareo tamin’ny voalohany, ary navelanareo any an-damosinareo izay rehetra nomenay anareo. Ary tsy hitanay miaraka aminareo mihitsy ireo mpanelanelana izay noheverinareo ho mpikambana (amin’I Allah). Tena efa tapaka ny fifandraisana nisy taminareo, ary niala lavitra anareo izay noheverinareo (ho mpanelanelana).
અરબી તફસીરો:
 
શબ્દોનું ભાષાંતર સૂરહ: અલ્ અન્આમ
સૂરહ માટે અનુક્રમણિકા પેજ નંબર
 
કુરઆન મજીદના શબ્દોનું ભાષાંતર - માલાગાશી ભાષામાં અનુવાદ - રવ્વાદ ભાષાંતર કેન્દ્ર - ભાષાંતરોની અનુક્રમણિકા

રુવાદ ભાષાંતર કેન્દ્રની ટીમ દ્વારા અને રબ્વાહ ઇસ્લામિક પ્રચાર કાર્યાલય અને વિવિધ ભાષાઓમાં ઇસ્લામની સામગ્રી પ્રસ્તુત કરતું સંગઠનના સહયોગથી

બંધ કરો