Check out the new design

د قرآن کریم د معناګانو ژباړه - مالاغاشي ژباړه - د رواد الترجمې مرکز * - د ژباړو فهرست (لړلیک)


د معناګانو ژباړه سورت: طه   آیت:
وَأَنَا ٱخۡتَرۡتُكَ فَٱسۡتَمِعۡ لِمَا يُوحَىٰٓ
Izaho no nisafidy Anao, ka henoy àry izay holazaiko.
عربي تفسیرونه:
إِنَّنِيٓ أَنَا ٱللَّهُ لَآ إِلَٰهَ إِلَّآ أَنَا۠ فَٱعۡبُدۡنِي وَأَقِمِ ٱلصَّلَوٰةَ لِذِكۡرِيٓ
Marina fa Izaho no Allah, tsy misy Zanahary hafa afa-tsy Izaho ihany. Aoka hanompo Ahy Ianao, ka tanteraho ny Soalat (vavaka) ho fahatsiarovana Ahy.
عربي تفسیرونه:
إِنَّ ٱلسَّاعَةَ ءَاتِيَةٌ أَكَادُ أُخۡفِيهَا لِتُجۡزَىٰ كُلُّ نَفۡسِۭ بِمَا تَسۡعَىٰ
Tena ho avy tokoa ilay Ora. Nefa afeniko ihany izany, mba ho voavaly araka ny ezaka nataony ny fanahy tsirairay.
عربي تفسیرونه:
فَلَا يَصُدَّنَّكَ عَنۡهَا مَن لَّا يُؤۡمِنُ بِهَا وَٱتَّبَعَ هَوَىٰهُ فَتَرۡدَىٰ
Aoka tsy hanakana Anao amin’izany ireo izay tsy nino, sy nanaraka ny hetahetam-pony fa ho tra-doza Ianao.
عربي تفسیرونه:
وَمَا تِلۡكَ بِيَمِينِكَ يَٰمُوسَىٰ
Ary inona ity amin’ny tànanao havanana ity, ry Mosa ?
عربي تفسیرونه:
قَالَ هِيَ عَصَايَ أَتَوَكَّؤُاْ عَلَيۡهَا وَأَهُشُّ بِهَا عَلَىٰ غَنَمِي وَلِيَ فِيهَا مَـَٔارِبُ أُخۡرَىٰ
Niteny Izy ka nanao hoe : “ Ity no tehiko izay hianteherako, ampiasaiko amin’ny fiandrasana ireo ondriko, sy ilaiko amin’ny zavatra hafa ihany koa ”.
عربي تفسیرونه:
قَالَ أَلۡقِهَا يَٰمُوسَىٰ
Niteny i Allah ka nanao hoe : “ Ô ry Mosa ! Atsipazo izy io (tehana) ”,
عربي تفسیرونه:
فَأَلۡقَىٰهَا فَإِذَا هِيَ حَيَّةٞ تَسۡعَىٰ
Dia natsipiny izany (tehina), ka indro lasa bibilava nandady izany,
عربي تفسیرونه:
قَالَ خُذۡهَا وَلَا تَخَفۡۖ سَنُعِيدُهَا سِيرَتَهَا ٱلۡأُولَىٰ
Niteny Izy (Allah) hoe : “ Raiso izy (tehana) ! Ary aza matahotra fa averinay amin’ny endriny taloha indray izany ”.
عربي تفسیرونه:
وَٱضۡمُمۡ يَدَكَ إِلَىٰ جَنَاحِكَ تَخۡرُجۡ بَيۡضَآءَ مِنۡ غَيۡرِ سُوٓءٍ ءَايَةً أُخۡرَىٰ
Ary ataovy ao ambany helikao ny Tànanao, fa ho lasa fotsy (mamirapiratra) izany rehefa mivoaka avy ao, ka tsy harary akory, fa ho fahagagana hafa indray izany.
عربي تفسیرونه:
لِنُرِيَكَ مِنۡ ءَايَٰتِنَا ٱلۡكُبۡرَى
Mba hampisehoanay anao ireo fahagagana lehibe avy Aminay.
عربي تفسیرونه:
ٱذۡهَبۡ إِلَىٰ فِرۡعَوۡنَ إِنَّهُۥ طَغَىٰ
Mandehana any amin’i Faraona Ianao, fa efa tena mihoa-pefy Izy.
عربي تفسیرونه:
قَالَ رَبِّ ٱشۡرَحۡ لِي صَدۡرِي
Niteny i Mosa ka nanao hoe : “ Tompo ô ! Sokafy ny tratrako (foko),
عربي تفسیرونه:
وَيَسِّرۡ لِيٓ أَمۡرِي
Ary hamoray ny iraka Ataoko.
عربي تفسیرونه:
وَٱحۡلُلۡ عُقۡدَةٗ مِّن لِّسَانِي
Ary vahao ny fatotra amin’ny lelako,
عربي تفسیرونه:
يَفۡقَهُواْ قَوۡلِي
Mba ahazoan’izy ireo ny Teniko.
عربي تفسیرونه:
وَٱجۡعَل لِّي وَزِيرٗا مِّنۡ أَهۡلِي
Ary omeo mpanampy avy amin’ny fianakaviako Aho.
عربي تفسیرونه:
هَٰرُونَ أَخِي
Harona, Rahalahiko.
عربي تفسیرونه:
ٱشۡدُدۡ بِهِۦٓ أَزۡرِي
Ampitomboy avy amin’ny alalany ny Heriko !
عربي تفسیرونه:
وَأَشۡرِكۡهُ فِيٓ أَمۡرِي
Ataovy hifarimbona Amiko amin’ireo iraka ataoko Izy.
عربي تفسیرونه:
كَيۡ نُسَبِّحَكَ كَثِيرٗا
Mba hideranay Anao im-betsaka.
عربي تفسیرونه:
وَنَذۡكُرَكَ كَثِيرًا
Mba ahatsiarovanay Anao matetika.
عربي تفسیرونه:
إِنَّكَ كُنتَ بِنَا بَصِيرٗا
Marina fa Ianao dia tena mahita Anay.
عربي تفسیرونه:
قَالَ قَدۡ أُوتِيتَ سُؤۡلَكَ يَٰمُوسَىٰ
Niteny Izy (Allah) ka nanao hoe : Ry Mosa ! Efa nankatoavinay ny fangatahanao ”
عربي تفسیرونه:
وَلَقَدۡ مَنَنَّا عَلَيۡكَ مَرَّةً أُخۡرَىٰٓ
Ary efa nomenay tombony manokana Ianao tany am-boalohany tany.
عربي تفسیرونه:
 
د معناګانو ژباړه سورت: طه
د سورتونو فهرست (لړلیک) د مخ نمبر
 
د قرآن کریم د معناګانو ژباړه - مالاغاشي ژباړه - د رواد الترجمې مرکز - د ژباړو فهرست (لړلیک)

دا ژباړه د مرکز رواد الترجمة ټیم لخوا د ربوہ د تبلیغ ټولنې او د اسلامي منځپانګې د خدماتو ټولنې په همکارۍ شوې.

بندول