Check out the new design

Salin ng mga Kahulugan ng Marangal na Qur'an - Salin sa Wikang Malagasi ng Sentro ng Rowad sa Pagsasalin * - Indise ng mga Salin


Salin ng mga Kahulugan Surah: Al-A‘rāf   Ayah:
وَلَمَّا رَجَعَ مُوسَىٰٓ إِلَىٰ قَوۡمِهِۦ غَضۡبَٰنَ أَسِفٗا قَالَ بِئۡسَمَا خَلَفۡتُمُونِي مِنۢ بَعۡدِيٓۖ أَعَجِلۡتُمۡ أَمۡرَ رَبِّكُمۡۖ وَأَلۡقَى ٱلۡأَلۡوَاحَ وَأَخَذَ بِرَأۡسِ أَخِيهِ يَجُرُّهُۥٓ إِلَيۡهِۚ قَالَ ٱبۡنَ أُمَّ إِنَّ ٱلۡقَوۡمَ ٱسۡتَضۡعَفُونِي وَكَادُواْ يَقۡتُلُونَنِي فَلَا تُشۡمِتۡ بِيَ ٱلۡأَعۡدَآءَ وَلَا تَجۡعَلۡنِي مَعَ ٱلۡقَوۡمِ ٱلظَّٰلِمِينَ
Ary rehefa niverina tamin’ny vahoakany i Mosesy, tezitra no sady nalahelo ka niteny nanao hoe : “Tena ratsy tokoa izay nataonareo tamin’ny tsy naha-teo ahy ! Moa ve mitady ny hanafaingana ny didin’ny Tomponareo ianareo ?” Natsipiny ny takela-bato, ary noraisiny tamin’ny lohany ny rahalahiny ka nosintoniny teo aminy, dia niteny Izy (Rahalahiny) nanao hoe : “O ry zanaky ny reniko ! Marina fa ny vahoaka dia nandray ahy ho kanosa, ary saika namono ahy mihitsy izy ireo. Koa aza atao ny hampifaly ireo fahavaloko amin’izay manjo ahy, ary aza atao miaraka amin’ireo vahoaka mpanao ny tsy rariny aho”.
Ang mga Tafsir na Arabe:
قَالَ رَبِّ ٱغۡفِرۡ لِي وَلِأَخِي وَأَدۡخِلۡنَا فِي رَحۡمَتِكَۖ وَأَنتَ أَرۡحَمُ ٱلرَّٰحِمِينَ
Niteny Izy nanao hoe : “Tompo o ! Mamelà ahy sy ny rahalahiko Ianao, ary ampidiro amin’ny famindram-ponao izahay, fa Ianao Ilay be indrafo indrindra amin’ireo mpamindra-fo”.
Ang mga Tafsir na Arabe:
إِنَّ ٱلَّذِينَ ٱتَّخَذُواْ ٱلۡعِجۡلَ سَيَنَالُهُمۡ غَضَبٞ مِّن رَّبِّهِمۡ وَذِلَّةٞ فِي ٱلۡحَيَوٰةِ ٱلدُّنۡيَاۚ وَكَذَٰلِكَ نَجۡزِي ٱلۡمُفۡتَرِينَ
Ireo izay nandray ny zanak’omby (ho Zanahariny) dia hianjady amin’izy ireo ny hatezeran’ny Tompony, sy ny fahambaniana amin’ny fiainana eto an-tany. Tahaka izany no hamalianay ny asan’ireo mpamoron-dainga .
Ang mga Tafsir na Arabe:
وَٱلَّذِينَ عَمِلُواْ ٱلسَّيِّـَٔاتِ ثُمَّ تَابُواْ مِنۢ بَعۡدِهَا وَءَامَنُوٓاْ إِنَّ رَبَّكَ مِنۢ بَعۡدِهَا لَغَفُورٞ رَّحِيمٞ
Ary ireo izay nanao asa ratsy, avy eo izy ireo dia nibebaka taorian’izany sy nino.Marina fa ny Tomponao, aorian’izany, dia tena be Famelan-keloka sy be Fiantrana.
Ang mga Tafsir na Arabe:
وَلَمَّا سَكَتَ عَن مُّوسَى ٱلۡغَضَبُ أَخَذَ ٱلۡأَلۡوَاحَۖ وَفِي نُسۡخَتِهَا هُدٗى وَرَحۡمَةٞ لِّلَّذِينَ هُمۡ لِرَبِّهِمۡ يَرۡهَبُونَ
Ary rehefa nitony ny fahatezeran’i Mosesy dia noraisiny ilay takela-bato. Ary voarakitra tao anaty lahatsoratr’izany ny tari-dàlana sy ny famindram-po ho an’ireo izay matahotra ny Tompon’izy ireo.
Ang mga Tafsir na Arabe:
وَٱخۡتَارَ مُوسَىٰ قَوۡمَهُۥ سَبۡعِينَ رَجُلٗا لِّمِيقَٰتِنَاۖ فَلَمَّآ أَخَذَتۡهُمُ ٱلرَّجۡفَةُ قَالَ رَبِّ لَوۡ شِئۡتَ أَهۡلَكۡتَهُم مِّن قَبۡلُ وَإِيَّٰيَۖ أَتُهۡلِكُنَا بِمَا فَعَلَ ٱلسُّفَهَآءُ مِنَّآۖ إِنۡ هِيَ إِلَّا فِتۡنَتُكَ تُضِلُّ بِهَا مَن تَشَآءُ وَتَهۡدِي مَن تَشَآءُۖ أَنتَ وَلِيُّنَا فَٱغۡفِرۡ لَنَا وَٱرۡحَمۡنَاۖ وَأَنتَ خَيۡرُ ٱلۡغَٰفِرِينَ
Ary nisafidy fitopolo lahy tamin’ireo vahoakany i Mosesy hiatrika ny fihaonana Aminay. Ary rehefa namely azy ireo ny horohoron-tany, dia niteny Izy (Mosa) nanao hoe : “Tompoko ! Raha sitrakao dia naringanao izy ireo teo aloha sy ny tenako. Haringanao ve izahay noho izay nataon’ireo kely fisainana taminay ? Tsy inona akory izany fa fitsapana avy Aminao ihany, ary amin’izany no hamerezanao izay sitrakao sy hitarihanao làlana izay sitrakao. Ianao no Mpiahy anay. Ka mamelà anay ary mamindra-fo aminay, fa Ianao no Mendrika indrindra amin’ireo mpamela heloka.
Ang mga Tafsir na Arabe:
 
Salin ng mga Kahulugan Surah: Al-A‘rāf
Indise ng mga Surah Numero ng Pahina
 
Salin ng mga Kahulugan ng Marangal na Qur'an - Salin sa Wikang Malagasi ng Sentro ng Rowad sa Pagsasalin - Indise ng mga Salin

Isinalin ito ng isang pangkat ng Sentro ng Rowad sa Pagsasalin sa pakikipagtulungan ng Samahan ng Da‘wah sa Rabwah at Samahan ng Paglilingkod sa Nilalamang Islāmiko sa mga Wika.

Isara