Check out the new design

કુરઆન મજીદના શબ્દોનું ભાષાંતર - માલાગાશી ભાષામાં અનુવાદ - રવ્વાદ ભાષાંતર કેન્દ્ર * - ભાષાંતરોની અનુક્રમણિકા


શબ્દોનું ભાષાંતર સૂરહ: અલ્ અન્આમ   આયત:
فَمَن يُرِدِ ٱللَّهُ أَن يَهۡدِيَهُۥ يَشۡرَحۡ صَدۡرَهُۥ لِلۡإِسۡلَٰمِۖ وَمَن يُرِدۡ أَن يُضِلَّهُۥ يَجۡعَلۡ صَدۡرَهُۥ ضَيِّقًا حَرَجٗا كَأَنَّمَا يَصَّعَّدُ فِي ٱلسَّمَآءِۚ كَذَٰلِكَ يَجۡعَلُ ٱللَّهُ ٱلرِّجۡسَ عَلَى ٱلَّذِينَ لَا يُؤۡمِنُونَ
Ary izay tian’I Allah ny hitari-dalana azy dia sokafany ny tratrany ho amin’ny silamo, ary izay tiany ho verezina kosa dia ataony tery sy voahelingelina ny tratrany toy ny miezaka miakatra eny an-danitra. Tahaka izany no hanaovan’I Allah sazy ho an’ireo izay tsy mino.
અરબી તફસીરો:
وَهَٰذَا صِرَٰطُ رَبِّكَ مُسۡتَقِيمٗاۗ قَدۡ فَصَّلۡنَا ٱلۡأٓيَٰتِ لِقَوۡمٖ يَذَّكَّرُونَ
Izany no lalan’ny Tomponao izay mahitsy tokoa. Efa nohazavanay amin’ny antsipiriany ireo famantarana ho an’ny vahoaka izay mahatsiaro.
અરબી તફસીરો:
۞ لَهُمۡ دَارُ ٱلسَّلَٰمِ عِندَ رَبِّهِمۡۖ وَهُوَ وَلِيُّهُم بِمَا كَانُواْ يَعۡمَلُونَ
Ho azy ireo ny fonenan’ny fiadanana eo anatrehan’ny Tompon’izy ireo, Izy no Mpiahy azy ireo nohon’ny asa izay nataony.
અરબી તફસીરો:
وَيَوۡمَ يَحۡشُرُهُمۡ جَمِيعٗا يَٰمَعۡشَرَ ٱلۡجِنِّ قَدِ ٱسۡتَكۡثَرۡتُم مِّنَ ٱلۡإِنسِۖ وَقَالَ أَوۡلِيَآؤُهُم مِّنَ ٱلۡإِنسِ رَبَّنَا ٱسۡتَمۡتَعَ بَعۡضُنَا بِبَعۡضٖ وَبَلَغۡنَآ أَجَلَنَا ٱلَّذِيٓ أَجَّلۡتَ لَنَاۚ قَالَ ٱلنَّارُ مَثۡوَىٰكُمۡ خَٰلِدِينَ فِيهَآ إِلَّا مَا شَآءَ ٱللَّهُۚ إِنَّ رَبَّكَ حَكِيمٌ عَلِيمٞ
Ary amin’ny andro hamoriany azy rehetra ireo : “Oh ry vondron’ny Djiny ! Nanararaotra loatra tamin’ny olombelona ianareo !” Dia hiteny ireo sakaizan’izy ireo amin’ny olombelona manao hoe : “Tomponay O ! Samy nahazo tombontsoa daholo izahay, ny andaniny sy ny ankilany. Ary tratranay ny fe-potoana izay noferanao ho anay”. Hiteny Izy manao hoe : “Ny Afobe no fonenanareo, hitoetra ao mandrakizay ianareo afa-tsy izay sitrak’I Allah”. Marina fa ny Tomponao dia be Fahendrena sy Mahalala ny zava-drehetra.
અરબી તફસીરો:
وَكَذَٰلِكَ نُوَلِّي بَعۡضَ ٱلظَّٰلِمِينَ بَعۡضَۢا بِمَا كَانُواْ يَكۡسِبُونَ
Tahaka izany no hanomezanay fahefana ny sasany amin’ireo mpanao ny tsy rariny manoloana ny sasany, noho izay nataon’izy ireo.
અરબી તફસીરો:
يَٰمَعۡشَرَ ٱلۡجِنِّ وَٱلۡإِنسِ أَلَمۡ يَأۡتِكُمۡ رُسُلٞ مِّنكُمۡ يَقُصُّونَ عَلَيۡكُمۡ ءَايَٰتِي وَيُنذِرُونَكُمۡ لِقَآءَ يَوۡمِكُمۡ هَٰذَاۚ قَالُواْ شَهِدۡنَا عَلَىٰٓ أَنفُسِنَاۖ وَغَرَّتۡهُمُ ٱلۡحَيَوٰةُ ٱلدُّنۡيَا وَشَهِدُواْ عَلَىٰٓ أَنفُسِهِمۡ أَنَّهُمۡ كَانُواْ كَٰفِرِينَ
Oh ry vondron’ny Djiny sy olombelona ! Moa ve tsy tonga teo aminareo ireo Iraka avy taminareo, nitantara taminareo ireo fanambarako sy nampitandrina anareo mahakasika ny fihaonana amin’izao andronareo izao ? Dia hiteny izy ireo manao hoe : “Mijoro vavolombelona amin’ny fiampangana ny tenanay izahay”. Voafitaky ny fiainana an-tany izy ireo ary nijoro vavolombelona amin’ny fiampangana ny tenan’izy ireo fa nitsipaka.
અરબી તફસીરો:
 
શબ્દોનું ભાષાંતર સૂરહ: અલ્ અન્આમ
સૂરહ માટે અનુક્રમણિકા પેજ નંબર
 
કુરઆન મજીદના શબ્દોનું ભાષાંતર - માલાગાશી ભાષામાં અનુવાદ - રવ્વાદ ભાષાંતર કેન્દ્ર - ભાષાંતરોની અનુક્રમણિકા

રુવાદ ભાષાંતર કેન્દ્રની ટીમ દ્વારા અને રબ્વાહ ઇસ્લામિક પ્રચાર કાર્યાલય અને વિવિધ ભાષાઓમાં ઇસ્લામની સામગ્રી પ્રસ્તુત કરતું સંગઠનના સહયોગથી

બંધ કરો