Check out the new design

क़ुरआन के अर्थों का अनुवाद - मालागासी अनुवाद - अनुवाद अग्रदूत केंद्र * - अनुवादों की सूची


अर्थों का अनुवाद सूरा: हूद   आयत:
إِن نَّقُولُ إِلَّا ٱعۡتَرَىٰكَ بَعۡضُ ءَالِهَتِنَا بِسُوٓءٖۗ قَالَ إِنِّيٓ أُشۡهِدُ ٱللَّهَ وَٱشۡهَدُوٓاْ أَنِّي بَرِيٓءٞ مِّمَّا تُشۡرِكُونَ
Hany ka mba ho teneninay Aminao kosa dia nampalahelo Anao ny ratsy nataon’ny sasany tamin’ireo sampinay ”. Ka nilaza izy nanao hoe : " Izaho dia mandray an’i Allah ho vavolombelona, ary aoka Ianareo ho vavolombelona koa, satria hamafisina,fa mandà izay atambatrareo Aminy Aho.
अरबी तफ़सीरें:
مِن دُونِهِۦۖ فَكِيدُونِي جَمِيعٗا ثُمَّ لَا تُنظِرُونِ
Ankoatra Azy. Ampiasao Amiko daholo àry ny tetika, ary aza omenareo fotoana hiandrasana Aho.
अरबी तफ़सीरें:
إِنِّي تَوَكَّلۡتُ عَلَى ٱللَّهِ رَبِّي وَرَبِّكُمۚ مَّا مِن دَآبَّةٍ إِلَّا هُوَ ءَاخِذُۢ بِنَاصِيَتِهَآۚ إِنَّ رَبِّي عَلَىٰ صِرَٰطٖ مُّسۡتَقِيمٖ
Apetrako amin’i Allah, ilay Tompoko sy Tomponareo ny fitokisana. Tsy misy zava-manan’aina izay tsy ho eo ambany fahefany. Tena marina fa ny Tompoko dia amin’ny làla-mahitsy.
अरबी तफ़सीरें:
فَإِن تَوَلَّوۡاْ فَقَدۡ أَبۡلَغۡتُكُم مَّآ أُرۡسِلۡتُ بِهِۦٓ إِلَيۡكُمۡۚ وَيَسۡتَخۡلِفُ رَبِّي قَوۡمًا غَيۡرَكُمۡ وَلَا تَضُرُّونَهُۥ شَيۡـًٔاۚ إِنَّ رَبِّي عَلَىٰ كُلِّ شَيۡءٍ حَفِيظٞ
Raha mitodi-damosina kosa Ianareo…, dia efa nampitaiko Taminareo (ny hafatra) izay nanirahana Ahy Taminareo. Ary hanolo vahoaka hafa ankoatra Anareo ny Tompoko, ka tsy havita na inona na inona na dia kely Aminy aza Ianareo. Tena marina fa ny Tompoko no Mpiambina tsara indrindra ny zava-drehetra.
अरबी तफ़सीरें:
وَلَمَّا جَآءَ أَمۡرُنَا نَجَّيۡنَا هُودٗا وَٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ مَعَهُۥ بِرَحۡمَةٖ مِّنَّا وَنَجَّيۡنَٰهُم مِّنۡ عَذَابٍ غَلِيظٖ
Ary rehefa tonga ny didinay, dia novonjenay i Hody tamin’ny alalan’ny famindram-po avy Taminay, sy ireo izay nino niaraka Taminy. Ary navotanay tamin’ny sazy henjana izy ireo.
अरबी तफ़सीरें:
وَتِلۡكَ عَادٞۖ جَحَدُواْ بِـَٔايَٰتِ رَبِّهِمۡ وَعَصَوۡاْ رُسُلَهُۥ وَٱتَّبَعُوٓاْ أَمۡرَ كُلِّ جَبَّارٍ عَنِيدٖ
Indro ireo (vahoaka) Andy, nandà ireo famantarana avy amin’ny Tompon’izy ireo, tsy nankato ireo Irany fa nanaraka kosa ny didin’ireo mpanefoefo mahery loha.
अरबी तफ़सीरें:
وَأُتۡبِعُواْ فِي هَٰذِهِ ٱلدُّنۡيَا لَعۡنَةٗ وَيَوۡمَ ٱلۡقِيَٰمَةِۗ أَلَآ إِنَّ عَادٗا كَفَرُواْ رَبَّهُمۡۗ أَلَا بُعۡدٗا لِّعَادٖ قَوۡمِ هُودٖ
Ary narahana ozona izy ireo eto ambonin’ny tany sy amin’ny Andro Fitsanganana.Tena marina fa ireo Andy dia tsy nino ny Tompony. Ho ringana tanteraka anie ireo foko Andy izay vahoakan’i Hody !
अरबी तफ़सीरें:
۞ وَإِلَىٰ ثَمُودَ أَخَاهُمۡ صَٰلِحٗاۚ قَالَ يَٰقَوۡمِ ٱعۡبُدُواْ ٱللَّهَ مَا لَكُم مِّنۡ إِلَٰهٍ غَيۡرُهُۥۖ هُوَ أَنشَأَكُم مِّنَ ٱلۡأَرۡضِ وَٱسۡتَعۡمَرَكُمۡ فِيهَا فَٱسۡتَغۡفِرُوهُ ثُمَّ تُوبُوٓاْ إِلَيۡهِۚ إِنَّ رَبِّي قَرِيبٞ مُّجِيبٞ
Ary (nalefanay) tamin’ireo foko Samody, ny ralahin’izy ireo Soalihy, izay nilaza ka nanao hoe : " Oh ry vahoakako ! tompoinareo i Allah. Tsy manana Zanahary hafa afa-tsy Izy ihany ianareo. Avy tamin’ny tany no nahariany Anareo, ary nataony ho nameno izany (tany) Ianareo. Koa mangataha famelan-keloka Aminy àry Ianareo, avy eo dia mibebaha Aminy Ihany koa. Tena marina fa ny Tompoko dia akaiky, ary mamaly lalandava ny hataka.
अरबी तफ़सीरें:
قَالُواْ يَٰصَٰلِحُ قَدۡ كُنتَ فِينَا مَرۡجُوّٗا قَبۡلَ هَٰذَآۖ أَتَنۡهَىٰنَآ أَن نَّعۡبُدَ مَا يَعۡبُدُ ءَابَآؤُنَا وَإِنَّنَا لَفِي شَكّٖ مِّمَّا تَدۡعُونَآ إِلَيۡهِ مُرِيبٖ
Namaly izy ireo ka nanao hoe : " Oh ry Soalihy ! taloha Ianao dia fanantenana tokoa ho Anay. Moa ve raranao Izahay hanompo izay efa notompoin’ny Razambenay ? Ankehitriny Izahay, dia hipetrahan’ny fisalasalana fatratra mahakasika izay hiantsoanao Anay.
अरबी तफ़सीरें:
 
अर्थों का अनुवाद सूरा: हूद
सूरों की सूची पृष्ठ संख्या
 
क़ुरआन के अर्थों का अनुवाद - मालागासी अनुवाद - अनुवाद अग्रदूत केंद्र - अनुवादों की सूची

इसका अनुवाद, अनुवाद अग्रदूत केंद्र द्वारा नियुक्त एक समूह ने अल-रब्वाह आह्वान संस्था और भाषाओं में इस्लामिक सामग्री की सेवा करने वाली संस्था के सहयोग से किया है।

बंद करें