Check out the new design

Salin ng mga Kahulugan ng Marangal na Qur'an - Salin sa Wikang Malagasi ng Sentro ng Rowad sa Pagsasalin * - Indise ng mga Salin


Salin ng mga Kahulugan Surah: Al-A‘rāf   Ayah:
وَمَا كَانَ جَوَابَ قَوۡمِهِۦٓ إِلَّآ أَن قَالُوٓاْ أَخۡرِجُوهُم مِّن قَرۡيَتِكُمۡۖ إِنَّهُمۡ أُنَاسٞ يَتَطَهَّرُونَ
Tsy inona akory ny valin-tenin’ny vahoakanyafa-tsy hoe : “Avoahy amin’ny tanànareo izy ireo. satria izy ireo dia olona mitazona ny fahadiovany (amin’ny fahotana)”.
Ang mga Tafsir na Arabe:
فَأَنجَيۡنَٰهُ وَأَهۡلَهُۥٓ إِلَّا ٱمۡرَأَتَهُۥ كَانَتۡ مِنَ ٱلۡغَٰبِرِينَ
Dia navotanay Izy sy ny fianakaviany, afa-tsy ny vadiny izay anisan’ireo voaringana.
Ang mga Tafsir na Arabe:
وَأَمۡطَرۡنَا عَلَيۡهِم مَّطَرٗاۖ فَٱنظُرۡ كَيۡفَ كَانَ عَٰقِبَةُ ٱلۡمُجۡرِمِينَ
Ary nandrotsahanay orana [87] tamin’izy ireo. Ka jereo àry, ahoana no fiafaran’ireo mpanao heloka bevava !
Ang mga Tafsir na Arabe:
وَإِلَىٰ مَدۡيَنَ أَخَاهُمۡ شُعَيۡبٗاۚ قَالَ يَٰقَوۡمِ ٱعۡبُدُواْ ٱللَّهَ مَا لَكُم مِّنۡ إِلَٰهٍ غَيۡرُهُۥۖ قَدۡ جَآءَتۡكُم بَيِّنَةٞ مِّن رَّبِّكُمۡۖ فَأَوۡفُواْ ٱلۡكَيۡلَ وَٱلۡمِيزَانَ وَلَا تَبۡخَسُواْ ٱلنَّاسَ أَشۡيَآءَهُمۡ وَلَا تُفۡسِدُواْ فِي ٱلۡأَرۡضِ بَعۡدَ إِصۡلَٰحِهَاۚ ذَٰلِكُمۡ خَيۡرٞ لَّكُمۡ إِن كُنتُم مُّؤۡمِنِينَ
Ary ho an’ny (vahoaka) Madiàna, (nalefanay) ny rahalahin’izy ireo Sho’aïb, ka niteny Izy nanao hoe : “Ry vahoakako ! Tompoinareo I Allah, tsy manana Zanahary hafa ankoatr'Azy ianareo. Efa tonga taminareo ny porofo avy amin’ny Tomponareo. Ataovy marina ny famarana sy fandanjana. Ary aza manome olona latsak'izay tokony ho azy. Ary aza manao ny asa fanimbana eto ambonin'ny tany ianareo aorian’ny fanatsarana azy. Izany dia tsara ho anareo raha mpino ianareo.
Ang mga Tafsir na Arabe:
وَلَا تَقۡعُدُواْ بِكُلِّ صِرَٰطٖ تُوعِدُونَ وَتَصُدُّونَ عَن سَبِيلِ ٱللَّهِ مَنۡ ءَامَنَ بِهِۦ وَتَبۡغُونَهَا عِوَجٗاۚ وَٱذۡكُرُوٓاْ إِذۡ كُنتُمۡ قَلِيلٗا فَكَثَّرَكُمۡۖ وَٱنظُرُواْ كَيۡفَ كَانَ عَٰقِبَةُ ٱلۡمُفۡسِدِينَ
Ary aza mipetraka eny an-dàlana rehetra eny ianareo, mandrahona sy misakana ny lalàn’I Allah amin’izay mino Azy ka mitady hampiholakolaka izany (làlana izany). Ary tsarovinareo raha fony mbola vitsy ianareo ka nampitomboiny ho maro. Ary jerenareo, ahoana no fiafaran’ireo mpanao ny asa fanimbana.
Ang mga Tafsir na Arabe:
وَإِن كَانَ طَآئِفَةٞ مِّنكُمۡ ءَامَنُواْ بِٱلَّذِيٓ أُرۡسِلۡتُ بِهِۦ وَطَآئِفَةٞ لَّمۡ يُؤۡمِنُواْ فَٱصۡبِرُواْ حَتَّىٰ يَحۡكُمَ ٱللَّهُ بَيۡنَنَاۚ وَهُوَ خَيۡرُ ٱلۡحَٰكِمِينَ
Ary raha ny andiany aminareo no nino tamin’izay nalefa tamiko ka ny andiany iray hafa kosa tsy nino, dia mahareta ianareo mandra-pahatongan’I Allah hitsara isika, Izy no Mpitsara mendrika indrindra”.
Ang mga Tafsir na Arabe:
 
Salin ng mga Kahulugan Surah: Al-A‘rāf
Indise ng mga Surah Numero ng Pahina
 
Salin ng mga Kahulugan ng Marangal na Qur'an - Salin sa Wikang Malagasi ng Sentro ng Rowad sa Pagsasalin - Indise ng mga Salin

Isinalin ito ng isang pangkat ng Sentro ng Rowad sa Pagsasalin sa pakikipagtulungan ng Samahan ng Da‘wah sa Rabwah at Samahan ng Paglilingkod sa Nilalamang Islāmiko sa mga Wika.

Isara