Check out the new design

വിശുദ്ധ ഖുർആൻ പരിഭാഷ - മലഗാസി വിവർത്തനം - റുവ്വാദ് തർജമ സെൻ്റർ * - വിവർത്തനങ്ങളുടെ സൂചിക


പരിഭാഷ അദ്ധ്യായം: ത്വാഹാ   ആയത്ത്:
قَالُواْ يَٰمُوسَىٰٓ إِمَّآ أَن تُلۡقِيَ وَإِمَّآ أَن نَّكُونَ أَوَّلَ مَنۡ أَلۡقَىٰ
Niteny izy ireo ka nanao hoe : “ Ô ry Mosa ! Na Ianao no hanipy (ny tehinao), na Izahay no hanipy voalohany ”.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
قَالَ بَلۡ أَلۡقُواْۖ فَإِذَا حِبَالُهُمۡ وَعِصِيُّهُمۡ يُخَيَّلُ إِلَيۡهِ مِن سِحۡرِهِمۡ أَنَّهَا تَسۡعَىٰ
Namaly izy hoe : “Atsipazo ny anareo”. Ka indro ny tadin’izy ireo sy ny tehin’izy ireo, fa toa hitany mandady, vokatry ny majikan’izy ireo.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
فَأَوۡجَسَ فِي نَفۡسِهِۦ خِيفَةٗ مُّوسَىٰ
Ka nahatsiaro nisy tahotra ihany i Mosa tao amin’ny tenany.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
قُلۡنَا لَا تَخَفۡ إِنَّكَ أَنتَ ٱلۡأَعۡلَىٰ
Dia niteny Taminy Izahay ka nanao hoe : “ Aza matahotra ! Fa Ianao no ambony indrindra ”.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَأَلۡقِ مَا فِي يَمِينِكَ تَلۡقَفۡ مَا صَنَعُوٓاْۖ إِنَّمَا صَنَعُواْ كَيۡدُ سَٰحِرٖۖ وَلَا يُفۡلِحُ ٱلسَّاحِرُ حَيۡثُ أَتَىٰ
Ary atsipazo izay eo amin’ny tànanao havanana, hitelina izay namboarin’izy ireo izany. Tena marina fa izay namboarin’izy ireo dia hevi-petsin’ny mpanao majika. Ary ny mpanao majika dia tsy ahita fahombiazana n'aiza n'aiza misy azy.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
فَأُلۡقِيَ ٱلسَّحَرَةُ سُجَّدٗا قَالُوٓاْ ءَامَنَّا بِرَبِّ هَٰرُونَ وَمُوسَىٰ
Indro fa niantoraka ka niankohoka ireo mpanao majika, sady niteny nanao hoe : “ Mino ny Tompon’i Harona sy Mosa Izahay ”.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
قَالَ ءَامَنتُمۡ لَهُۥ قَبۡلَ أَنۡ ءَاذَنَ لَكُمۡۖ إِنَّهُۥ لَكَبِيرُكُمُ ٱلَّذِي عَلَّمَكُمُ ٱلسِّحۡرَۖ فَلَأُقَطِّعَنَّ أَيۡدِيَكُمۡ وَأَرۡجُلَكُم مِّنۡ خِلَٰفٖ وَلَأُصَلِّبَنَّكُمۡ فِي جُذُوعِ ٱلنَّخۡلِ وَلَتَعۡلَمُنَّ أَيُّنَآ أَشَدُّ عَذَابٗا وَأَبۡقَىٰ
Niteny i Faraona ka nanao hoe :“ Nino azy ve Ianareo alohan’ny hanomezako alàlana Anareo ? Tena marina fa Izy no tena lehibenareo izay nampianatra Anareo ny majika. Noho izany, dia tena ho tapatapahiko ny tànanareo sy ny tongotrareo mifanohitra amin’ny andaniny avy, avy eo dia hofantsihiko amin’ireo vatan-kazo palma Ianareo,ka ho fantatrareo, iza no tena mafy famaizana indrindra Amintsika sy aharitra kokoa ”.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
قَالُواْ لَن نُّؤۡثِرَكَ عَلَىٰ مَا جَآءَنَا مِنَ ٱلۡبَيِّنَٰتِ وَٱلَّذِي فَطَرَنَاۖ فَٱقۡضِ مَآ أَنتَ قَاضٍۖ إِنَّمَا تَقۡضِي هَٰذِهِ ٱلۡحَيَوٰةَ ٱلدُّنۡيَآ
Niteny izy ireo ka nanao hoe : “ Tsy ho tianay kokoa na oviana na oviana, noho ireo porofo mazava tonga Aminay Ianao, amin’ny Anaran’Ilay Nahary Anay. Tanteraho àry izay didy Tianao ampiharina. Fa ny didinao dia tsy mahakasika afa-tsy ny fiainana eto an-tany ihany ”.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
إِنَّآ ءَامَنَّا بِرَبِّنَا لِيَغۡفِرَ لَنَا خَطَٰيَٰنَا وَمَآ أَكۡرَهۡتَنَا عَلَيۡهِ مِنَ ٱلسِّحۡرِۗ وَٱللَّهُ خَيۡرٞ وَأَبۡقَىٰٓ
“ Tena marina fa mino ny Tomponay Izahay, mba hamelany ny helokay amin’ireo hadisoana nataonay, sy amin’ny majika izay nanerenao Anay. Ary i Allah no mendrika indrindra sy mandrakizay ”.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
إِنَّهُۥ مَن يَأۡتِ رَبَّهُۥ مُجۡرِمٗا فَإِنَّ لَهُۥ جَهَنَّمَ لَا يَمُوتُ فِيهَا وَلَا يَحۡيَىٰ
Tena marina fa, n'iza n'iza manatona ny Tompony ka nanao heloka be vava, dia ho azy ny afobe. Ary tsy maty izy ao, no sady tsy velona.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَمَن يَأۡتِهِۦ مُؤۡمِنٗا قَدۡ عَمِلَ ٱلصَّٰلِحَٰتِ فَأُوْلَٰٓئِكَ لَهُمُ ٱلدَّرَجَٰتُ ٱلۡعُلَىٰ
Ary izay manatona Azy, ka nino no sady nanao ny asa soa, izy ireny no hanana ny laharana ambony.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
جَنَّٰتُ عَدۡنٖ تَجۡرِي مِن تَحۡتِهَا ٱلۡأَنۡهَٰرُ خَٰلِدِينَ فِيهَاۚ وَذَٰلِكَ جَزَآءُ مَن تَزَكَّىٰ
Ireo zaridainan’i Edena izay misy renirano mikoriana eo ambaniny, hitoetra ao mandrakizay izy ireo, ary izany dia valisoan’ireo izay nanadio (ny fanahiny).
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
 
പരിഭാഷ അദ്ധ്യായം: ത്വാഹാ
സൂറത്തുകളുടെ സൂചിക പേജ് നമ്പർ
 
വിശുദ്ധ ഖുർആൻ പരിഭാഷ - മലഗാസി വിവർത്തനം - റുവ്വാദ് തർജമ സെൻ്റർ - വിവർത്തനങ്ങളുടെ സൂചിക

റബ്‌വ ഇസ്‌ലാമിക് ദഅ്വാ ആൻഡ് ഗൈഡൻസ് സെൻററിൻ്റെയും കോൺടെന്റ് ഇൻ ലാംഗ്വേജസ് സർവീസ് അസോസിയേഷൻ്റെയും സഹകരണത്തോടെ മർകസ് റുവാദ് തർജമ വിഭാഗം വിവർത്തനം ചെയ്തത്.

അടക്കുക