Check out the new design

വിശുദ്ധ ഖുർആൻ പരിഭാഷ - മലഗാസി വിവർത്തനം - റുവ്വാദ് തർജമ സെൻ്റർ * - വിവർത്തനങ്ങളുടെ സൂചിക


പരിഭാഷ അദ്ധ്യായം: അൻബിയാഅ്   ആയത്ത്:
فَجَعَلَهُمۡ جُذَٰذًا إِلَّا كَبِيرٗا لَّهُمۡ لَعَلَّهُمۡ إِلَيۡهِ يَرۡجِعُونَ
Ka nopotipotehiny tokoa izy ireo (ireo sary vongana) afa-tsy ilay lehibe. Angamba hiverina aminy izy ireo.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
قَالُواْ مَن فَعَلَ هَٰذَا بِـَٔالِهَتِنَآ إِنَّهُۥ لَمِنَ ٱلظَّٰلِمِينَ
Niteny izy ireo hoe : “izay no nahavita izao tamin’ireo zanaharinay dia tena anisan’ireo mpanao ny tsy rariny izy”.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
قَالُواْ سَمِعۡنَا فَتٗى يَذۡكُرُهُمۡ يُقَالُ لَهُۥٓ إِبۡرَٰهِيمُ
Niteny izy ireo hoe : “Naheno tovolahy iray izahay antsoina hoe Abrahama manaratsy azy ireo.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
قَالُواْ فَأۡتُواْ بِهِۦ عَلَىٰٓ أَعۡيُنِ ٱلنَّاسِ لَعَلَّهُمۡ يَشۡهَدُونَ
Niteny izy ireo hoe : “Ento mankatý” ho eo imason’ny olona rehetra izy ; angamba hijoro vavolombelona izy ireo.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
قَالُوٓاْ ءَأَنتَ فَعَلۡتَ هَٰذَا بِـَٔالِهَتِنَا يَٰٓإِبۡرَٰهِيمُ
Niteny taminy izy ireo hoe : “Ianao tokoa va ry Abrahama no nahavita izao tamin’ireo zanaharinay ireo ?”
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
قَالَ بَلۡ فَعَلَهُۥ كَبِيرُهُمۡ هَٰذَا فَسۡـَٔلُوهُمۡ إِن كَانُواْ يَنطِقُونَ
Niteny izy hoe : “Tsia, ity lehibe indrindra amin’izy ireo ity, izy no nahavita izany koa anontanianareo àry raha afaka miteny izy ireo !”
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
فَرَجَعُوٓاْ إِلَىٰٓ أَنفُسِهِمۡ فَقَالُوٓاْ إِنَّكُمۡ أَنتُمُ ٱلظَّٰلِمُونَ
Ka nandinin-tena izy ireo ary niteny an’eritreritra hoe : “Ianareo no tena mpanao ny tsy rariny !”
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
ثُمَّ نُكِسُواْ عَلَىٰ رُءُوسِهِمۡ لَقَدۡ عَلِمۡتَ مَا هَٰٓؤُلَآءِ يَنطِقُونَ
Avy eo dia niondri-doha izy ireo sy (niteny tamin’i Abrahama hoe) : “Fantatrao tsara fa izy ireo dia tsy miteny”.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
قَالَ أَفَتَعۡبُدُونَ مِن دُونِ ٱللَّهِ مَا لَا يَنفَعُكُمۡ شَيۡـٔٗا وَلَا يَضُرُّكُمۡ
Niteny izy : “Manompo zavatra hafa ankoatr'I Allah va ianareo, izay tsy afaka hanao soa anareo mihitsy ary tsy afaka hanao ratsy aminareo koa izy ireo ?”
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
أُفّٖ لَّكُمۡ وَلِمَا تَعۡبُدُونَ مِن دُونِ ٱللَّهِۚ أَفَلَا تَعۡقِلُونَ
“Eisy e ! Ity ianareo sy izay tompoinareo ankoatr'I Allah ! Tsy mba mandinika va ianareo ?”
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
قَالُواْ حَرِّقُوهُ وَٱنصُرُوٓاْ ءَالِهَتَكُمۡ إِن كُنتُمۡ فَٰعِلِينَ
Niteny izy ireo hoe : “Doroinareo izy ! Ary ampandresenareo ny zanaharinareo, raha tena hihetsika ianareo”.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
قُلۡنَا يَٰنَارُ كُونِي بَرۡدٗا وَسَلَٰمًا عَلَىٰٓ إِبۡرَٰهِيمَ
Niteny Izahay hoe : “Ry afo, Meteza ianao ho mangatsiatsiaka sy fandriampahalemana amin’i Abrahama”!
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَأَرَادُواْ بِهِۦ كَيۡدٗا فَجَعَلۡنَٰهُمُ ٱلۡأَخۡسَرِينَ
Dia naniry ny hanao teti-dratsy taminy izy ireo, nefa izy ireo no tena nataonay maty antoka indrindra.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَنَجَّيۡنَٰهُ وَلُوطًا إِلَى ٱلۡأَرۡضِ ٱلَّتِي بَٰرَكۡنَا فِيهَا لِلۡعَٰلَمِينَ
Ary navotanay izy, sy i Lota ihany koa, nankany amin’ny tany izay nosoavinay ao anatiny ho an’izao tontolo izao.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَوَهَبۡنَا لَهُۥٓ إِسۡحَٰقَ وَيَعۡقُوبَ نَافِلَةٗۖ وَكُلّٗا جَعَلۡنَا صَٰلِحِينَ
Ary nomenay azy i Isaaka, ary i Jakoba ho fanampiny, ka nataonay olona mendrika avokoa izy ireo.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
 
പരിഭാഷ അദ്ധ്യായം: അൻബിയാഅ്
സൂറത്തുകളുടെ സൂചിക പേജ് നമ്പർ
 
വിശുദ്ധ ഖുർആൻ പരിഭാഷ - മലഗാസി വിവർത്തനം - റുവ്വാദ് തർജമ സെൻ്റർ - വിവർത്തനങ്ങളുടെ സൂചിക

റബ്‌വ ഇസ്‌ലാമിക് ദഅ്വാ ആൻഡ് ഗൈഡൻസ് സെൻററിൻ്റെയും കോൺടെന്റ് ഇൻ ലാംഗ്വേജസ് സർവീസ് അസോസിയേഷൻ്റെയും സഹകരണത്തോടെ മർകസ് റുവാദ് തർജമ വിഭാഗം വിവർത്തനം ചെയ്തത്.

അടക്കുക