Check out the new design

《古兰经》译解 - 马达加斯加语翻译 - 拉瓦德翻译中心。 * - 译解目录


含义的翻译 章: 隋法提   段:
وَجَعَلۡنَا ذُرِّيَّتَهُۥ هُمُ ٱلۡبَاقِينَ
Ary nataonay ny taranany no hany sisa tavela.
阿拉伯语经注:
وَتَرَكۡنَا عَلَيۡهِ فِي ٱلۡأٓخِرِينَ
Ary nataonay ho mandrakizay eo amin’ny taranaka avy afara ny fahatsiarovana azy.
阿拉伯语经注:
سَلَٰمٌ عَلَىٰ نُوحٖ فِي ٱلۡعَٰلَمِينَ
Fiadanana ho an’i Noa eo amin’izao tontolo izao
阿拉伯语经注:
إِنَّا كَذَٰلِكَ نَجۡزِي ٱلۡمُحۡسِنِينَ
Toy izany no amalianay soa ireo mpanao soa.
阿拉伯语经注:
إِنَّهُۥ مِنۡ عِبَادِنَا ٱلۡمُؤۡمِنِينَ
Tena marina fa izy dia isan’ireo mpanomponay mpino.
阿拉伯语经注:
ثُمَّ أَغۡرَقۡنَا ٱلۡأٓخَرِينَ
Ary dia narendrikay ireo vahoaka sasany.
阿拉伯语经注:
۞ وَإِنَّ مِن شِيعَتِهِۦ لَإِبۡرَٰهِيمَ
Ary anisany mpiray finoana aminy tokoa i Ibrahim (Abrahama)
阿拉伯语经注:
إِذۡ جَآءَ رَبَّهُۥ بِقَلۡبٖ سَلِيمٍ
Raha tonga tamin’ny Tompony izy amin’ny fo madio.
阿拉伯语经注:
إِذۡ قَالَ لِأَبِيهِ وَقَوۡمِهِۦ مَاذَا تَعۡبُدُونَ
Rehefa niteny izy tamin’ny Rainy sy ny vahoakany hoe : “Inona no tompoinareo ?"
阿拉伯语经注:
أَئِفۡكًا ءَالِهَةٗ دُونَ ٱللَّهِ تُرِيدُونَ
Mitady Tompo maro hafa ivelan’I Allah ve ianareo ?
阿拉伯语经注:
فَمَا ظَنُّكُم بِرَبِّ ٱلۡعَٰلَمِينَ
Inona ary ny hevitrareo mahakasika ny Tompon'izao tontolo izao ?
阿拉伯语经注:
فَنَظَرَ نَظۡرَةٗ فِي ٱلنُّجُومِ
Avy eo dia nanopy maso izy ka nijery ireo kintana
阿拉伯语经注:
فَقَالَ إِنِّي سَقِيمٞ
Sady niteny izy hoe : “Marina tokoa fa marary aho”
阿拉伯语经注:
فَتَوَلَّوۡاْ عَنۡهُ مُدۡبِرِينَ
Nimboho azy izy ireo dia nandeha.
阿拉伯语经注:
فَرَاغَ إِلَىٰٓ ءَالِهَتِهِمۡ فَقَالَ أَلَا تَأۡكُلُونَ
Dia nizotra moramora nankany amin’ny sampin’izy ireo izy, ary niteny hoe : “Moa ve tsy mihinana ianareo ?"
阿拉伯语经注:
مَا لَكُمۡ لَا تَنطِقُونَ
Fa inona no tsy mampiteny anareo?
阿拉伯语经注:
فَرَاغَ عَلَيۡهِمۡ ضَرۡبَۢا بِٱلۡيَمِينِ
Avy eo nokapohiny antsokosoko izy ireo tamin’ny tanany havanana.
阿拉伯语经注:
فَأَقۡبَلُوٓاْ إِلَيۡهِ يَزِفُّونَ
Tamin’izany dia nanantona azy am-pihazakazahana ireo olona.
阿拉伯语经注:
قَالَ أَتَعۡبُدُونَ مَا تَنۡحِتُونَ
Niteny (tamin’izy ireo) izy hoe : “Moa ve ianareo dia manompo izay (sary) nataonareo ihany".
阿拉伯语经注:
وَٱللَّهُ خَلَقَكُمۡ وَمَا تَعۡمَلُونَ
Nefa I Allah no nahary anareo sy izay ataonareo
阿拉伯语经注:
قَالُواْ ٱبۡنُواْ لَهُۥ بُنۡيَٰنٗا فَأَلۡقُوهُ فِي ٱلۡجَحِيمِ
Niteny izy ireo hoe : “Hanamboary fata-mihiboka (lafaoro) ho azy ka atsipio ao anatin’ny afo mamaivay izy.
阿拉伯语经注:
فَأَرَادُواْ بِهِۦ كَيۡدٗا فَجَعَلۡنَٰهُمُ ٱلۡأَسۡفَلِينَ
Nitady hanao teti-dratsy taminy izy ireo ; ka nataonay latsaka ambany indrindra izy ireo.
阿拉伯语经注:
وَقَالَ إِنِّي ذَاهِبٌ إِلَىٰ رَبِّي سَيَهۡدِينِ
Ary niteny izy hoe : Izaho dia handeha any amin’ny Tompoko ary hitari-dalana ahy Izy.
阿拉伯语经注:
رَبِّ هَبۡ لِي مِنَ ٱلصَّٰلِحِينَ
Tompo ô ! Omeo taranaka mba ho anisan’ireo mpanao soa aho.
阿拉伯语经注:
فَبَشَّرۡنَٰهُ بِغُلَٰمٍ حَلِيمٖ
Nolazainay vaovao mahafaly izy fa hahazo zazalahy be fangoraham-po.
阿拉伯语经注:
فَلَمَّا بَلَغَ مَعَهُ ٱلسَّعۡيَ قَالَ يَٰبُنَيَّ إِنِّيٓ أَرَىٰ فِي ٱلۡمَنَامِ أَنِّيٓ أَذۡبَحُكَ فَٱنظُرۡ مَاذَا تَرَىٰۚ قَالَ يَٰٓأَبَتِ ٱفۡعَلۡ مَا تُؤۡمَرُۖ سَتَجِدُنِيٓ إِن شَآءَ ٱللَّهُ مِنَ ٱلصَّٰبِرِينَ
Ary rehefa nahatratra ny taona ahafahany miaraka aminy izy dia niteny (Ibrahimo) hoe: “Anaka, izaho dia nahita tamin’ny nofy fa nanao sorona anao. Ka ahoana àry ny fahitanao izany”. Niteny (Ismaely) hoe: “Ry dada ô! Ataovy izay nandidiana anao fa ho hitanao aho, raha sitrak’i Allah, fa anisan’ireo manam-paharetana.
阿拉伯语经注:
 
含义的翻译 章: 隋法提
章节目录 页码
 
《古兰经》译解 - 马达加斯加语翻译 - 拉瓦德翻译中心。 - 译解目录

由拉瓦德翻译中心团队与拉布瓦 الدعوة协会和伊斯兰内容服务协会合作翻译。

关闭