Check out the new design

د قرآن کریم د معناګانو ژباړه - مالاغاشي ژباړه - د رواد الترجمې مرکز * - د ژباړو فهرست (لړلیک)


د معناګانو ژباړه سورت: زمر   آیت:
خَلَقَكُم مِّن نَّفۡسٖ وَٰحِدَةٖ ثُمَّ جَعَلَ مِنۡهَا زَوۡجَهَا وَأَنزَلَ لَكُم مِّنَ ٱلۡأَنۡعَٰمِ ثَمَٰنِيَةَ أَزۡوَٰجٖۚ يَخۡلُقُكُمۡ فِي بُطُونِ أُمَّهَٰتِكُمۡ خَلۡقٗا مِّنۢ بَعۡدِ خَلۡقٖ فِي ظُلُمَٰتٖ ثَلَٰثٖۚ ذَٰلِكُمُ ٱللَّهُ رَبُّكُمۡ لَهُ ٱلۡمُلۡكُۖ لَآ إِلَٰهَ إِلَّا هُوَۖ فَأَنَّىٰ تُصۡرَفُونَ
Nahary anareo avy tamin’ny vatana tokana Izy, avy eo notsoahiny avy tamin’izany ny vadiny. Ary nampidina biby fiompy valo ho anareo Izy. Nahary anareo tao an-kibon’ny reninareo Izy, fahariana taorian’ny fahariana, tao anatiny haizin’ny fonom-pananahana telo, izany no Allah Tomponareo ! Azy ny fanjakana rehetra. Tsy misy Zanahary hafa afa-tsy Izy ihany, ka ahoana àry no iatahanareo Aminy?
عربي تفسیرونه:
إِن تَكۡفُرُواْ فَإِنَّ ٱللَّهَ غَنِيٌّ عَنكُمۡۖ وَلَا يَرۡضَىٰ لِعِبَادِهِ ٱلۡكُفۡرَۖ وَإِن تَشۡكُرُواْ يَرۡضَهُ لَكُمۡۗ وَلَا تَزِرُ وَازِرَةٞ وِزۡرَ أُخۡرَىٰۚ ثُمَّ إِلَىٰ رَبِّكُم مَّرۡجِعُكُمۡ فَيُنَبِّئُكُم بِمَا كُنتُمۡ تَعۡمَلُونَۚ إِنَّهُۥ عَلِيمُۢ بِذَاتِ ٱلصُّدُورِ
Raha tsy mino ianareo, dia tsy mila anareo mihitsy I Allah. Tsy mankasitraka ny fikomiana amin’ny mpanompony Izy. Ary raha mahay mankasitraka kosa ianareo, dia mankasitraka anareo koa Izy. Tsy hisy hibaby ny fahotan’ny hafa. Avy eo, dia any amin’ny Tomponareo no hiverenanareo, ka dia hambarany aminareo izay nataonareo, satria Izy no mahafantatra izay raiketin’ny fo.
عربي تفسیرونه:
۞ وَإِذَا مَسَّ ٱلۡإِنسَٰنَ ضُرّٞ دَعَا رَبَّهُۥ مُنِيبًا إِلَيۡهِ ثُمَّ إِذَا خَوَّلَهُۥ نِعۡمَةٗ مِّنۡهُ نَسِيَ مَا كَانَ يَدۡعُوٓاْ إِلَيۡهِ مِن قَبۡلُ وَجَعَلَ لِلَّهِ أَندَادٗا لِّيُضِلَّ عَن سَبِيلِهِۦۚ قُلۡ تَمَتَّعۡ بِكُفۡرِكَ قَلِيلًا إِنَّكَ مِنۡ أَصۡحَٰبِ ٱلنَّارِ
Ary raha misy loza mahazo ny olombelona, dia miantso ny Tompony amim-pibebahana izy. Avy eo, rehefa omeny fahasoavana avy Aminy izy, dia hadinony ny antony niantsoany Azy teo aloha, ka ampitoviany amin’ny hafa I Allah, mba tsy hizoran’ny olona amin’ny lalany. Lazao hoe: “Mifalia amin’ny tsy finoanao mandritra ny fotoana fohy ianao, fa ianao dia anisan’ny olon’ny Afobe”.
عربي تفسیرونه:
أَمَّنۡ هُوَ قَٰنِتٌ ءَانَآءَ ٱلَّيۡلِ سَاجِدٗا وَقَآئِمٗا يَحۡذَرُ ٱلۡأٓخِرَةَ وَيَرۡجُواْ رَحۡمَةَ رَبِّهِۦۗ قُلۡ هَلۡ يَسۡتَوِي ٱلَّذِينَ يَعۡلَمُونَ وَٱلَّذِينَ لَا يَعۡلَمُونَۗ إِنَّمَا يَتَذَكَّرُ أُوْلُواْ ٱلۡأَلۡبَٰبِ
Izay mifantoka amin’ny fivavahana, mandritra ny alina, miankohaka sy mitsangana, mitandrina ny any ankoatra, ary manantena ny famindram-pon’I Tompony. Lazao hoe: “Moa mitovy ve ireo izay mahalala sy tsy mahalala?”. Hamafisina, fa ireo manan-tsaina mahiratra ihany no mahatsiaro izany.
عربي تفسیرونه:
قُلۡ يَٰعِبَادِ ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ ٱتَّقُواْ رَبَّكُمۡۚ لِلَّذِينَ أَحۡسَنُواْ فِي هَٰذِهِ ٱلدُّنۡيَا حَسَنَةٞۗ وَأَرۡضُ ٱللَّهِ وَٰسِعَةٌۗ إِنَّمَا يُوَفَّى ٱلصَّٰبِرُونَ أَجۡرَهُم بِغَيۡرِ حِسَابٖ
Lazao hoe : “ Ô ry mpanompoko izay mino! Aoka ianareo hatahotra ny Tomponareo ” Izay manao fahatsarana eto an-tany dia hahazo valisoa tsara. Midadasika ny tanin’I Allah, ary hamafisina, fa homena valisoa tsy voatanisa ireo manam-paharetana.
عربي تفسیرونه:
 
د معناګانو ژباړه سورت: زمر
د سورتونو فهرست (لړلیک) د مخ نمبر
 
د قرآن کریم د معناګانو ژباړه - مالاغاشي ژباړه - د رواد الترجمې مرکز - د ژباړو فهرست (لړلیک)

دا ژباړه د مرکز رواد الترجمة ټیم لخوا د ربوہ د تبلیغ ټولنې او د اسلامي منځپانګې د خدماتو ټولنې په همکارۍ شوې.

بندول