Check out the new design

വിശുദ്ധ ഖുർആൻ പരിഭാഷ - മലഗാസി വിവർത്തനം - റുവ്വാദ് തർജമ സെൻ്റർ * - വിവർത്തനങ്ങളുടെ സൂചിക


പരിഭാഷ അദ്ധ്യായം: അഅ്റാഫ്   ആയത്ത്:
فَإِذَا جَآءَتۡهُمُ ٱلۡحَسَنَةُ قَالُواْ لَنَا هَٰذِهِۦۖ وَإِن تُصِبۡهُمۡ سَيِّئَةٞ يَطَّيَّرُواْ بِمُوسَىٰ وَمَن مَّعَهُۥٓۗ أَلَآ إِنَّمَا طَٰٓئِرُهُمۡ عِندَ ٱللَّهِ وَلَٰكِنَّ أَكۡثَرَهُمۡ لَا يَعۡلَمُونَ
Ary rehefa tonga tamin’izy ireo ny fahasoavana, dia niteny izy ireo nanao hoe : “Ity dia anjara ho anay” raha tojo haratsiana kosa izy ireo dia nataony fa avy amin’i Mosesy sy ireo mpiara-dia aminy no mahatonga izao, raha ny marina dia miankina amin’I Allah irery ihany ny anjaran’izy ireo, nefa ny ankamaroan’izy ireo dia tsy mahafantatra izany.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَقَالُواْ مَهۡمَا تَأۡتِنَا بِهِۦ مِنۡ ءَايَةٖ لِّتَسۡحَرَنَا بِهَا فَمَا نَحۡنُ لَكَ بِمُؤۡمِنِينَ
Ary niteny izy ireo nanao hoe : “N'inon'inona ny fahagagana entinao sy hahasodoka anay, dia tsy hino anao velively izahay”.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
فَأَرۡسَلۡنَا عَلَيۡهِمُ ٱلطُّوفَانَ وَٱلۡجَرَادَ وَٱلۡقُمَّلَ وَٱلضَّفَادِعَ وَٱلدَّمَ ءَايَٰتٖ مُّفَصَّلَٰتٖ فَٱسۡتَكۡبَرُواْ وَكَانُواْ قَوۡمٗا مُّجۡرِمِينَ
Nalefanay tamin’izy ireo ny tondra-drano, ny valala, ny hao, sy ny sahona, ny rà, ho porofo mazava. Nefa nampitombo ny fiavonavonan'izy ireo izany, ka nijanona ho vahoaka mpanao heloka ihany izy ireo.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَلَمَّا وَقَعَ عَلَيۡهِمُ ٱلرِّجۡزُ قَالُواْ يَٰمُوسَى ٱدۡعُ لَنَا رَبَّكَ بِمَا عَهِدَ عِندَكَۖ لَئِن كَشَفۡتَ عَنَّا ٱلرِّجۡزَ لَنُؤۡمِنَنَّ لَكَ وَلَنُرۡسِلَنَّ مَعَكَ بَنِيٓ إِسۡرَٰٓءِيلَ
Rehefa nihatra tamin’izy ireo ny sazy dia niteny izy ireo nanao hoe : “O ry Mosesy ! Mangataha ianao ho anay amin’ny Tomponao amin’ny fifanekena izay nomeny anao. Raha esorinao aminay tokoa ny sazy dia tena hino Anao izahay, ary alefanay hiaraka Aminao ireo zanak’Israely”.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
فَلَمَّا كَشَفۡنَا عَنۡهُمُ ٱلرِّجۡزَ إِلَىٰٓ أَجَلٍ هُم بَٰلِغُوهُ إِذَا هُمۡ يَنكُثُونَ
Ka rehefa nesorinay tamin’izy ireo ny sazy ho amin’ny fotoana farany izay tratran’izy ireo, dia indro fa nivadika tamin’ny fanekena izy ireo.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
فَٱنتَقَمۡنَا مِنۡهُمۡ فَأَغۡرَقۡنَٰهُمۡ فِي ٱلۡيَمِّ بِأَنَّهُمۡ كَذَّبُواْ بِـَٔايَٰتِنَا وَكَانُواْ عَنۡهَا غَٰفِلِينَ
Noho izany dia namaly azy ireo Izahay; ka narendrikay tao anatin'ny ranomasina izy ireo, satria izy ireo dia nilaza fa lainga ireo famantarana avy taminay ary tsy niraharaha izany izy ireo.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَأَوۡرَثۡنَا ٱلۡقَوۡمَ ٱلَّذِينَ كَانُواْ يُسۡتَضۡعَفُونَ مَشَٰرِقَ ٱلۡأَرۡضِ وَمَغَٰرِبَهَا ٱلَّتِي بَٰرَكۡنَا فِيهَاۖ وَتَمَّتۡ كَلِمَتُ رَبِّكَ ٱلۡحُسۡنَىٰ عَلَىٰ بَنِيٓ إِسۡرَٰٓءِيلَ بِمَا صَبَرُواْۖ وَدَمَّرۡنَا مَا كَانَ يَصۡنَعُ فِرۡعَوۡنُ وَقَوۡمُهُۥ وَمَا كَانُواْ يَعۡرِشُونَ
Ary nampandovanay ireo vahoaka, izay niharan’ny tsindry hazo lena, ny atsinanan’ny tany sy ny andrefany, izay efa nosoavinay ny aminy. Ary tanteraka tamin’ireo zanak’Israely ny teny mahafinaritra indrindra avy amin’ny Tomponao noho izy ireo maharitra. Ary nopotehinay izay rehetra nataon’i Faraona sy ny vahoakany sy izay natsangan’izy ireo.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
 
പരിഭാഷ അദ്ധ്യായം: അഅ്റാഫ്
സൂറത്തുകളുടെ സൂചിക പേജ് നമ്പർ
 
വിശുദ്ധ ഖുർആൻ പരിഭാഷ - മലഗാസി വിവർത്തനം - റുവ്വാദ് തർജമ സെൻ്റർ - വിവർത്തനങ്ങളുടെ സൂചിക

റബ്‌വ ഇസ്‌ലാമിക് ദഅ്'വാ ആൻഡ് ഗൈഡൻസ് സെൻററിൻ്റെയും കോൺടെന്റ് ഇൻ ലാംഗ്വേജസ് സർവീസ് അസോസിയേഷൻ്റെയും സഹകരണത്തോടെ മർകസ് റുവാദ് തർജമ വിഭാഗം വിവർത്തനം ചെയ്തതാണ്.

അടക്കുക