Check out the new design

വിശുദ്ധ ഖുർആൻ പരിഭാഷ - മലഗാസി വിവർത്തനം - റുവ്വാദ് തർജമ സെൻ്റർ * - വിവർത്തനങ്ങളുടെ സൂചിക


പരിഭാഷ അദ്ധ്യായം: അഅ്റാഫ്   ആയത്ത്:
قَالَ يَٰمُوسَىٰٓ إِنِّي ٱصۡطَفَيۡتُكَ عَلَى ٱلنَّاسِ بِرِسَٰلَٰتِي وَبِكَلَٰمِي فَخُذۡ مَآ ءَاتَيۡتُكَ وَكُن مِّنَ ٱلشَّٰكِرِينَ
Ary niteny Izy (Allah) : “Ry Mosesy ! Tena nisafidy anao Aho tamin’ireo olombelona mba hitondra ny hafatro sy ny teniko. Koa raiso izay omeko anao, ary aoka ianao ho anisan’ireo mpankasitraka.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَكَتَبۡنَا لَهُۥ فِي ٱلۡأَلۡوَاحِ مِن كُلِّ شَيۡءٖ مَّوۡعِظَةٗ وَتَفۡصِيلٗا لِّكُلِّ شَيۡءٖ فَخُذۡهَا بِقُوَّةٖ وَأۡمُرۡ قَوۡمَكَ يَأۡخُذُواْ بِأَحۡسَنِهَاۚ سَأُوْرِيكُمۡ دَارَ ٱلۡفَٰسِقِينَ
Ary nosoratanay ho Azy, tamin’ny takela-bato, ny fananarana mikasika ny zava-drehetra sy ny fanazavana amin’ny antsipiriany. Raiso izany ary tazony mafy, ka didio ny vahoakanao handray izany amin’ny tsara indrindra. Tsy ho ela dia hasehoko anareo ny fonenan’ireo mpanao asa ratsy.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
سَأَصۡرِفُ عَنۡ ءَايَٰتِيَ ٱلَّذِينَ يَتَكَبَّرُونَ فِي ٱلۡأَرۡضِ بِغَيۡرِ ٱلۡحَقِّ وَإِن يَرَوۡاْ كُلَّ ءَايَةٖ لَّا يُؤۡمِنُواْ بِهَا وَإِن يَرَوۡاْ سَبِيلَ ٱلرُّشۡدِ لَا يَتَّخِذُوهُ سَبِيلٗا وَإِن يَرَوۡاْ سَبِيلَ ٱلۡغَيِّ يَتَّخِذُوهُ سَبِيلٗاۚ ذَٰلِكَ بِأَنَّهُمۡ كَذَّبُواْ بِـَٔايَٰتِنَا وَكَانُواْ عَنۡهَا غَٰفِلِينَ
Halaviriko amin’ireo famantarana avy Amiko ireo izay miavonavona tsy amim-pahamarinana eto an-tany. Na dia mahita ny fahagagana rehetra aza izy ireo dia tsy hino izany. Ary na dia mahita ny lalana tsara aza izy ireo, dia tsy handray izany ho lalan-kaleha. Fa raha mahita ny lalan’ny fahaverezana izy ireo, dia raisin’izy ireo ho lalan-kaleha izany. Izany dia satria, milaza ireo famantarana avy Aminay ho lainga izy ireo ka tsy miraharaha izany.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَٱلَّذِينَ كَذَّبُواْ بِـَٔايَٰتِنَا وَلِقَآءِ ٱلۡأٓخِرَةِ حَبِطَتۡ أَعۡمَٰلُهُمۡۚ هَلۡ يُجۡزَوۡنَ إِلَّا مَا كَانُواْ يَعۡمَلُونَ
Ary ireo izay milaza fa lainga ny famantaranay sy ny fihaonana amin’ny fiainana any an-koatra, dia foana ny asan’izy ireo. Moa ve omena valiny izy ireo afa-tsy amin’ny izay asa nataon’izy ireo ihany ?
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَٱتَّخَذَ قَوۡمُ مُوسَىٰ مِنۢ بَعۡدِهِۦ مِنۡ حُلِيِّهِمۡ عِجۡلٗا جَسَدٗا لَّهُۥ خُوَارٌۚ أَلَمۡ يَرَوۡاْ أَنَّهُۥ لَا يُكَلِّمُهُمۡ وَلَا يَهۡدِيهِمۡ سَبِيلًاۘ ٱتَّخَذُوهُ وَكَانُواْ ظَٰلِمِينَ
Ary ireo vahoakan’i Mosesy taorian’ny nandehanany dia nanamboatra vatana zanak’omby lahy mitrena avy tamin’ny firavak’izy ireo. Moa ve tsy hitan’izy ireo fa tsy afaka miresaka amin’izy ireo no sady tsy mitari-dalana azy ireo amin’ny lala-mihitsy izany ? Noraisin’izy ireo izany, ary izy ireo dia mpanao ny tsy rariny.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَلَمَّا سُقِطَ فِيٓ أَيۡدِيهِمۡ وَرَأَوۡاْ أَنَّهُمۡ قَدۡ ضَلُّواْ قَالُواْ لَئِن لَّمۡ يَرۡحَمۡنَا رَبُّنَا وَيَغۡفِرۡ لَنَا لَنَكُونَنَّ مِنَ ٱلۡخَٰسِرِينَ
Ary rehefa nahatsapa fanenenana izy ireo, sy nahita fa tena very lalana tokoa, dia niteny izy ireo nanao hoe : “Raha toa ka tsy mamindra fo aminay sy tsy mamela ny helokay ny Tomponay dia tena anisan’ireo maty antoka izahay”.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
 
പരിഭാഷ അദ്ധ്യായം: അഅ്റാഫ്
സൂറത്തുകളുടെ സൂചിക പേജ് നമ്പർ
 
വിശുദ്ധ ഖുർആൻ പരിഭാഷ - മലഗാസി വിവർത്തനം - റുവ്വാദ് തർജമ സെൻ്റർ - വിവർത്തനങ്ങളുടെ സൂചിക

റബ്‌വ ഇസ്‌ലാമിക് ദഅ്വാ ആൻഡ് ഗൈഡൻസ് സെൻററിൻ്റെയും കോൺടെന്റ് ഇൻ ലാംഗ്വേജസ് സർവീസ് അസോസിയേഷൻ്റെയും സഹകരണത്തോടെ മർകസ് റുവാദ് തർജമ വിഭാഗം വിവർത്തനം ചെയ്തത്.

അടക്കുക