Check out the new design

വിശുദ്ധ ഖുർആൻ പരിഭാഷ - മലഗാസി വിവർത്തനം - റുവ്വാദ് തർജമ സെൻ്റർ * - വിവർത്തനങ്ങളുടെ സൂചിക


പരിഭാഷ അദ്ധ്യായം: അൻബിയാഅ്   ആയത്ത്:
لَا يَسۡمَعُونَ حَسِيسَهَاۖ وَهُمۡ فِي مَا ٱشۡتَهَتۡ أَنفُسُهُمۡ خَٰلِدُونَ
Tsy aheno ny feony izy ireo ary hifaly mandrakizay amin’izay irin’ny tenan'izy ireo.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
لَا يَحۡزُنُهُمُ ٱلۡفَزَعُ ٱلۡأَكۡبَرُ وَتَتَلَقَّىٰهُمُ ٱلۡمَلَٰٓئِكَةُ هَٰذَا يَوۡمُكُمُ ٱلَّذِي كُنتُمۡ تُوعَدُونَ
Tsy hampalahelo azy ireo ny tahotra lehibe, satria hotsenan’ireo Anjely izy ireo (ary ilazany vaovao mahafaly hoe) :” ity ilay Andronareo izay nampanantenaina anareo”.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
يَوۡمَ نَطۡوِي ٱلسَّمَآءَ كَطَيِّ ٱلسِّجِلِّ لِلۡكُتُبِۚ كَمَا بَدَأۡنَآ أَوَّلَ خَلۡقٖ نُّعِيدُهُۥۚ وَعۡدًا عَلَيۡنَآۚ إِنَّا كُنَّا فَٰعِلِينَ
Amin’ny andro izay hamoretanay ny lanitra tahaka ny hamoretana ny taratasin’ny boky, toy ny nanaovanay ny famoronana voalohany no hamerenanay azy indray. Fampanantenana efa nataonay izany, tsy maintsy ho tanterahanay tokoa !
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَلَقَدۡ كَتَبۡنَا فِي ٱلزَّبُورِ مِنۢ بَعۡدِ ٱلذِّكۡرِ أَنَّ ٱلۡأَرۡضَ يَرِثُهَا عِبَادِيَ ٱلصَّٰلِحُونَ
Efa nosoratanay tao amin’ny boky Zabora (Salamo) taorian’ny fampahatsiahivana fa handova ny tany ireo mpanompoko mendrika.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
إِنَّ فِي هَٰذَا لَبَلَٰغٗا لِّقَوۡمٍ عَٰبِدِينَ
Ao anatin’izany dia misy fampahatsiahivana ho an’ny vahoaka mpanompo.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَمَآ أَرۡسَلۡنَٰكَ إِلَّا رَحۡمَةٗ لِّلۡعَٰلَمِينَ
Ary tsy nandefa anao Izahay raha tsy ho famindram-po ho an’izao tontolo izao.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
قُلۡ إِنَّمَا يُوحَىٰٓ إِلَيَّ أَنَّمَآ إِلَٰهُكُمۡ إِلَٰهٞ وَٰحِدٞۖ فَهَلۡ أَنتُم مُّسۡلِمُونَ
Teneno hoe : “Tena marina fa ny nambara tamiko dia ny hoe : ny zanaharinareo dia Zanahary Tokana ihany, ka moa ve mpanetri-tena tokoa ianareo ?”
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
فَإِن تَوَلَّوۡاْ فَقُلۡ ءَاذَنتُكُمۡ عَلَىٰ سَوَآءٖۖ وَإِنۡ أَدۡرِيٓ أَقَرِيبٌ أَم بَعِيدٞ مَّا تُوعَدُونَ
Fa raha mitodi-damosina kosa izy ireo, dia teneno hoe :”Efa nolazaiko ianareo rehetra, ary (tsy fantatro) na efa akaiky na mbola lavitra izay nampanantenaina anareo.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
إِنَّهُۥ يَعۡلَمُ ٱلۡجَهۡرَ مِنَ ٱلۡقَوۡلِ وَيَعۡلَمُ مَا تَكۡتُمُونَ
Izy (Allah) dia tena mahalala tokoa izay avoakanareo amin’ny teny sy mahalala koa izay afeninareo.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَإِنۡ أَدۡرِي لَعَلَّهُۥ فِتۡنَةٞ لَّكُمۡ وَمَتَٰعٌ إِلَىٰ حِينٖ
Ary tsy fantatro, izany angamba no mety ho fitsapana ho anareo sy ho fahafinaretana miserana.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
قَٰلَ رَبِّ ٱحۡكُم بِٱلۡحَقِّۗ وَرَبُّنَا ٱلرَّحۡمَٰنُ ٱلۡمُسۡتَعَانُ عَلَىٰ مَا تَصِفُونَ
Niteny izy hoe : “Tompoko o ! Tsarao araka ny fahamarinana, ary ny Tomponay Ilay be Indrafo no Fitarainana amin’ny famaritana tsy marina izay lazainareo”.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
 
പരിഭാഷ അദ്ധ്യായം: അൻബിയാഅ്
സൂറത്തുകളുടെ സൂചിക പേജ് നമ്പർ
 
വിശുദ്ധ ഖുർആൻ പരിഭാഷ - മലഗാസി വിവർത്തനം - റുവ്വാദ് തർജമ സെൻ്റർ - വിവർത്തനങ്ങളുടെ സൂചിക

റബ്‌വ ഇസ്‌ലാമിക് ദഅ്വാ ആൻഡ് ഗൈഡൻസ് സെൻററിൻ്റെയും കോൺടെന്റ് ഇൻ ലാംഗ്വേജസ് സർവീസ് അസോസിയേഷൻ്റെയും സഹകരണത്തോടെ മർകസ് റുവാദ് തർജമ വിഭാഗം വിവർത്തനം ചെയ്തത്.

അടക്കുക