Check out the new design

د قرآن کریم د معناګانو ژباړه - مالاغاشي ژباړه - د رواد الترجمې مرکز * - د ژباړو فهرست (لړلیک)


د معناګانو ژباړه سورت: بقره   آیت:
قَالُواْ ٱدۡعُ لَنَا رَبَّكَ يُبَيِّن لَّنَا مَا هِيَ إِنَّ ٱلۡبَقَرَ تَشَٰبَهَ عَلَيۡنَا وَإِنَّآ إِن شَآءَ ٱللَّهُ لَمُهۡتَدُونَ
Niteny indray izy ireo hoe : " Angataho ny Tomponao mba hanazava bebe kokoa aminay hoe tahaka ny ahoana tsara ilay izy (ombivavy); fa tena mbola mitovitovy ihany aminay ireo ombivavy ireo; ary raha sitrak'i Allah dia ho voatarika amin'izay tena izy tokoa izahay ".
عربي تفسیرونه:
قَالَ إِنَّهُۥ يَقُولُ إِنَّهَا بَقَرَةٞ لَّا ذَلُولٞ تُثِيرُ ٱلۡأَرۡضَ وَلَا تَسۡقِي ٱلۡحَرۡثَ مُسَلَّمَةٞ لَّا شِيَةَ فِيهَاۚ قَالُواْ ٱلۡـَٰٔنَ جِئۡتَ بِٱلۡحَقِّۚ فَذَبَحُوهَا وَمَا كَادُواْ يَفۡعَلُونَ
Namaly azy ireo Moussa : “Hamafisina fa, araka ny baikon’Allah, dia tsy maintsy ombivavy tsy mbola nampiasaina teo amin’ny famadiana bainga na teo amin’ny fanondrahana tanimboly, tsy manan-kilema ary miloko ranoray (tokam-bolo) izany”. Dia hoy izy ireo : “Izao ianao vao namosaka ny fahamarinana”. Ary dia nolentain’izy ireo taorian’izany tokoa ilay ombivavy na dia tsy narisika loatra ny nanao izany aza izy ireo.
عربي تفسیرونه:
وَإِذۡ قَتَلۡتُمۡ نَفۡسٗا فَٱدَّٰرَٰءۡتُمۡ فِيهَاۖ وَٱللَّهُ مُخۡرِجٞ مَّا كُنتُمۡ تَكۡتُمُونَ
Ary tsarovinareo raha namono olona ianareo, ka nifanilika ny amin'izay nahavanona izany loza izany; ary Allah kosa dia namoaka izay nafeninareo.
عربي تفسیرونه:
فَقُلۡنَا ٱضۡرِبُوهُ بِبَعۡضِهَاۚ كَذَٰلِكَ يُحۡيِ ٱللَّهُ ٱلۡمَوۡتَىٰ وَيُرِيكُمۡ ءَايَٰتِهِۦ لَعَلَّكُمۡ تَعۡقِلُونَ
Ka niteny izahay hoe : " Kapohinareo amin'ilay maty ny ampahan'ilay ombivavy". Toy izany no hameloman'Allah ireo maty, ary mampiseho anareo ireo famantarany Izy, mba hahatonga saina anareo.
عربي تفسیرونه:
ثُمَّ قَسَتۡ قُلُوبُكُم مِّنۢ بَعۡدِ ذَٰلِكَ فَهِيَ كَٱلۡحِجَارَةِ أَوۡ أَشَدُّ قَسۡوَةٗۚ وَإِنَّ مِنَ ٱلۡحِجَارَةِ لَمَا يَتَفَجَّرُ مِنۡهُ ٱلۡأَنۡهَٰرُۚ وَإِنَّ مِنۡهَا لَمَا يَشَّقَّقُ فَيَخۡرُجُ مِنۡهُ ٱلۡمَآءُۚ وَإِنَّ مِنۡهَا لَمَا يَهۡبِطُ مِنۡ خَشۡيَةِ ٱللَّهِۗ وَمَا ٱللَّهُ بِغَٰفِلٍ عَمَّا تَعۡمَلُونَ
Avy eo dia lasa mafy ny fonareo taorian’izany, ka lasa nitovy amin'ny vato izany na mafy kokoa noho izany aza; satria misy amin'ireo vato no ipoiran'ireo renirano; ary misy amin'izy ireo no mitresaka ka ivoahan'ny rano; ary misy amin'izy ireo no mihotsaka noho ny fahatahorana an'i Allah. ary Allah dia tsy variana mihitsy manoloana izay ataonareo.
عربي تفسیرونه:
۞ أَفَتَطۡمَعُونَ أَن يُؤۡمِنُواْ لَكُمۡ وَقَدۡ كَانَ فَرِيقٞ مِّنۡهُمۡ يَسۡمَعُونَ كَلَٰمَ ٱللَّهِ ثُمَّ يُحَرِّفُونَهُۥ مِنۢ بَعۡدِ مَا عَقَلُوهُ وَهُمۡ يَعۡلَمُونَ
Manantena ve ianareo fa hino anareo izy ireo ? Nefa efa nisy andian'olona tamin'izy ireo no naheno ny tenin'i Allah, kanefa novan'izy ireo avy teo ny hevitr'izany taorian'ny fahazoan'izy ireo tsara ny dikany, ary fantatr'izy ireo izany.
عربي تفسیرونه:
وَإِذَا لَقُواْ ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ قَالُوٓاْ ءَامَنَّا وَإِذَا خَلَا بَعۡضُهُمۡ إِلَىٰ بَعۡضٖ قَالُوٓاْ أَتُحَدِّثُونَهُم بِمَا فَتَحَ ٱللَّهُ عَلَيۡكُمۡ لِيُحَآجُّوكُم بِهِۦ عِندَ رَبِّكُمۡۚ أَفَلَا تَعۡقِلُونَ
Ary rehefa mifanena amin'ireo mpino izy ireo dia miteny hoe : " Izahay dia mino "; fa rehefa samy izy ireo no mihaona dia milaza izy ireo (mifanome tsiny) hoe : " Horesahinareo amin'izy ireo ve izay nambaran'i Allah anareo, mba hampiasain'izy ireo izany ho porofo hanoherana anareo eo anatrehan'ny Tomponareo; tsy misaina va ianareo ? ! ".
عربي تفسیرونه:
 
د معناګانو ژباړه سورت: بقره
د سورتونو فهرست (لړلیک) د مخ نمبر
 
د قرآن کریم د معناګانو ژباړه - مالاغاشي ژباړه - د رواد الترجمې مرکز - د ژباړو فهرست (لړلیک)

دا ژباړه د مرکز رواد الترجمة ټیم لخوا د ربوہ د تبلیغ ټولنې او د اسلامي منځپانګې د خدماتو ټولنې په همکارۍ شوې.

بندول