Check out the new design

വിശുദ്ധ ഖുർആൻ പരിഭാഷ - മലഗാസി വിവർത്തനം - റുവ്വാദ് തർജമ സെൻ്റർ * - വിവർത്തനങ്ങളുടെ സൂചിക


പരിഭാഷ അദ്ധ്യായം: അൻബിയാഅ്   ആയത്ത്:
وَكَمۡ قَصَمۡنَا مِن قَرۡيَةٖ كَانَتۡ ظَالِمَةٗ وَأَنشَأۡنَا بَعۡدَهَا قَوۡمًا ءَاخَرِينَ
Firy tamin’ny tanàna izay nanao ny tsy rariny no nopotehinay ! Ary namorona vahoaka hafa Izahay taorian’izy ireo.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
فَلَمَّآ أَحَسُّواْ بَأۡسَنَآ إِذَا هُم مِّنۡهَا يَرۡكُضُونَ
Rehefa nahatsapa ny hamafin’ny sazinay izy ireo dia lasa nandositra haingana niala tao.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
لَا تَرۡكُضُواْ وَٱرۡجِعُوٓاْ إِلَىٰ مَآ أُتۡرِفۡتُمۡ فِيهِ وَمَسَٰكِنِكُمۡ لَعَلَّكُمۡ تُسۡـَٔلُونَ
Aza mandositra ianareo! Miverena amin’ny hatsaram-piainana izay nahafinaritra anareo ny aminy sy amin’ny toeram-ponenanareo. Angamba hanontaniana ianareo!
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
قَالُواْ يَٰوَيۡلَنَآ إِنَّا كُنَّا ظَٰلِمِينَ
Niteny izy ireo hoe: “Loza ho anay! Tena mpanao ny tsy rariny tokoa izahay”.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
فَمَا زَالَت تِّلۡكَ دَعۡوَىٰهُمۡ حَتَّىٰ جَعَلۡنَٰهُمۡ حَصِيدًا خَٰمِدِينَ
Tsy nitsahatra mihitsy ny antso-mpitarainan’izy ireo mandra-pijijanay azy ireo tsy afa-mihetsika.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَمَا خَلَقۡنَا ٱلسَّمَآءَ وَٱلۡأَرۡضَ وَمَا بَيۡنَهُمَا لَٰعِبِينَ
Tsy kilalao no naharianay ny lanitra sy ny tany ary koa izay rehetra eo anelanelan’izy ireo.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
لَوۡ أَرَدۡنَآ أَن نَّتَّخِذَ لَهۡوٗا لَّٱتَّخَذۡنَٰهُ مِن لَّدُنَّآ إِن كُنَّا فَٰعِلِينَ
Raha tianay ny hiala voly dia tena notanterahinay taty Aminay ihany izany raha toa hanao izany tokoa Izahay.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
بَلۡ نَقۡذِفُ بِٱلۡحَقِّ عَلَى ٱلۡبَٰطِلِ فَيَدۡمَغُهُۥ فَإِذَا هُوَ زَاهِقٞۚ وَلَكُمُ ٱلۡوَيۡلُ مِمَّا تَصِفُونَ
Tsy izany anefa ! Atsipinay hanohitra ny hadisoana ny fahamarinana izay hitelina azy, ary indro izy fa rava. Ary ho aminareo ny loza nohon’ny zavatra izay notanisainareo (mahakasika an'I Allah).
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَلَهُۥ مَن فِي ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضِۚ وَمَنۡ عِندَهُۥ لَا يَسۡتَكۡبِرُونَ عَنۡ عِبَادَتِهِۦ وَلَا يَسۡتَحۡسِرُونَ
Ho Azy irery avokoa izay rehetra any amin’ireo lanitra sy ny tany. Ireo izay eo akaikiny (ireo Anjely) dia tsy manambony tena amin’ny fanompoana Azy, ary tsy mba sasatra izy ireo.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
يُسَبِّحُونَ ٱلَّيۡلَ وَٱلنَّهَارَ لَا يَفۡتُرُونَ
Midera ny voninahiny amin’ny alina sy atoandro tsy an-kijanona mihitsy izy ireo.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
أَمِ ٱتَّخَذُوٓاْ ءَالِهَةٗ مِّنَ ٱلۡأَرۡضِ هُمۡ يُنشِرُونَ
Moa ve nandray zanahary hafa avy amin'ny tany afaka manangana ireo maty izy ireo ?
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
لَوۡ كَانَ فِيهِمَآ ءَالِهَةٌ إِلَّا ٱللَّهُ لَفَسَدَتَاۚ فَسُبۡحَٰنَ ٱللَّهِ رَبِّ ٱلۡعَرۡشِ عَمَّا يَصِفُونَ
Raha ohatra ka nisy zanahary hafa any amin'izy roa ireo (lanitra sy ny tany) ankoatr'I Allah, dia tena marina fa nikorontana izy roa ireo. Voninahitra anie ho an'I Allah, Tompon'ilay Seza fiandrianana ; ary Izy dia lavitra amin'izay nofaritan'izy ireo.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
لَا يُسۡـَٔلُ عَمَّا يَفۡعَلُ وَهُمۡ يُسۡـَٔلُونَ
Tsy hanontaniana amin’izay ataony Izy, nefa izy ireo no hanontaniana (amin’ny asa nataon’izy ireo).
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
أَمِ ٱتَّخَذُواْ مِن دُونِهِۦٓ ءَالِهَةٗۖ قُلۡ هَاتُواْ بُرۡهَٰنَكُمۡۖ هَٰذَا ذِكۡرُ مَن مَّعِيَ وَذِكۡرُ مَن قَبۡلِيۚ بَلۡ أَكۡثَرُهُمۡ لَا يَعۡلَمُونَ ٱلۡحَقَّۖ فَهُم مُّعۡرِضُونَ
Moa ve nandray zanahary hafa ankoatr'Azy (Allah) izy ireo ? Teneno hoe : “Ento ny porofonareo ! Ity dia fampahatsiahivana ho an’ireo izay miaraka amiko, sy fampahatsiahivana ihany koa ho an’ireo talohako”. Nefa maro amin’izy ireo no tsy mahafantatra ny fahamarinana, ary mpanohitra izy ireo.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
 
പരിഭാഷ അദ്ധ്യായം: അൻബിയാഅ്
സൂറത്തുകളുടെ സൂചിക പേജ് നമ്പർ
 
വിശുദ്ധ ഖുർആൻ പരിഭാഷ - മലഗാസി വിവർത്തനം - റുവ്വാദ് തർജമ സെൻ്റർ - വിവർത്തനങ്ങളുടെ സൂചിക

റബ്‌വ ഇസ്‌ലാമിക് ദഅ്വാ ആൻഡ് ഗൈഡൻസ് സെൻററിൻ്റെയും കോൺടെന്റ് ഇൻ ലാംഗ്വേജസ് സർവീസ് അസോസിയേഷൻ്റെയും സഹകരണത്തോടെ മർകസ് റുവാദ് തർജമ വിഭാഗം വിവർത്തനം ചെയ്തത്.

അടക്കുക