Check out the new design

Salin ng mga Kahulugan ng Marangal na Qur'an - Salin sa Wikang Malagasi ng Sentro ng Rowad sa Pagsasalin * - Indise ng mga Salin


Salin ng mga Kahulugan Surah: ‘Abasa   Ayah:

Abasa

عَبَسَ وَتَوَلَّىٰٓ
Niketrona izy dia nihodina,
Ang mga Tafsir na Arabe:
أَن جَآءَهُ ٱلۡأَعۡمَىٰ
satria tonga teo aminy ilay jamba,
Ang mga Tafsir na Arabe:
وَمَا يُدۡرِيكَ لَعَلَّهُۥ يَزَّكَّىٰٓ
tsy fantatrao angamba izy tonga mba hanadio ny fanahiny! Sao dia mba misy fahatsampan-tena ao aminy,
Ang mga Tafsir na Arabe:
أَوۡ يَذَّكَّرُ فَتَنفَعَهُ ٱلذِّكۡرَىٰٓ
Na koa mahatsapa tena izy amin'ny fahampatsiahivana,
Ang mga Tafsir na Arabe:
أَمَّا مَنِ ٱسۡتَغۡنَىٰ
Ho an'izay manana ny ampy kosa,
Ang mga Tafsir na Arabe:
فَأَنتَ لَهُۥ تَصَدَّىٰ
dia nanatona azy am-pahazotoana ianao,
Ang mga Tafsir na Arabe:
وَمَا عَلَيۡكَ أَلَّا يَزَّكَّىٰ
nefa tsy tsininao ny tsy fahadiovany,
Ang mga Tafsir na Arabe:
وَأَمَّا مَن جَآءَكَ يَسۡعَىٰ
fa izay tonga nanantona anao am-pahavitrihana kosa,
Ang mga Tafsir na Arabe:
وَهُوَ يَخۡشَىٰ
sady feno fahatahorana an'I Allah,
Ang mga Tafsir na Arabe:
فَأَنتَ عَنۡهُ تَلَهَّىٰ
dia tsy noheverinao ny momba azy,
Ang mga Tafsir na Arabe:
كَلَّآ إِنَّهَا تَذۡكِرَةٞ
Tsia! Aza manao toy izany intsony ianao! Raha ny tena marina ity dia fampahatsiahivana fotsiny ihany,
Ang mga Tafsir na Arabe:
فَمَن شَآءَ ذَكَرَهُۥ
ka izay maniry izany dia hahatsiaro,
Ang mga Tafsir na Arabe:
فِي صُحُفٖ مُّكَرَّمَةٖ
izay voarakitra ao amin'ny takelaka manan-kaja,
Ang mga Tafsir na Arabe:
مَّرۡفُوعَةٖ مُّطَهَّرَةِۭ
sy manan-danja ary feno fahadiovana,
Ang mga Tafsir na Arabe:
بِأَيۡدِي سَفَرَةٖ
eo am-pelan-tanan'ireo anjely,
Ang mga Tafsir na Arabe:
كِرَامِۭ بَرَرَةٖ
mendrika sy mpakato,
Ang mga Tafsir na Arabe:
قُتِلَ ٱلۡإِنسَٰنُ مَآ أَكۡفَرَهُۥ
Loza anie ho an'izay olombelona mikomy ny amin'izany,
Ang mga Tafsir na Arabe:
مِنۡ أَيِّ شَيۡءٍ خَلَقَهُۥ
Fa avy tamin'inona moa no nahariana azy?
Ang mga Tafsir na Arabe:
مِن نُّطۡفَةٍ خَلَقَهُۥ فَقَدَّرَهُۥ
avy tamin'ny piti-dranon'aina no nahariana azy, ary avy eo dia nofaritany ny anjaran'io olona io,
Ang mga Tafsir na Arabe:
ثُمَّ ٱلسَّبِيلَ يَسَّرَهُۥ
ary avy eo dia nakamorainy ny lalan-kombany,
Ang mga Tafsir na Arabe:
ثُمَّ أَمَاتَهُۥ فَأَقۡبَرَهُۥ
Dia nampandaloviny fahafatesana izy ary nalevina,
Ang mga Tafsir na Arabe:
ثُمَّ إِذَا شَآءَ أَنشَرَهُۥ
koa raha sitrak'I Allah dia mbola hatsangany amin'ny maty izy,
Ang mga Tafsir na Arabe:
كَلَّا لَمَّا يَقۡضِ مَآ أَمَرَهُۥ
Nefa indrisy! Fa tsy nanatanteraka ireo izay nandidiana azy izy!
Ang mga Tafsir na Arabe:
فَلۡيَنظُرِ ٱلۡإِنسَٰنُ إِلَىٰ طَعَامِهِۦٓ
Aoka anefa ny olombelona handinika ireo sakafo fivelomany,
Ang mga Tafsir na Arabe:
أَنَّا صَبَبۡنَا ٱلۡمَآءَ صَبّٗا
nampidiniko ihany koa ny rano sesehena,
Ang mga Tafsir na Arabe:
ثُمَّ شَقَقۡنَا ٱلۡأَرۡضَ شَقّٗا
Avy eo, nataoko mba hahavokatra ny tany,
Ang mga Tafsir na Arabe:
فَأَنۢبَتۡنَا فِيهَا حَبّٗا
ka nampitsimoako avy ao ireo voa mahavelona,
Ang mga Tafsir na Arabe:
وَعِنَبٗا وَقَضۡبٗا
dia ny voaloboka sy ny anana amam-bilona,
Ang mga Tafsir na Arabe:
وَزَيۡتُونٗا وَنَخۡلٗا
ny hazo ny oliva sy ny hazo ny antrendry
Ang mga Tafsir na Arabe:
وَحَدَآئِقَ غُلۡبٗا
ireo saha midoroboka,
Ang mga Tafsir na Arabe:
وَفَٰكِهَةٗ وَأَبّٗا
voankazo sy karazan'ahitra,
Ang mga Tafsir na Arabe:
مَّتَٰعٗا لَّكُمۡ وَلِأَنۡعَٰمِكُمۡ
mba hahasoa anareo sy ireo biby fiompinareo,
Ang mga Tafsir na Arabe:
فَإِذَا جَآءَتِ ٱلصَّآخَّةُ
koa rehefa ho tonga ilay antso tsy hifandrenesana,
Ang mga Tafsir na Arabe:
يَوۡمَ يَفِرُّ ٱلۡمَرۡءُ مِنۡ أَخِيهِ
amin'ny andro izay handosiran'olombelona ny rahalahiny,
Ang mga Tafsir na Arabe:
وَأُمِّهِۦ وَأَبِيهِ
ny reniny sy ny rainy;
Ang mga Tafsir na Arabe:
وَصَٰحِبَتِهِۦ وَبَنِيهِ
ary ny vady aman-janany.
Ang mga Tafsir na Arabe:
لِكُلِّ ٱمۡرِيٕٖ مِّنۡهُمۡ يَوۡمَئِذٖ شَأۡنٞ يُغۡنِيهِ
ny olona tsirairay amin'izy ireo, amin'izay andro izay dia ny hahasoa ny tenany no himasoany.
Ang mga Tafsir na Arabe:
وُجُوهٞ يَوۡمَئِذٖ مُّسۡفِرَةٞ
hisy amin'izany andro izany ireo endrika feno hazavana,
Ang mga Tafsir na Arabe:
ضَاحِكَةٞ مُّسۡتَبۡشِرَةٞ
faly sy mirana,
Ang mga Tafsir na Arabe:
وَوُجُوهٞ يَوۡمَئِذٍ عَلَيۡهَا غَبَرَةٞ
ao koa anefa, amin'izay andro izay, ireo endrika mihosom-bovoka,
Ang mga Tafsir na Arabe:
تَرۡهَقُهَا قَتَرَةٌ
sy mivalo mainty,
Ang mga Tafsir na Arabe:
أُوْلَٰٓئِكَ هُمُ ٱلۡكَفَرَةُ ٱلۡفَجَرَةُ
Izy ireo no tsy mpino sy tsy mataho-tody,
Ang mga Tafsir na Arabe:
 
Salin ng mga Kahulugan Surah: ‘Abasa
Indise ng mga Surah Numero ng Pahina
 
Salin ng mga Kahulugan ng Marangal na Qur'an - Salin sa Wikang Malagasi ng Sentro ng Rowad sa Pagsasalin - Indise ng mga Salin

Isinalin ito ng isang pangkat ng Sentro ng Rowad sa Pagsasalin sa pakikipagtulungan ng Samahan ng Da‘wah sa Rabwah at Samahan ng Paglilingkod sa Nilalamang Islāmiko sa mga Wika.

Isara