Check out the new design

വിശുദ്ധ ഖുർആൻ പരിഭാഷ - മലഗാസി വിവർത്തനം - റുവ്വാദ് തർജമ സെൻ്റർ * - വിവർത്തനങ്ങളുടെ സൂചിക


പരിഭാഷ അദ്ധ്യായം: ത്വാഹാ   ആയത്ത്:
وَلَقَدۡ أَوۡحَيۡنَآ إِلَىٰ مُوسَىٰٓ أَنۡ أَسۡرِ بِعِبَادِي فَٱضۡرِبۡ لَهُمۡ طَرِيقٗا فِي ٱلۡبَحۡرِ يَبَسٗا لَّا تَخَٰفُ دَرَكٗا وَلَا تَخۡشَىٰ
Ary nolazainay tamin’i Mosa ny hoe : “ Mandehana amin’ny alina, miaraka amin’ireo mpanompoko Ianao, ka kapohy ny ranomasina ho làlan’izy ireo. Aza matahotra ny fanenjehana, ary aza manahy Ianao ! ”
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
فَأَتۡبَعَهُمۡ فِرۡعَوۡنُ بِجُنُودِهِۦ فَغَشِيَهُم مِّنَ ٱلۡيَمِّ مَا غَشِيَهُمۡ
Ka nanenjika azy ireo i Faraona niaraka tamin’ireo miaramilany, nefa voarakotry ny ranomasina tanteraka izy ireo.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَأَضَلَّ فِرۡعَوۡنُ قَوۡمَهُۥ وَمَا هَدَىٰ
Ary noverezin’i Faraona ny vahoakany, ka tsy notarihiny tamin’ny làla-mahitsy.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
يَٰبَنِيٓ إِسۡرَٰٓءِيلَ قَدۡ أَنجَيۡنَٰكُم مِّنۡ عَدُوِّكُمۡ وَوَٰعَدۡنَٰكُمۡ جَانِبَ ٱلطُّورِ ٱلۡأَيۡمَنَ وَنَزَّلۡنَا عَلَيۡكُمُ ٱلۡمَنَّ وَٱلسَّلۡوَىٰ
Ô ry Zanakan’Israely ! Efa navotanay teo amin’ny fahavalonareo Ianareo, ary efa nomenay fotoana teo amin’ny ilany havanan’ny tendrombohitra Tora ihany koa Ianareo, ary mbola nampidininay Taminareo ny mana sy ireo mpapelika.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
كُلُواْ مِن طَيِّبَٰتِ مَا رَزَقۡنَٰكُمۡ وَلَا تَطۡغَوۡاْ فِيهِ فَيَحِلَّ عَلَيۡكُمۡ غَضَبِيۖ وَمَن يَحۡلِلۡ عَلَيۡهِ غَضَبِي فَقَدۡ هَوَىٰ
Mihinàna Ianareo amin’ireo sakafo tsara izay anjara nomenay Anareo. Ary aza mihoa-pefy amin’izany Ianareo, raha tsy izany, dia hianjera Aminareo ny hatezerako. Fa izay hianjeran’ny hatezerako, dia mankany amin’ny fahapotehana tanteraka.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَإِنِّي لَغَفَّارٞ لِّمَن تَابَ وَءَامَنَ وَعَمِلَ صَٰلِحٗا ثُمَّ ٱهۡتَدَىٰ
Ary Izaho dia tena Mpamela heloka, ho an’izay mibebaka sy mino, ary manao asa soa, ka mizotra amin’ny làla-mahitsy.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
۞ وَمَآ أَعۡجَلَكَ عَن قَوۡمِكَ يَٰمُوسَىٰ
“Fa inona ry Mosa no nahamaika Anao hiala ny vahoakanao ? ”
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
قَالَ هُمۡ أُوْلَآءِ عَلَىٰٓ أَثَرِي وَعَجِلۡتُ إِلَيۡكَ رَبِّ لِتَرۡضَىٰ
Niteny i Mosa ka nanao hoe : “ Izy ireo dia nanara-dia Ahy. Ary nanafaingana ny diako aty Aminao Aho, mba hankasitrahanao.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
قَالَ فَإِنَّا قَدۡ فَتَنَّا قَوۡمَكَ مِنۢ بَعۡدِكَ وَأَضَلَّهُمُ ٱلسَّامِرِيُّ
Hoy Allah : “Nosedrainay tokoa ny vahoakanao, taorian’ny nandehananao. Ka noverezin’i Samiri làlana izy ireo, (tamin’ny nitarihiny azy ireo, hanompo ilay zanak’omby volamena)
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
فَرَجَعَ مُوسَىٰٓ إِلَىٰ قَوۡمِهِۦ غَضۡبَٰنَ أَسِفٗاۚ قَالَ يَٰقَوۡمِ أَلَمۡ يَعِدۡكُمۡ رَبُّكُمۡ وَعۡدًا حَسَنًاۚ أَفَطَالَ عَلَيۡكُمُ ٱلۡعَهۡدُ أَمۡ أَرَدتُّمۡ أَن يَحِلَّ عَلَيۡكُمۡ غَضَبٞ مِّن رَّبِّكُمۡ فَأَخۡلَفۡتُم مَّوۡعِدِي
Ary dia niverina tany amin’ny vahoakany i Mosa, tezitra no sady nalahelo ka niteny izy nanao hoe : “ Ô ry vahoakako ! Moa ve tsy efa nanome fampanantenana tsara ho Anareo ny Tomponareo ? Moa ve ela loatra Taminareo ny fifanekena ? Sa irinareo ny hianjeran’ny fahatezeran’ny Tomponareo Aminareo, nohon'ny famadihanareo ny fotoana nifanekena Tamiko ?”.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
قَالُواْ مَآ أَخۡلَفۡنَا مَوۡعِدَكَ بِمَلۡكِنَا وَلَٰكِنَّا حُمِّلۡنَآ أَوۡزَارٗا مِّن زِينَةِ ٱلۡقَوۡمِ فَقَذَفۡنَٰهَا فَكَذَٰلِكَ أَلۡقَى ٱلسَّامِرِيُّ
Niteny izy ireo ka nanao hoe : “ Tsy nohon'ny sitraponay loatra no nivadihanay tamin’ny fotoana nifanekena Taminao, saingy noterena hivesatra ireo firavaky ny vahoakan’i Faraona Izahay, ka nodoranay avokoa (tamin’ny afo) izany araka ny hevitra natsipin’i Samiry.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
 
പരിഭാഷ അദ്ധ്യായം: ത്വാഹാ
സൂറത്തുകളുടെ സൂചിക പേജ് നമ്പർ
 
വിശുദ്ധ ഖുർആൻ പരിഭാഷ - മലഗാസി വിവർത്തനം - റുവ്വാദ് തർജമ സെൻ്റർ - വിവർത്തനങ്ങളുടെ സൂചിക

റബ്‌വ ഇസ്‌ലാമിക് ദഅ്വാ ആൻഡ് ഗൈഡൻസ് സെൻററിൻ്റെയും കോൺടെന്റ് ഇൻ ലാംഗ്വേജസ് സർവീസ് അസോസിയേഷൻ്റെയും സഹകരണത്തോടെ മർകസ് റുവാദ് തർജമ വിഭാഗം വിവർത്തനം ചെയ്തത്.

അടക്കുക