Check out the new design

വിശുദ്ധ ഖുർആൻ പരിഭാഷ - മലഗാസി വിവർത്തനം - റുവ്വാദ് തർജമ സെൻ്റർ * - വിവർത്തനങ്ങളുടെ സൂചിക


പരിഭാഷ അദ്ധ്യായം: അഅ്റാഫ്   ആയത്ത്:
وَنَادَىٰٓ أَصۡحَٰبُ ٱلۡجَنَّةِ أَصۡحَٰبَ ٱلنَّارِ أَن قَدۡ وَجَدۡنَا مَا وَعَدَنَا رَبُّنَا حَقّٗا فَهَلۡ وَجَدتُّم مَّا وَعَدَ رَبُّكُمۡ حَقّٗاۖ قَالُواْ نَعَمۡۚ فَأَذَّنَ مُؤَذِّنُۢ بَيۡنَهُمۡ أَن لَّعۡنَةُ ٱللَّهِ عَلَى ٱلظَّٰلِمِينَ
Ary ireo olon’ny Paradisa dia hiantso ireo olon’ny Afobe manao hoe : “Tena hitanay marina izay nampanantenain’ny Tomponay anay. Ka moa ve tena hitanareo marina izay nampanantenain’ny Tomponareo ?” Hiteny izy ireo manao hoe : “Eny”. Ary hisy mpiantso hiantso mafy eo afovoan’izy ireo manao hoe : “Ny ozon’I Allah anie ho amin’ireo mpanao ny tsy rariny”.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
ٱلَّذِينَ يَصُدُّونَ عَن سَبِيلِ ٱللَّهِ وَيَبۡغُونَهَا عِوَجٗا وَهُم بِٱلۡأٓخِرَةِ كَٰفِرُونَ
Dia ireo izay misakana ny lalàn’I Allah ka mitady ny hampiholakolaka izany, ary izy ireo dia tsy mino ny any an-koatra.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَبَيۡنَهُمَا حِجَابٞۚ وَعَلَى ٱلۡأَعۡرَافِ رِجَالٞ يَعۡرِفُونَ كُلَّۢا بِسِيمَىٰهُمۡۚ وَنَادَوۡاْ أَصۡحَٰبَ ٱلۡجَنَّةِ أَن سَلَٰمٌ عَلَيۡكُمۡۚ لَمۡ يَدۡخُلُوهَا وَهُمۡ يَطۡمَعُونَ
Ary hisy takona manelanelana azy roa tonta, ary eo ambonin’ny Al-A’rãf [86] dia hisy olona maro izay hahafantatra ny olon-drehetra amin’ny sori-pamantarana izay misy amin’izy ireo. Ary hiantso ny olon’ny Paradisa izy ireo manao hoe : “Fiadanana anie ho aminareo !” Ary izy ireo dia tsy tafiditra tao na dia naniry izany fatratra aza.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
۞ وَإِذَا صُرِفَتۡ أَبۡصَٰرُهُمۡ تِلۡقَآءَ أَصۡحَٰبِ ٱلنَّارِ قَالُواْ رَبَّنَا لَا تَجۡعَلۡنَا مَعَ ٱلۡقَوۡمِ ٱلظَّٰلِمِينَ
Ary rehefa hatodika mankany amin’ireo olon’ny Afobe ny fijerin’izy ireo dia hiteny izy ireo manao hoe : “Tomponay oh ! Aza atao miaraka amin’ireo vahoaka mpanao ny tsy rariny izahay”.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَنَادَىٰٓ أَصۡحَٰبُ ٱلۡأَعۡرَافِ رِجَالٗا يَعۡرِفُونَهُم بِسِيمَىٰهُمۡ قَالُواْ مَآ أَغۡنَىٰ عَنكُمۡ جَمۡعُكُمۡ وَمَا كُنتُمۡ تَسۡتَكۡبِرُونَ
Ary ireo olon’ny Al-A’rãf dia hiantso ireo olona maro fantatr’izy ireo amin’ny alalan’ny sori-pamantarana izay misy amin’izy ireo ka hiteny manao hoe : “Tsy nahazo tombony ianareo tamin’izay rehetra nangoninareo sy izay nampiavonavona anareo !
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
أَهَٰٓؤُلَآءِ ٱلَّذِينَ أَقۡسَمۡتُمۡ لَا يَنَالُهُمُ ٱللَّهُ بِرَحۡمَةٍۚ ٱدۡخُلُواْ ٱلۡجَنَّةَ لَا خَوۡفٌ عَلَيۡكُمۡ وَلَآ أَنتُمۡ تَحۡزَنُونَ
Moa ve tsy izy ireny no nianianareo fa tsy hahazo ny famindram-pòn’I Allah velively ? Midira amin’ny paradisa ianareo ! Tsy hisy tahotra ianareo ary tsy halahelo ihany koa.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَنَادَىٰٓ أَصۡحَٰبُ ٱلنَّارِ أَصۡحَٰبَ ٱلۡجَنَّةِ أَنۡ أَفِيضُواْ عَلَيۡنَا مِنَ ٱلۡمَآءِ أَوۡ مِمَّا رَزَقَكُمُ ٱللَّهُۚ قَالُوٓاْ إِنَّ ٱللَّهَ حَرَّمَهُمَا عَلَى ٱلۡكَٰفِرِينَ
Ary ireo olon’ny Afobe dia hiantso ireo olon’ny Paradisa manao hoe : “Mba anipazo rano kely izahay, na amin’izay anjara sakafo nomen’I Allah anareo”. Hiteny izy ireo manao hoe : “Marina fa I Allah dia nandrara izany ho an’ireo tsy mpino”.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
ٱلَّذِينَ ٱتَّخَذُواْ دِينَهُمۡ لَهۡوٗا وَلَعِبٗا وَغَرَّتۡهُمُ ٱلۡحَيَوٰةُ ٱلدُّنۡيَاۚ فَٱلۡيَوۡمَ نَنسَىٰهُمۡ كَمَا نَسُواْ لِقَآءَ يَوۡمِهِمۡ هَٰذَا وَمَا كَانُواْ بِـَٔايَٰتِنَا يَجۡحَدُونَ
Ireo izay nandray ny finoan’izy ireo ho fandanian’andro sy kilalao ary namitaka azy ireo ny fiainana teny ambonin’ny tany. Androany, dia hanadino azy ireo izahay tahaka ny nanadinoan’izy ireo ny fihaonana amin’izao andron’izy ireo izao, ary noho izy ireo nitsipaka ireo fanambaranay.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
 
പരിഭാഷ അദ്ധ്യായം: അഅ്റാഫ്
സൂറത്തുകളുടെ സൂചിക പേജ് നമ്പർ
 
വിശുദ്ധ ഖുർആൻ പരിഭാഷ - മലഗാസി വിവർത്തനം - റുവ്വാദ് തർജമ സെൻ്റർ - വിവർത്തനങ്ങളുടെ സൂചിക

റബ്‌വ ഇസ്‌ലാമിക് ദഅ്വാ ആൻഡ് ഗൈഡൻസ് സെൻററിൻ്റെയും കോൺടെന്റ് ഇൻ ലാംഗ്വേജസ് സർവീസ് അസോസിയേഷൻ്റെയും സഹകരണത്തോടെ മർകസ് റുവാദ് തർജമ വിഭാഗം വിവർത്തനം ചെയ്തത്.

അടക്കുക