Check out the new design

د قرآن کریم د معناګانو ژباړه - مالاغاشي ژباړه - د رواد الترجمې مرکز * - د ژباړو فهرست (لړلیک)


د معناګانو ژباړه سورت: زمر   آیت:
أَفَمَن شَرَحَ ٱللَّهُ صَدۡرَهُۥ لِلۡإِسۡلَٰمِ فَهُوَ عَلَىٰ نُورٖ مِّن رَّبِّهِۦۚ فَوَيۡلٞ لِّلۡقَٰسِيَةِ قُلُوبُهُم مِّن ذِكۡرِ ٱللَّهِۚ أُوْلَٰٓئِكَ فِي ضَلَٰلٖ مُّبِينٍ
Izay nosokafan’i Allah ny fony ho amin’ny fanoloran-tena ho Azy (miditra Islamo), dia ao anatin’ny hazavana avy amin’ny Tompony izy. Loza ho an’izay mafy fo amin’ny fahatsiarovana an’i Allah. Izy ireny no ho ao anatin’ny fahaverezana tanteraka.
عربي تفسیرونه:
ٱللَّهُ نَزَّلَ أَحۡسَنَ ٱلۡحَدِيثِ كِتَٰبٗا مُّتَشَٰبِهٗا مَّثَانِيَ تَقۡشَعِرُّ مِنۡهُ جُلُودُ ٱلَّذِينَ يَخۡشَوۡنَ رَبَّهُمۡ ثُمَّ تَلِينُ جُلُودُهُمۡ وَقُلُوبُهُمۡ إِلَىٰ ذِكۡرِ ٱللَّهِۚ ذَٰلِكَ هُدَى ٱللَّهِ يَهۡدِي بِهِۦ مَن يَشَآءُۚ وَمَن يُضۡلِلِ ٱللَّهُ فَمَا لَهُۥ مِنۡ هَادٍ
Nampidinin’I Allah ny tantara tsara indrindra, dia ilay Boky misy andininy mitovitovy sy miverimberina. Mihoron-koditra amin’izany ireo izay matahotra ny Tompony, avy eo, dia tony ny hodiny sy ny fony amin’ny fahatsiarovana an’I Allah. Izany no tari-dalana avy amin’I Allah, hitarihany izay tiany hotarihana lalana. Fa izay verezin’I Allah kosa, dia tsy hanana mpitarika intsony.
عربي تفسیرونه:
أَفَمَن يَتَّقِي بِوَجۡهِهِۦ سُوٓءَ ٱلۡعَذَابِ يَوۡمَ ٱلۡقِيَٰمَةِۚ وَقِيلَ لِلظَّٰلِمِينَ ذُوقُواْ مَا كُنتُمۡ تَكۡسِبُونَ
Moa ve izay miaro ny tarehiny amin’ny haratsian’ny famaizana amin’ny andro fitsanganana dia hitovy amin’ireo any amin’ny Paradisa ? Ary ho lazaina amin’ireo mpanao ny tsy rariny hoe : “ andramo ny vokatr’izay nataonareo ”.
عربي تفسیرونه:
كَذَّبَ ٱلَّذِينَ مِن قَبۡلِهِمۡ فَأَتَىٰهُمُ ٱلۡعَذَابُ مِنۡ حَيۡثُ لَا يَشۡعُرُونَ
Nilaza ireo Iraka ho mpandainga ireo talohan’izy ireo, ka tonga taminy tamin’ny tsy nampoiziny ny famaizana.
عربي تفسیرونه:
فَأَذَاقَهُمُ ٱللَّهُ ٱلۡخِزۡيَ فِي ٱلۡحَيَوٰةِ ٱلدُّنۡيَاۖ وَلَعَذَابُ ٱلۡأٓخِرَةِ أَكۡبَرُۚ لَوۡ كَانُواْ يَعۡلَمُونَ
Nampanandraman’i Allah azy ireo ny fahafaham-baraka, tamin’ny fiainana eto an-tany. Mbola lehibe noho izany anefa ny famaizana any ankoatra, raha mba fantatr’izy ireo anefa !
عربي تفسیرونه:
وَلَقَدۡ ضَرَبۡنَا لِلنَّاسِ فِي هَٰذَا ٱلۡقُرۡءَانِ مِن كُلِّ مَثَلٖ لَّعَلَّهُمۡ يَتَذَكَّرُونَ
Nitanisa fanoharana isan-karazany ho an’ny olombelona Izahay ao amin’ity Koroany ity, mba hahatsiarovan’izy ireo.
عربي تفسیرونه:
قُرۡءَانًا عَرَبِيًّا غَيۡرَ ذِي عِوَجٖ لَّعَلَّهُمۡ يَتَّقُونَ
Koroany amin’ny fiteny arabo, tsy misy olakolaka, mba hahatonga azy ireo hanam-pahatahorana an’I Allah !
عربي تفسیرونه:
ضَرَبَ ٱللَّهُ مَثَلٗا رَّجُلٗا فِيهِ شُرَكَآءُ مُتَشَٰكِسُونَ وَرَجُلٗا سَلَمٗا لِّرَجُلٍ هَلۡ يَسۡتَوِيَانِ مَثَلًاۚ ٱلۡحَمۡدُ لِلَّهِۚ بَلۡ أَكۡثَرُهُمۡ لَا يَعۡلَمُونَ
Nanome fanoharana I Tompo Allah amin’ny lehilahy iray izay an’ny mpiara-miombon’antoka maro tsy mifanaraka, ka mifamaly momba azy izy ireo, sy lehilahy iray an’olona tokana ihany, moa mitovy ve ireo fanoharana roa ireo ? Dera ho an’I Allah ! Kanefa dia tsy mahafantatra izany ny ankamaroan’izy ireo.
عربي تفسیرونه:
إِنَّكَ مَيِّتٞ وَإِنَّهُم مَّيِّتُونَ
Hamafisina, fa ho faty tokoa ianao (Mohammad), ary ho faty ihany koa izy ireo.
عربي تفسیرونه:
ثُمَّ إِنَّكُمۡ يَوۡمَ ٱلۡقِيَٰمَةِ عِندَ رَبِّكُمۡ تَخۡتَصِمُونَ
Avy eo, dia hifanatrika eo anatrehan’ny Tomponareo ianareo, amin’ny andro fitsanganana.
عربي تفسیرونه:
 
د معناګانو ژباړه سورت: زمر
د سورتونو فهرست (لړلیک) د مخ نمبر
 
د قرآن کریم د معناګانو ژباړه - مالاغاشي ژباړه - د رواد الترجمې مرکز - د ژباړو فهرست (لړلیک)

دا ژباړه د مرکز رواد الترجمة ټیم لخوا د ربوہ د تبلیغ ټولنې او د اسلامي منځپانګې د خدماتو ټولنې په همکارۍ شوې.

بندول