Check out the new design

د قرآن کریم د معناګانو ژباړه - مالاغاشي ژباړه - د رواد الترجمې مرکز * - د ژباړو فهرست (لړلیک)


د معناګانو ژباړه سورت: بقره   آیت:
وَإِذۡ قَالَ رَبُّكَ لِلۡمَلَٰٓئِكَةِ إِنِّي جَاعِلٞ فِي ٱلۡأَرۡضِ خَلِيفَةٗۖ قَالُوٓاْ أَتَجۡعَلُ فِيهَا مَن يُفۡسِدُ فِيهَا وَيَسۡفِكُ ٱلدِّمَآءَ وَنَحۡنُ نُسَبِّحُ بِحَمۡدِكَ وَنُقَدِّسُ لَكَۖ قَالَ إِنِّيٓ أَعۡلَمُ مَا لَا تَعۡلَمُونَ
Raha nanao fanambarana tamin’ireo Anjely ny Tomponao, dia hoy Izy hoe : “Hametraka olona mpandimby raharaha (khalifa) eny ambonin’ny tany tokoa Aho”, dia namaly Azy ireo Anjely hoe : “Sitrakao ve ny hampisy olona hanao fanimbana sy hampandriaka ny rà eny ambonin’ny tany, kanefa dia eto izahay mihoby sy midera ary manamasina Anao?”, hoy Izy namaly azy ireo hoe : “Lazaiko marina aminareo fa Izaho (Allah) dia mahay izay tsy fantatrareo”.
عربي تفسیرونه:
وَعَلَّمَ ءَادَمَ ٱلۡأَسۡمَآءَ كُلَّهَا ثُمَّ عَرَضَهُمۡ عَلَى ٱلۡمَلَٰٓئِكَةِ فَقَالَ أَنۢبِـُٔونِي بِأَسۡمَآءِ هَٰٓؤُلَآءِ إِن كُنتُمۡ صَٰدِقِينَ
Nampianariny an’i Adama avokoa ireo anarana rehetra, avy eo dia nasehony ny Anjely izy ireo, ka hoy Izy nanao hoe : “Ambarao Ahy ny anaran’izy ireo, raha toa ka marina izay voalazanareo!”
عربي تفسیرونه:
قَالُواْ سُبۡحَٰنَكَ لَا عِلۡمَ لَنَآ إِلَّا مَا عَلَّمۡتَنَآۖ إِنَّكَ أَنتَ ٱلۡعَلِيمُ ٱلۡحَكِيمُ
Dia niteny izy ireo (Anjely) ka nanao hoe : ” Voninahitra anie ho Anao, tena tsy manam-pahalalàna mihitsy izahay afa-tsy izay efa nampianarinao anay ihany no fantatranay; ary Ianao tokoa no ilay Be fahalalana, sy ilay Be fahendrena.
عربي تفسیرونه:
قَالَ يَٰٓـَٔادَمُ أَنۢبِئۡهُم بِأَسۡمَآئِهِمۡۖ فَلَمَّآ أَنۢبَأَهُم بِأَسۡمَآئِهِمۡ قَالَ أَلَمۡ أَقُل لَّكُمۡ إِنِّيٓ أَعۡلَمُ غَيۡبَ ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضِ وَأَعۡلَمُ مَا تُبۡدُونَ وَمَا كُنتُمۡ تَكۡتُمُونَ
Dia hoy Izy : “Ry Adama! Ampahafantaro azy ireo ny anaran’izy ireo ; ka nony nampahafantarin’i Adama ireo anjely ny anaran’izy ireo, dia hoy Izy (Allah) nilaza : “Tsy efa nambarako taminareo ve, fa Izaho no mahalala ny zavamiafin’ny lanitra sy ny tany, ary mahalala ihany koa izay rehetra ahariharinareo sy izay rehetra afeninareo?”
عربي تفسیرونه:
وَإِذۡ قُلۡنَا لِلۡمَلَٰٓئِكَةِ ٱسۡجُدُواْ لِأٓدَمَ فَسَجَدُوٓاْ إِلَّآ إِبۡلِيسَ أَبَىٰ وَٱسۡتَكۡبَرَ وَكَانَ مِنَ ٱلۡكَٰفِرِينَ
Ary raha nolazainay tamin’ireo Anjely : “Miankohofa avokoa ianareo eo amin’i Adama”, dia niankohoka avy hatrany izy rehetra afa-tsy iblis (satana) izay nandà, no sady nanambony tena ary voasokajy ho isan(reo tsy mpino.
عربي تفسیرونه:
وَقُلۡنَا يَٰٓـَٔادَمُ ٱسۡكُنۡ أَنتَ وَزَوۡجُكَ ٱلۡجَنَّةَ وَكُلَا مِنۡهَا رَغَدًا حَيۡثُ شِئۡتُمَا وَلَا تَقۡرَبَا هَٰذِهِ ٱلشَّجَرَةَ فَتَكُونَا مِنَ ٱلظَّٰلِمِينَ
Ary dia nolazainay : “Ry Adama! Mitoera ao amin’ny Paradisa ianao sy ny vadinao, ary mihinàna amim-piadanana araka ny sitraponareo izay rehetra ao aminy; kanefa aza manakaiky kosa ity hazo iray ity ianareo roa, fa raha tsy izany, dia ho lasa isan’ireo mpanao ny tsy rariny ianareo”.
عربي تفسیرونه:
فَأَزَلَّهُمَا ٱلشَّيۡطَٰنُ عَنۡهَا فَأَخۡرَجَهُمَا مِمَّا كَانَا فِيهِۖ وَقُلۡنَا ٱهۡبِطُواْ بَعۡضُكُمۡ لِبَعۡضٍ عَدُوّٞۖ وَلَكُمۡ فِي ٱلۡأَرۡضِ مُسۡتَقَرّٞ وَمَتَٰعٌ إِلَىٰ حِينٖ
Nofitahin’i satana tamin’i lay voankazo iny izy roa, ka dia navoakan’Allah tao amin’ny toerana nametrahany azy. Ka hoy Izy (Allah) : “Midina ianareo, ny andaniny aminareo ihany no ho fahavalon’ny ankilany. Fa ianareo kosa dia hanana toerana sy vatsy sahaza ny vanim-potoana rehetra eny ambonin’ny tany”.
عربي تفسیرونه:
فَتَلَقَّىٰٓ ءَادَمُ مِن رَّبِّهِۦ كَلِمَٰتٖ فَتَابَ عَلَيۡهِۚ إِنَّهُۥ هُوَ ٱلتَّوَّابُ ٱلرَّحِيمُ
Ary naharay teny (entina mibebaka) avy tamin’ny Tompony i Mpaminany Adama (A.s) ka nekeny Tompo Allah ny fibebahana izay nataony, fa tena marina fa Izy ilay Mpamela heloka sy ilay be Fiantrana.
عربي تفسیرونه:
 
د معناګانو ژباړه سورت: بقره
د سورتونو فهرست (لړلیک) د مخ نمبر
 
د قرآن کریم د معناګانو ژباړه - مالاغاشي ژباړه - د رواد الترجمې مرکز - د ژباړو فهرست (لړلیک)

دا ژباړه د مرکز رواد الترجمة ټیم لخوا د ربوہ د تبلیغ ټولنې او د اسلامي منځپانګې د خدماتو ټولنې په همکارۍ شوې.

بندول