Check out the new design

د قرآن کریم د معناګانو ژباړه - مالاغاشي ژباړه - د رواد الترجمې مرکز * - د ژباړو فهرست (لړلیک)


د معناګانو ژباړه سورت: زمر   آیت:
وَبَدَا لَهُمۡ سَيِّـَٔاتُ مَا كَسَبُواْ وَحَاقَ بِهِم مَّا كَانُواْ بِهِۦ يَسۡتَهۡزِءُونَ
Ary haseho amin’izy ireo ny ratsy nataony, ka hanarona azy ireo izay noesoiny.
عربي تفسیرونه:
فَإِذَا مَسَّ ٱلۡإِنسَٰنَ ضُرّٞ دَعَانَا ثُمَّ إِذَا خَوَّلۡنَٰهُ نِعۡمَةٗ مِّنَّا قَالَ إِنَّمَآ أُوتِيتُهُۥ عَلَىٰ عِلۡمِۭۚ بَلۡ هِيَ فِتۡنَةٞ وَلَٰكِنَّ أَكۡثَرَهُمۡ لَا يَعۡلَمُونَ
Rehefa tra-doza ny zanak’olombelona, dia mitalaho Aminay izy. Avy eo, raha omenay tombontsoa manokana avy Aminay izy, dia hiteny izy hoe: “Avy amin’ny fahaizako ihany izany”. Kanefa fitsapana ihany izany, saingy ny ankamaroan’izy ireo dia tsy mahafantatra izany.
عربي تفسیرونه:
قَدۡ قَالَهَا ٱلَّذِينَ مِن قَبۡلِهِمۡ فَمَآ أَغۡنَىٰ عَنۡهُم مَّا كَانُواْ يَكۡسِبُونَ
Toy izany no nolazain’izay talohan’izy ireo. Nefa tsy nitera-bokatsoa ho azy ireo izay zavatra nangoniny.
عربي تفسیرونه:
فَأَصَابَهُمۡ سَيِّـَٔاتُ مَا كَسَبُواْۚ وَٱلَّذِينَ ظَلَمُواْ مِنۡ هَٰٓؤُلَآءِ سَيُصِيبُهُمۡ سَيِّـَٔاتُ مَا كَسَبُواْ وَمَا هُم بِمُعۡجِزِينَ
Koa nianjady tamin’izy ireo ny voka-dratsin’izay nangoniny. Izay nanao ny tsy rariny tamin’izy ireo, dia hihatra amin’izy ireo ny voka-dratsin’izay nangoniny, fa tsy afaka hanohitra velively ny herin’I Allah izy ireo.
عربي تفسیرونه:
أَوَلَمۡ يَعۡلَمُوٓاْ أَنَّ ٱللَّهَ يَبۡسُطُ ٱلرِّزۡقَ لِمَن يَشَآءُ وَيَقۡدِرُۚ إِنَّ فِي ذَٰلِكَ لَأٓيَٰتٖ لِّقَوۡمٖ يُؤۡمِنُونَ
Moa tsy fantatr’izy ireo ve, fa mizara an-kalalahana ny fanomezany (Anjaramasoandro) amin’izay sitrany I Allah, na mametra izany ? Ary hamafisina, fa misy porofo tokoa ho an’ireo vahoaka izay mpino.
عربي تفسیرونه:
۞ قُلۡ يَٰعِبَادِيَ ٱلَّذِينَ أَسۡرَفُواْ عَلَىٰٓ أَنفُسِهِمۡ لَا تَقۡنَطُواْ مِن رَّحۡمَةِ ٱللَّهِۚ إِنَّ ٱللَّهَ يَغۡفِرُ ٱلذُّنُوبَ جَمِيعًاۚ إِنَّهُۥ هُوَ ٱلۡغَفُورُ ٱلرَّحِيمُ
Lazao hoe: “Ô ianareo mpanompoko, izay nanao ny tafahoatra (fahotana lehibe) tamin’ny tenany, aza very fanantenana amin’ny famindram-pon’I Allah ianareo. Satria hamafisina, fa I Allah no mamela ny fahotana rehetra. Eny, Izy no Ilay Mpamela heloka, Ilay be indrafo.
عربي تفسیرونه:
وَأَنِيبُوٓاْ إِلَىٰ رَبِّكُمۡ وَأَسۡلِمُواْ لَهُۥ مِن قَبۡلِ أَن يَأۡتِيَكُمُ ٱلۡعَذَابُ ثُمَّ لَا تُنصَرُونَ
Koa miverena amim-panenenana amin’ny Tomponareo ianareo, ary mankatoava Azy, mialohan’ny hiavian’ny famaizana, ka tsy hahazoanareo famonjena intsony.
عربي تفسیرونه:
وَٱتَّبِعُوٓاْ أَحۡسَنَ مَآ أُنزِلَ إِلَيۡكُم مِّن رَّبِّكُم مِّن قَبۡلِ أَن يَأۡتِيَكُمُ ٱلۡعَذَابُ بَغۡتَةٗ وَأَنتُمۡ لَا تَشۡعُرُونَ
Ary araho ilay fanambarana mendrika indrindra avy amin’ny Tomponareo, mialohan’ny hahatongavan’ny famaizana tampoka aminareo, amin’ny fotoana izay tsy hampoizinareo akory,
عربي تفسیرونه:
أَن تَقُولَ نَفۡسٞ يَٰحَسۡرَتَىٰ عَلَىٰ مَا فَرَّطتُ فِي جَنۢبِ ٱللَّهِ وَإِن كُنتُ لَمِنَ ٱلسَّٰخِرِينَ
Alohan'ny hitenenan’ny olona iray hoe : “ Loza ho ahy, noho ny tsirambina nataoko tamin’I Allah. Fa tena anisan’ireo mpaneso aho”
عربي تفسیرونه:
 
د معناګانو ژباړه سورت: زمر
د سورتونو فهرست (لړلیک) د مخ نمبر
 
د قرآن کریم د معناګانو ژباړه - مالاغاشي ژباړه - د رواد الترجمې مرکز - د ژباړو فهرست (لړلیک)

دا ژباړه د مرکز رواد الترجمة ټیم لخوا د ربوہ د تبلیغ ټولنې او د اسلامي منځپانګې د خدماتو ټولنې په همکارۍ شوې.

بندول