Check out the new design

पवित्र कुरअानको अर्थको अनुवाद - मालागासी अनुवाद : रव्वाद अनुवाद केन्द्र । * - अनुवादहरूको सूची


अर्थको अनुवाद सूरः: इस्रा   श्लोक:
وَبِٱلۡحَقِّ أَنزَلۡنَٰهُ وَبِٱلۡحَقِّ نَزَلَۗ وَمَآ أَرۡسَلۡنَٰكَ إِلَّا مُبَشِّرٗا وَنَذِيرٗا
Ary tamim-pahamarinana no nampidinanay azy (Kor’any), ary nidina niaraka tamin’ny fahamarinana izy, ary tsy nalefanay ianao raha tsy ho mpilaza (vaovao mahafaly) sy ho mpampitandrina.
अरबी व्याख्याहरू:
وَقُرۡءَانٗا فَرَقۡنَٰهُ لِتَقۡرَأَهُۥ عَلَى ٱلنَّاسِ عَلَىٰ مُكۡثٖ وَنَزَّلۡنَٰهُ تَنزِيلٗا
Ary ny Kor’any izay nozarazaranay, mba ho vakianao miadana amin’ny olona, ary nampidininay tsikelikely izany.
अरबी व्याख्याहरू:
قُلۡ ءَامِنُواْ بِهِۦٓ أَوۡ لَا تُؤۡمِنُوٓاْۚ إِنَّ ٱلَّذِينَ أُوتُواْ ٱلۡعِلۡمَ مِن قَبۡلِهِۦٓ إِذَا يُتۡلَىٰ عَلَيۡهِمۡ يَخِرُّونَۤ لِلۡأَذۡقَانِۤ سُجَّدٗاۤ
Teneno hoe : “Minoa izany ianareo na aza mino!Tena marina fa ireo izay nomena ny fahalalana, talohan’izany, rehefa vakiana amin’izy ireo izany (Kor’any) dia miantoraka miankohoka izy ireo, ka ny saoka mikasika amin’ny tany”.
अरबी व्याख्याहरू:
وَيَقُولُونَ سُبۡحَٰنَ رَبِّنَآ إِن كَانَ وَعۡدُ رَبِّنَا لَمَفۡعُولٗا
Ary miteny izy ireo manao hoe : “Voninahitra anie ho an’ny Tomponay ! Ary tanteraka marina ny fampanantenan’ny Tomponay”.
अरबी व्याख्याहरू:
وَيَخِرُّونَ لِلۡأَذۡقَانِ يَبۡكُونَ وَيَزِيدُهُمۡ خُشُوعٗا۩
Ary miantoraka amin’ny saokany izy ireo, mitomany, ka izany (Kor'any) dia mampitombo ny fanetre-tena ho azy ireo.
अरबी व्याख्याहरू:
قُلِ ٱدۡعُواْ ٱللَّهَ أَوِ ٱدۡعُواْ ٱلرَّحۡمَٰنَۖ أَيّٗا مَّا تَدۡعُواْ فَلَهُ ٱلۡأَسۡمَآءُ ٱلۡحُسۡنَىٰۚ وَلَا تَجۡهَرۡ بِصَلَاتِكَ وَلَا تُخَافِتۡ بِهَا وَٱبۡتَغِ بَيۡنَ ذَٰلِكَ سَبِيلٗا
Teneno hoe : “Antsoinareo I Allah, na antsoinareo Ilay be Fiantrana, na inona na inona ny anarana iantsoanareo Azy, dia manana ireo anarana tsara indrindra Izy. Ary aza mamaky amin’ny feo avo ianao amin’ny Soalat (vavaka) ataonao, nefa aza atao ambany loatra koa, fa ataovy izay eo anelanelan'izany.”
अरबी व्याख्याहरू:
وَقُلِ ٱلۡحَمۡدُ لِلَّهِ ٱلَّذِي لَمۡ يَتَّخِذۡ وَلَدٗا وَلَمۡ يَكُن لَّهُۥ شَرِيكٞ فِي ٱلۡمُلۡكِ وَلَمۡ يَكُن لَّهُۥ وَلِيّٞ مِّنَ ٱلذُّلِّۖ وَكَبِّرۡهُ تَكۡبِيرَۢا
Ary teneno hoe : “Dera ho an’I Allah izay tsy nanan-janaka mihitsy, ary tsy mba nanana mpiombon’antoka Izy amin’ny fanjakany, ary mbola tsy manana mpiahy amin’ny fanambaniana mihitsy”. Koa derao avo dia avo ny halehibeany”.
अरबी व्याख्याहरू:
 
अर्थको अनुवाद सूरः: इस्रा
अध्यायहरूको (सूरःहरूको) सूची رقم الصفحة
 
पवित्र कुरअानको अर्थको अनुवाद - मालागासी अनुवाद : रव्वाद अनुवाद केन्द्र । - अनुवादहरूको सूची

यसलाई रुव्वाद अनुवाद केन्द्रको टोलीले रब्वा दावाह संघ र इस्लामी सामग्री सेवा संघको सहयोगमा अनुवाद गरिएको छ।

बन्द गर्नुस्