Check out the new design

पवित्र कुरअानको अर्थको अनुवाद - मालागासी अनुवाद : रव्वाद अनुवाद केन्द्र । * - अनुवादहरूको सूची


अर्थको अनुवाद सूरः: इस्रा   श्लोक:
وَإِن كَادُواْ لَيَسۡتَفِزُّونَكَ مِنَ ٱلۡأَرۡضِ لِيُخۡرِجُوكَ مِنۡهَاۖ وَإِذٗا لَّا يَلۡبَثُونَ خِلَٰفَكَ إِلَّا قَلِيلٗا
Ary saika hanelingelina anao hiala ny tanàna izy ireo, mba handroahan’izy ireo anao avy ao. Ary rehefa izany dia tsy hipetraka afa-tsy fotoana kely aorianao izy ireo.
अरबी व्याख्याहरू:
سُنَّةَ مَن قَدۡ أَرۡسَلۡنَا قَبۡلَكَ مِن رُّسُلِنَاۖ وَلَا تَجِدُ لِسُنَّتِنَا تَحۡوِيلًا
Toy izany no sori-dalana izay efa nampiharinay tamin’ireo Irakay teo alohanao. Ary tsy hahita fiovana velively amin’ny sori-dalanay ianao.
अरबी व्याख्याहरू:
أَقِمِ ٱلصَّلَوٰةَ لِدُلُوكِ ٱلشَّمۡسِ إِلَىٰ غَسَقِ ٱلَّيۡلِ وَقُرۡءَانَ ٱلۡفَجۡرِۖ إِنَّ قُرۡءَانَ ٱلۡفَجۡرِ كَانَ مَشۡهُودٗا
Tanteraho ny Soalat (vavaka) amin’ny fitongilanan’ny masoandro mandra-pahatongan’ny haizin’ny alina, ary koa ny famakiana amin’ny vao mangiran-dratsy. Marina fa ny famakiana amin’ny vao mangiran-dratsy dia misy vavolombelona.
अरबी व्याख्याहरू:
وَمِنَ ٱلَّيۡلِ فَتَهَجَّدۡ بِهِۦ نَافِلَةٗ لَّكَ عَسَىٰٓ أَن يَبۡعَثَكَ رَبُّكَ مَقَامٗا مَّحۡمُودٗا
Ary manokàna ny ampahan’ny alina, amin’ny fanatanterahana ny fanompoana fanampiny ho anao (Tahadjoud), mba hananganan’ny Tomponao anao amin’ny toerana mendri-piderana.
अरबी व्याख्याहरू:
وَقُل رَّبِّ أَدۡخِلۡنِي مُدۡخَلَ صِدۡقٖ وَأَخۡرِجۡنِي مُخۡرَجَ صِدۡقٖ وَٱجۡعَل لِّي مِن لَّدُنكَ سُلۡطَٰنٗا نَّصِيرٗا
Ary mitenena hoe : “Tompoko ô ! Ampidiro amin’ny fidirana mifanaraka amin’ny fahamarinana aho, ary avoahy amin’ny fivoahana mifanaraka amin’ny fahamarinana ary omeo fahefana tena mahavonjy avy Aminao aho”.
अरबी व्याख्याहरू:
وَقُلۡ جَآءَ ٱلۡحَقُّ وَزَهَقَ ٱلۡبَٰطِلُۚ إِنَّ ٱلۡبَٰطِلَ كَانَ زَهُوقٗا
Ary mitenena hoe : “Tonga ny fahamarinana (Finoana Islamo) ary nanjavona ny hadisoana. Marina fa ny hadisoana dia natao hanjavona”.
अरबी व्याख्याहरू:
وَنُنَزِّلُ مِنَ ٱلۡقُرۡءَانِ مَا هُوَ شِفَآءٞ وَرَحۡمَةٞ لِّلۡمُؤۡمِنِينَ وَلَا يَزِيدُ ٱلظَّٰلِمِينَ إِلَّا خَسَارٗا
Ary ampidininay miaraka amin’ny Kor’any, izay fanasitranana sy famindram-po ho an’ireo mpino.Ary tsy mampitombo afa-tsy fahaverezana amin’ireo mpanao ny tsy rariny izany.
अरबी व्याख्याहरू:
وَإِذَآ أَنۡعَمۡنَا عَلَى ٱلۡإِنسَٰنِ أَعۡرَضَ وَنَـَٔا بِجَانِبِهِۦ وَإِذَا مَسَّهُ ٱلشَّرُّ كَانَ يَـُٔوسٗا
Ary raha fenoinay fahasoavana ny olombelona, dia mitodi-damosina sy mivily lalana izy, fa raha misy ratsy mianjady aminy kosa, dia ketraka tanteraka izy.
अरबी व्याख्याहरू:
قُلۡ كُلّٞ يَعۡمَلُ عَلَىٰ شَاكِلَتِهِۦ فَرَبُّكُمۡ أَعۡلَمُ بِمَنۡ هُوَ أَهۡدَىٰ سَبِيلٗا
Mitenena hoe : “Ny tsirairay dia samy manao araka ny fombany, fa ny Tomponareo dia tena mahalala izay mizotra amin’ny lala-mahitsy indrindra”.
अरबी व्याख्याहरू:
وَيَسۡـَٔلُونَكَ عَنِ ٱلرُّوحِۖ قُلِ ٱلرُّوحُ مِنۡ أَمۡرِ رَبِّي وَمَآ أُوتِيتُم مِّنَ ٱلۡعِلۡمِ إِلَّا قَلِيلٗا
Ary manontany anao izy ireo momban'ny fanahy.Teneno hoe : “Ny fanahy dia eo ambany fiadidian’ny Tompoko”. Ary tsy nomena fahalalana ianareo afa-tsy kely ihany”.
अरबी व्याख्याहरू:
وَلَئِن شِئۡنَا لَنَذۡهَبَنَّ بِٱلَّذِيٓ أَوۡحَيۡنَآ إِلَيۡكَ ثُمَّ لَا تَجِدُ لَكَ بِهِۦ عَلَيۡنَا وَكِيلًا
Ary raha sitrakay, dia nataonay nanjavona izay nambaranay taminao ary tsy hahita mpiaro intsony ianao hanohitra Anay.
अरबी व्याख्याहरू:
 
अर्थको अनुवाद सूरः: इस्रा
अध्यायहरूको (सूरःहरूको) सूची رقم الصفحة
 
पवित्र कुरअानको अर्थको अनुवाद - मालागासी अनुवाद : रव्वाद अनुवाद केन्द्र । - अनुवादहरूको सूची

यसलाई रुव्वाद अनुवाद केन्द्रको टोलीले रब्वा दावाह संघ र इस्लामी सामग्री सेवा संघको सहयोगमा अनुवाद गरिएको छ।

बन्द गर्नुस्