Check out the new design

വിശുദ്ധ ഖുർആൻ പരിഭാഷ - മലഗാസി വിവർത്തനം - റുവ്വാദ് തർജമ സെൻ്റർ * - വിവർത്തനങ്ങളുടെ സൂചിക


പരിഭാഷ അദ്ധ്യായം: അഅ്റാഫ്   ആയത്ത്:
وَلَوۡ أَنَّ أَهۡلَ ٱلۡقُرَىٰٓ ءَامَنُواْ وَٱتَّقَوۡاْ لَفَتَحۡنَا عَلَيۡهِم بَرَكَٰتٖ مِّنَ ٱلسَّمَآءِ وَٱلۡأَرۡضِ وَلَٰكِن كَذَّبُواْ فَأَخَذۡنَٰهُم بِمَا كَانُواْ يَكۡسِبُونَ
Ary raha mba nino ireo mponin’ny tanàna sy nanam-patahorana dia tena nosokafanay tamin’izy ireo, ireo fahasoavana avy any an-danitra sy ny eto an-tany. Nefa nampandainga izy ireo, ka noraisinay noho izay nataony ihany.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
أَفَأَمِنَ أَهۡلُ ٱلۡقُرَىٰٓ أَن يَأۡتِيَهُم بَأۡسُنَا بَيَٰتٗا وَهُمۡ نَآئِمُونَ
Moa ve azon'ireo mponin’ny tanàna antoka fa tsy ho tonga any amin’izy ireo ny famaizanay amin’ny alina, raha ao anaty torimaso izy ireo?
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
أَوَأَمِنَ أَهۡلُ ٱلۡقُرَىٰٓ أَن يَأۡتِيَهُم بَأۡسُنَا ضُحٗى وَهُمۡ يَلۡعَبُونَ
Moa ve azon'ireo mponin’ny tanàna antoka fa tsy ho tonga any amin’izy ireo ny famaizanay amin’ny atoandro, raha mbola milalao izy ireo?
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
أَفَأَمِنُواْ مَكۡرَ ٱللَّهِۚ فَلَا يَأۡمَنُ مَكۡرَ ٱللَّهِ إِلَّا ٱلۡقَوۡمُ ٱلۡخَٰسِرُونَ
Moa ve mahatoky fa ho voaaro amin’ny tetik’I Allah izy ireo ? Tsy misy mahatoky fa ho voaaro amin’ny tetik’I Allah afa-tsy ireo vahoaka maty antoka ihany.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
أَوَلَمۡ يَهۡدِ لِلَّذِينَ يَرِثُونَ ٱلۡأَرۡضَ مِنۢ بَعۡدِ أَهۡلِهَآ أَن لَّوۡ نَشَآءُ أَصَبۡنَٰهُم بِذُنُوبِهِمۡۚ وَنَطۡبَعُ عَلَىٰ قُلُوبِهِمۡ فَهُمۡ لَا يَسۡمَعُونَ
Moa ve tsy natoro tamin’ireo izay nandova ny tany taorian’ny mponina tao aminy, fa raha sitrakay dia novelezinay izy ireo nohon'ny fahotany, ary nohidinay mafy ny fon’izy ireo ka tsy haheno mihitsy izy ireo.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
تِلۡكَ ٱلۡقُرَىٰ نَقُصُّ عَلَيۡكَ مِنۡ أَنۢبَآئِهَاۚ وَلَقَدۡ جَآءَتۡهُمۡ رُسُلُهُم بِٱلۡبَيِّنَٰتِ فَمَا كَانُواْ لِيُؤۡمِنُواْ بِمَا كَذَّبُواْ مِن قَبۡلُۚ كَذَٰلِكَ يَطۡبَعُ ٱللَّهُ عَلَىٰ قُلُوبِ ٱلۡكَٰفِرِينَ
Indro ilay tanàna izay notantaranay taminao ny vaovao sasantsasany momba azy ireo. Ary efa tonga taminy ireo Iraka nitondra ireo porofo mazava. Saingy tsy vonona ny hino izay efa nolazainy fa mpandainga teo aloha izy ireo. toy izay nanaovanay fon'ireo tsy nino.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَمَا وَجَدۡنَا لِأَكۡثَرِهِم مِّنۡ عَهۡدٖۖ وَإِن وَجَدۡنَآ أَكۡثَرَهُمۡ لَفَٰسِقِينَ
Ary tsy hitanay tamin’ny ankamaroan’izy ireo ny fanajana ny fanekena, fa ny hitanay tamin’ny ankamaroan’izy ireo kosa dia ny fitondran-tena ratsy.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
ثُمَّ بَعَثۡنَا مِنۢ بَعۡدِهِم مُّوسَىٰ بِـَٔايَٰتِنَآ إِلَىٰ فِرۡعَوۡنَ وَمَلَإِيْهِۦ فَظَلَمُواْ بِهَاۖ فَٱنظُرۡ كَيۡفَ كَانَ عَٰقِبَةُ ٱلۡمُفۡسِدِينَ
Avy eo dia nalefanay taorian’izy ireo i Mosesy miaraka tamin’ireo fahagagana avy taminay ho any amin’i Faraona sy ireo loholony. Nefa nanao ny tsy rariny tamin’izany izy ireo. Ka jereo ahoana àry no niafaran’ireo mpanao asa fanimbana.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَقَالَ مُوسَىٰ يَٰفِرۡعَوۡنُ إِنِّي رَسُولٞ مِّن رَّبِّ ٱلۡعَٰلَمِينَ
Ary niteny i Mosesy nanao hoe : “O ry Faraona ! Tena marina fa Izaho dia Iraka avy amin’ny Tompon’izao Tontolo izao.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
 
പരിഭാഷ അദ്ധ്യായം: അഅ്റാഫ്
സൂറത്തുകളുടെ സൂചിക പേജ് നമ്പർ
 
വിശുദ്ധ ഖുർആൻ പരിഭാഷ - മലഗാസി വിവർത്തനം - റുവ്വാദ് തർജമ സെൻ്റർ - വിവർത്തനങ്ങളുടെ സൂചിക

റബ്‌വ ഇസ്‌ലാമിക് ദഅ്വാ ആൻഡ് ഗൈഡൻസ് സെൻററിൻ്റെയും കോൺടെന്റ് ഇൻ ലാംഗ്വേജസ് സർവീസ് അസോസിയേഷൻ്റെയും സഹകരണത്തോടെ മർകസ് റുവാദ് തർജമ വിഭാഗം വിവർത്തനം ചെയ്തത്.

അടക്കുക