Check out the new design

വിശുദ്ധ ഖുർആൻ പരിഭാഷ - മലഗാസി വിവർത്തനം - റുവ്വാദ് തർജമ സെൻ്റർ * - വിവർത്തനങ്ങളുടെ സൂചിക


പരിഭാഷ അദ്ധ്യായം: ത്വാഹാ   ആയത്ത്:
فَأَخۡرَجَ لَهُمۡ عِجۡلٗا جَسَدٗا لَّهُۥ خُوَارٞ فَقَالُواْ هَٰذَآ إِلَٰهُكُمۡ وَإِلَٰهُ مُوسَىٰ فَنَسِيَ
Dia namoaka sarin-janak’omby lahy (volamena) avy tamin’izany ho azy ireo Izy, vatana mitrena. Ary niteny izy ireo ka nanao hoe : “ Io no Zanaharinareo sy Zanaharin’i Mosa, fa izy no nanadino ”.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
أَفَلَا يَرَوۡنَ أَلَّا يَرۡجِعُ إِلَيۡهِمۡ قَوۡلٗا وَلَا يَمۡلِكُ لَهُمۡ ضَرّٗا وَلَا نَفۡعٗا
Fa nahoana ! Tsy hitanareo ve, fa tsy miteny Izy io (zanak’omby lahy volamena), ary tsy manana fahefana hanisy ratsy na hanao soa azy ireo akory Izy ?
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَلَقَدۡ قَالَ لَهُمۡ هَٰرُونُ مِن قَبۡلُ يَٰقَوۡمِ إِنَّمَا فُتِنتُم بِهِۦۖ وَإِنَّ رَبَّكُمُ ٱلرَّحۡمَٰنُ فَٱتَّبِعُونِي وَأَطِيعُوٓاْ أَمۡرِي
Ary efa tena niteny mialoha tamin’izy ireo i Harona ka nanao hoe : “ Ô ry vahoakako, tena latsaka tao amin’ny fakam-panahy Ianareo (nohon'ny zanak’omby volamena), nefa ny marina dia ilay be Fiantrana no Tomponareo. koa manaraha Ahy Ianareo, ary ankatoavy ny didiko ”.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
قَالُواْ لَن نَّبۡرَحَ عَلَيۡهِ عَٰكِفِينَ حَتَّىٰ يَرۡجِعَ إِلَيۡنَا مُوسَىٰ
Niteny izy ireo ka nanao hoe : “ Tsy hitsahatra ny hifikitra amin’io Izahay, raha tsy miverina aty Aminay i Mosa”.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
قَالَ يَٰهَٰرُونُ مَا مَنَعَكَ إِذۡ رَأَيۡتَهُمۡ ضَلُّوٓاْ
Niteny i Mosa KA nanao hoe : “ Ô ry Harona ! Inona no nisakana Anao (tsy handrara azy ireo) rehefa hitanao fa diso làlana izy ireo ? ”
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
أَلَّا تَتَّبِعَنِۖ أَفَعَصَيۡتَ أَمۡرِي
Moa ve tsy manaraka Ahy Ianao ? Sa tsy nankatoavinao ny didiko ?
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
قَالَ يَبۡنَؤُمَّ لَا تَأۡخُذۡ بِلِحۡيَتِي وَلَا بِرَأۡسِيٓۖ إِنِّي خَشِيتُ أَن تَقُولَ فَرَّقۡتَ بَيۡنَ بَنِيٓ إِسۡرَٰٓءِيلَ وَلَمۡ تَرۡقُبۡ قَوۡلِي
Niteny izy (Harona) nanao hoe : “O ry zanaky ny reniko ! Aza raisinao amin’ny volom-bavako aho, na amin’ny lohako. Matahotra aho ny hitenenanao hoe : “Nozarazarainao ireo zanak’Israely, ary tsy nanatanteraka ny teniko ianao”.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
قَالَ فَمَا خَطۡبُكَ يَٰسَٰمِرِيُّ
Niteny Izy (Mosa) ka nanao hoe : “ Fa inona no zavatra tetehinao ry Samiry ?
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
قَالَ بَصُرۡتُ بِمَا لَمۡ يَبۡصُرُواْ بِهِۦ فَقَبَضۡتُ قَبۡضَةٗ مِّنۡ أَثَرِ ٱلرَّسُولِ فَنَبَذۡتُهَا وَكَذَٰلِكَ سَوَّلَتۡ لِي نَفۡسِي
Niteny Izy (Samiry) ka nanao hoe : “ Nahita izay tsy hitan’izy ireo Aho, ka naka eran’ny tànana tamin’ny dian’ilay Iraka Aho ; avy eo, dia nafafiko izany.Tahaka izany no bitsiky ny fanahy Tamiko ”
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
قَالَ فَٱذۡهَبۡ فَإِنَّ لَكَ فِي ٱلۡحَيَوٰةِ أَن تَقُولَ لَا مِسَاسَۖ وَإِنَّ لَكَ مَوۡعِدٗا لَّن تُخۡلَفَهُۥۖ وَٱنظُرۡ إِلَىٰٓ إِلَٰهِكَ ٱلَّذِي ظَلۡتَ عَلَيۡهِ عَاكِفٗاۖ لَّنُحَرِّقَنَّهُۥ ثُمَّ لَنَنسِفَنَّهُۥ فِي ٱلۡيَمِّ نَسۡفًا
Niteny izy (Mosa) hoe : “Mandehana ianao. Amin’ny fiainana, toy izao hatrany no teneninao (amin’ny olona rehetra) : “Aza mikasika Ahy (ianareo) ! ”. Ary hisy fe-potoana omena anao izay tsy azonao hidovirana. Jereo ny Zanaharinao izay nofikirinao fatratra, fa ho doranay tokoa izy, ary hafafinay (ny lavenony) any amin’ireo onjan-dranomasina.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
إِنَّمَآ إِلَٰهُكُمُ ٱللَّهُ ٱلَّذِي لَآ إِلَٰهَ إِلَّا هُوَۚ وَسِعَ كُلَّ شَيۡءٍ عِلۡمٗا
Tena marina, fa i Allah no Zanaharinareo, tsy misy Zanahary hafa afa-tsy Izy ihany. Manenika ny zava-drehetra ny Fahalalany.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
 
പരിഭാഷ അദ്ധ്യായം: ത്വാഹാ
സൂറത്തുകളുടെ സൂചിക പേജ് നമ്പർ
 
വിശുദ്ധ ഖുർആൻ പരിഭാഷ - മലഗാസി വിവർത്തനം - റുവ്വാദ് തർജമ സെൻ്റർ - വിവർത്തനങ്ങളുടെ സൂചിക

റബ്‌വ ഇസ്‌ലാമിക് ദഅ്വാ ആൻഡ് ഗൈഡൻസ് സെൻററിൻ്റെയും കോൺടെന്റ് ഇൻ ലാംഗ്വേജസ് സർവീസ് അസോസിയേഷൻ്റെയും സഹകരണത്തോടെ മർകസ് റുവാദ് തർജമ വിഭാഗം വിവർത്തനം ചെയ്തത്.

അടക്കുക