Check out the new design

क़ुरआन के अर्थों का अनुवाद - मालागासी अनुवाद - अनुवाद अग्रदूत केंद्र * - अनुवादों की सूची


अर्थों का अनुवाद सूरा: हूद   आयत:
أَمۡ يَقُولُونَ ٱفۡتَرَىٰهُۖ قُلۡ فَأۡتُواْ بِعَشۡرِ سُوَرٖ مِّثۡلِهِۦ مُفۡتَرَيَٰتٖ وَٱدۡعُواْ مَنِ ٱسۡتَطَعۡتُم مِّن دُونِ ٱللَّهِ إِن كُنتُمۡ صَٰدِقِينَ
Na koa hiteny izy ireo hanao hoe : " Noforonony izany (koroany) izany. Lazao hoe : " Mitondraha àry Ianareo toko folo mitovy amin’ity, izay noforoninareo, ary antsoy izay afaka hanampy Anareo ankoatr’i Allah raha marina ny teninareo.
अरबी तफ़सीरें:
فَإِلَّمۡ يَسۡتَجِيبُواْ لَكُمۡ فَٱعۡلَمُوٓاْ أَنَّمَآ أُنزِلَ بِعِلۡمِ ٱللَّهِ وَأَن لَّآ إِلَٰهَ إِلَّا هُوَۖ فَهَلۡ أَنتُم مُّسۡلِمُونَ
Raha toa ka tsy namaly Anareo izy ireo, dia fantaro fa tena nampidinina tamin’ny alalan’ny fahalalan’i Allah tokoa izany, ary tsy misy zanahary hafa afa-tsy Izy ihany. Ka moa ve manaiky Azy tanteraka Ianareo ?
अरबी तफ़सीरें:
مَن كَانَ يُرِيدُ ٱلۡحَيَوٰةَ ٱلدُّنۡيَا وَزِينَتَهَا نُوَفِّ إِلَيۡهِمۡ أَعۡمَٰلَهُمۡ فِيهَا وَهُمۡ فِيهَا لَا يُبۡخَسُونَ
Ireo izay mila ny fiainana eto an-tany sy ny haingony, dia omenay azy ireo ny valin’asany feno tanteraka fony mbola eto ambony tany, ary tsy misy hanalana na dia kely aza ny valisoan’izy ireo.
अरबी तफ़सीरें:
أُوْلَٰٓئِكَ ٱلَّذِينَ لَيۡسَ لَهُمۡ فِي ٱلۡأٓخِرَةِ إِلَّا ٱلنَّارُۖ وَحَبِطَ مَا صَنَعُواْ فِيهَا وَبَٰطِلٞ مَّا كَانُواْ يَعۡمَلُونَ
Izy ireny dia tsy manana anjara intsony any an-koatra afa-tsy ny Afobe, ary rava daholo izay rehetra nataon’izy ireo, ka lasa zava-poana avokoa izay rehetra nataon'izy ireo.
अरबी तफ़सीरें:
أَفَمَن كَانَ عَلَىٰ بَيِّنَةٖ مِّن رَّبِّهِۦ وَيَتۡلُوهُ شَاهِدٞ مِّنۡهُ وَمِن قَبۡلِهِۦ كِتَٰبُ مُوسَىٰٓ إِمَامٗا وَرَحۡمَةًۚ أُوْلَٰٓئِكَ يُؤۡمِنُونَ بِهِۦۚ وَمَن يَكۡفُرۡ بِهِۦ مِنَ ٱلۡأَحۡزَابِ فَٱلنَّارُ مَوۡعِدُهُۥۚ فَلَا تَكُ فِي مِرۡيَةٖ مِّنۡهُۚ إِنَّهُ ٱلۡحَقُّ مِن رَّبِّكَ وَلَٰكِنَّ أَكۡثَرَ ٱلنَّاسِ لَا يُؤۡمِنُونَ
Inona no ho tenenina amin’izay miorina amin’ny porofo mazava (koroany) avy amin’ny Tompony ary mamaky izany ny vavolombelona avy Aminy (Anjely Gabriela), nefa talohany (Mohammad) nisy ny Bokin’i Mosa ho mpitarika sy ho famindra-po (no tsara kokoa sa izay tsy miorina amin’ny porofo mazava). Izy ireny no tena mino Azy (ny koroany), ary izay tsy mino Azy amin’ireo vondron’olona, dia ny Afobe no toeram-pihaonany. Aoka Ianao tsy hanana fisalasalana momba Azy intsony (koroany), izany no fahamarinana avy amin’ny Tomponao; nefa ny ankamaroan’ny olona dia tsy mino izany.
अरबी तफ़सीरें:
وَمَنۡ أَظۡلَمُ مِمَّنِ ٱفۡتَرَىٰ عَلَى ٱللَّهِ كَذِبًاۚ أُوْلَٰٓئِكَ يُعۡرَضُونَ عَلَىٰ رَبِّهِمۡ وَيَقُولُ ٱلۡأَشۡهَٰدُ هَٰٓؤُلَآءِ ٱلَّذِينَ كَذَبُواْ عَلَىٰ رَبِّهِمۡۚ أَلَا لَعۡنَةُ ٱللَّهِ عَلَى ٱلظَّٰلِمِينَ
Ary iza no manao ny tsy rariny indrindra mihoatra ny olona mamoron-dainga mahakasika i Allah ? Izy ireny dia haseho amin’ny Tompony, ka hilaza ireo vavolombelona (Anjely) hanao hoe : " Izy ireo no namoron-dainga mahakasika ny Tompon’izy ireo ”. Hiantefa amin’ireo mpanao ny tsy rariny anie ny ozon’i Allah,
अरबी तफ़सीरें:
ٱلَّذِينَ يَصُدُّونَ عَن سَبِيلِ ٱللَّهِ وَيَبۡغُونَهَا عِوَجٗا وَهُم بِٱلۡأٓخِرَةِ هُمۡ كَٰفِرُونَ
Ireo izay manakana ny làlan’i Allah ka mitady ny hamilivily izany, izy ireo dia tsy mino ny any an-koatra.
अरबी तफ़सीरें:
 
अर्थों का अनुवाद सूरा: हूद
सूरों की सूची पृष्ठ संख्या
 
क़ुरआन के अर्थों का अनुवाद - मालागासी अनुवाद - अनुवाद अग्रदूत केंद्र - अनुवादों की सूची

अनुवाद अनुवाद अग्रदूत केंद्र द्वारा नियुक्त एक समूह ने अल-रब्वाह आह्वान संस्था और भाषाओं में इस्लामिक सामग्री की सेवा करने वाली संस्था के सहयोग से किया है।

बंद करें