Check out the new design

د قرآن کریم د معناګانو ژباړه - مالاغاشي ژباړه - د رواد الترجمې مرکز * - د ژباړو فهرست (لړلیک)


د معناګانو ژباړه سورت: بقره   آیت:
وَقَالُواْ كُونُواْ هُودًا أَوۡ نَصَٰرَىٰ تَهۡتَدُواْۗ قُلۡ بَلۡ مِلَّةَ إِبۡرَٰهِـۧمَ حَنِيفٗاۖ وَمَا كَانَ مِنَ ٱلۡمُشۡرِكِينَ
Hoy ny tenin’izy ireny : “Aoka ianareo ho Jiosy na Kristianina, dia ho tafazotra amin’ny làla-marina”. Ka lazao azy ireo : “Tsia! Ny fombam-pivavahan’i Ibrahim no madio tsy mifangaro, ary izy rahateo tsy mba isan’ireo mpampitambatra an’Allah amin’ny hafa.
عربي تفسیرونه:
قُولُوٓاْ ءَامَنَّا بِٱللَّهِ وَمَآ أُنزِلَ إِلَيۡنَا وَمَآ أُنزِلَ إِلَىٰٓ إِبۡرَٰهِـۧمَ وَإِسۡمَٰعِيلَ وَإِسۡحَٰقَ وَيَعۡقُوبَ وَٱلۡأَسۡبَاطِ وَمَآ أُوتِيَ مُوسَىٰ وَعِيسَىٰ وَمَآ أُوتِيَ ٱلنَّبِيُّونَ مِن رَّبِّهِمۡ لَا نُفَرِّقُ بَيۡنَ أَحَدٖ مِّنۡهُمۡ وَنَحۡنُ لَهُۥ مُسۡلِمُونَ
Lazainareo fa hoe : " Izahay dia mino an'i Tompo Allah; ary mino izay rehetra nampidinina taminay sy izay nampidinina tamin'i Mpaminany Ibrahim, Ismail, Ishaaq sy Ya'qoub (A.s) ary ireo foko nipoitra avy amin'ny taranak'i Ya'qoub, ary izay nomena an'i Mpaminany Moussa sy Issa (A.s), ary izay nomena ireo Mpaminany avy tamin'ny Tompon'izy ireo.ka tsy azonay atao ny manavaka na dia iray aza amin'izy ireo; ary Izahay dia mpanolo-tena ho Azy ireryy ihany.
عربي تفسیرونه:
فَإِنۡ ءَامَنُواْ بِمِثۡلِ مَآ ءَامَنتُم بِهِۦ فَقَدِ ٱهۡتَدَواْۖ وَّإِن تَوَلَّوۡاْ فَإِنَّمَا هُمۡ فِي شِقَاقٖۖ فَسَيَكۡفِيكَهُمُ ٱللَّهُۚ وَهُوَ ٱلسَّمِيعُ ٱلۡعَلِيمُ
Ary raha mino izay inoanareo izy ireo, dia azo antoka fa handeha amin’ny làla-marina, fa raha mivily amin’izany kosa, dia hankany amin’ny fizarazarana tokoa! Ampy anao Allah hanohitra azy ireo. Fa Izy no Ilay Mandre, Ilay Mahalala ny zavatra rehetra.
عربي تفسیرونه:
صِبۡغَةَ ٱللَّهِ وَمَنۡ أَحۡسَنُ مِنَ ٱللَّهِ صِبۡغَةٗۖ وَنَحۡنُ لَهُۥ عَٰبِدُونَ
“Ny finoana dia an’Allah! Fa iza no manana finoana tsara kokoa mihoatra noho izay an’Allah? Izy no tompoinay”.
عربي تفسیرونه:
قُلۡ أَتُحَآجُّونَنَا فِي ٱللَّهِ وَهُوَ رَبُّنَا وَرَبُّكُمۡ وَلَنَآ أَعۡمَٰلُنَا وَلَكُمۡ أَعۡمَٰلُكُمۡ وَنَحۡنُ لَهُۥ مُخۡلِصُونَ
Teneno hoe : " Hiady hevitra aminay mahakasika an'Allah ve ianareo; nefa no Tomponay sy Tomponareo; anay ny asanay ary anareo ny asanareo; fa Izahay kosa dia manokana Azy amin'ny fo madio ? ".
عربي تفسیرونه:
أَمۡ تَقُولُونَ إِنَّ إِبۡرَٰهِـۧمَ وَإِسۡمَٰعِيلَ وَإِسۡحَٰقَ وَيَعۡقُوبَ وَٱلۡأَسۡبَاطَ كَانُواْ هُودًا أَوۡ نَصَٰرَىٰۗ قُلۡ ءَأَنتُمۡ أَعۡلَمُ أَمِ ٱللَّهُۗ وَمَنۡ أَظۡلَمُ مِمَّن كَتَمَ شَهَٰدَةً عِندَهُۥ مِنَ ٱللَّهِۗ وَمَا ٱللَّهُ بِغَٰفِلٍ عَمَّا تَعۡمَلُونَ
Sa, hilaza ve ianareo fa i Ibrahim; Ismail; Ishaka; ary Yaquoub sy ireo taranaka, dia Jiosy na Kristianina?”. Lazao azy ireo : “Ianareo ve no tena mahalàla, sa Allah?”. Ary iza no meloka kokoa mihoatra izay sahy manafina ny fijoroana vavolombelona avy amin’Allah? Ary tsy misy miafina amin’Allah izay ataonareo rehetra.
عربي تفسیرونه:
تِلۡكَ أُمَّةٞ قَدۡ خَلَتۡۖ لَهَا مَا كَسَبَتۡ وَلَكُم مَّا كَسَبۡتُمۡۖ وَلَا تُسۡـَٔلُونَ عَمَّا كَانُواْ يَعۡمَلُونَ
Izany dia vahoaka efa lasa; ka ho azy ireo izay nataony ary ho anareo ihany koa ny izay rehetra nataonareo; ary tsy ho hanontaniana akory Ianareo ny amin'izay nataon'izy ireo.
عربي تفسیرونه:
 
د معناګانو ژباړه سورت: بقره
د سورتونو فهرست (لړلیک) د مخ نمبر
 
د قرآن کریم د معناګانو ژباړه - مالاغاشي ژباړه - د رواد الترجمې مرکز - د ژباړو فهرست (لړلیک)

دا ژباړه د مرکز رواد الترجمة ټیم لخوا د ربوہ د تبلیغ ټولنې او د اسلامي منځپانګې د خدماتو ټولنې په همکارۍ شوې.

بندول